Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

23 Novambra 2013

Tantara tamin'ny 23 Novambra 2013

Manokatra Lafin-tany Vaovao Ho An'ny Radio Los Inestables

Rising Voices

Mitohy hatrany ireo andianà atrikasa isaky ny herinandro ao amin'ny Hopitaly fitsaboana aretin-kozatra aman-tsaina "neuro-psychiatrique" ao Córdoba, Arzantina izay karakarain'ny Tetikasa Radio Los Inestables vatsin'ny Rising Voices vola. Indreto mpandray anjara sasany mizara ny fomba nianarany ny fampiasàna fitaovana vaovao sy ny teknikan'ny asa fanaovan-gazety an'olo-tsotra.

Raki-tsoratra Avy Amin'ny GVMeetup Ao Kairo

Rising Voices

Miarahaba an'i Kaire! Tamin'ny 16 Novambra no notontosainay tao amin'ny ivon-toerana "The Workshops" ao Maadi ny fihaonana "meetup". Niresaka momba ny Global Voices, teknolojia sy ny fiarahamonina izahay.

SARIPIKA: Tsinjaka sy Ankona Amin'ny Fiadian-Toerana Mondialy Ho Any Brezila

Raha nihinjakinjaka tanteraka i Alzeria, Côte d'Ivoire, Kamerona ary Frantsa, dia levona tanteraka niaraka tamin'ny kiririoka farany kosa ny fanantenan'i Burkina Faso, Senegal, Okraina ary Tonizia hitodi-doha ho any Brezila.