Tantara tamin'ny 30 Novambra 2013
Mandà Ny Tolo-dalàna Hamaritana Ny Refin'ny Fahantrana i Singapour
"Malaza ho mpamariparitra ny zavatra rehetra" i Singapour ka ao anatin'izany "ny isa mazava momba an'ireo olona izay mikambana ao anatinà vondronà tsy manara-dalàna tanteraka". Mahagaga anefa, fa ny firenena manan-karena indrindra eran-tany dia mbola tsy namaritra ny refin'ny fahantrana akory.
Te-Hitolo-Batana Any Shina Indray Ilay Mpitolon'i Tiananmen Saingy Voatosi-Bohontanana
Nangataka ny ho aondrana any Shina Tanibe i Wu'er Kaxi rehefa nitolo-batana tanmin'ny governemanta tany Hong Kong. Saingy naverina tany Taiwan izy fotoana fohy taorian'izany.
Noho Ny Fitiavana Ny Baolina Kitra Sy I Bolivia

Amin'ny kolontsaina Boliviana rehetra dia ny " baolina kitra no nanampy betsaka ahy hampisy dikany ny fanananko kolontsaina roa sy firenena roa eo amin'ny fisiako," hoy i Eddie Avila.
Hong Kong: ‘Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny Vehivavy No Tsia ?’
Toy ny zavatra mandeha ho azy raha ny lehilahy no mitady sipa anaty aterneto ao Hong Kong, kanefa raha ny vehivavy no manao izany, dia midika ho fikorotanan-tsaina kosa ho an'ireo filazam-baovao mahazatra.
SARIPIKA: Hiram-pitiavana Ataon'ireo Mpianatra Kazakh Ho An'ny Filoha
Taorian'ny hetsika nanehoan'ireo mpianatra 3,000 fitiavana tamin'ny filohan'i Kazakhstan, nampitaha ny firenena amin'i Korea Avaratra ny mpiserasera.
GV Face: Dominikana 200.000 Taranaka Haisiana Nongotana Ny Zom-Pireneny

Afa-manaisora ny zo mahaolom-pirenena mihoatra ny 200.000 ve ny firenena iray? Amin'ity herinandro ity isika miresaka amin'ny mpikatroka avy any amin'ny Repoblika Dominikana sy Haiti.