Manokatra Lafin-tany Vaovao Ho An'ny Radio Los Inestables

Audio podcasting workshop with Radio Los Inestables

Atrikasa fandefasam-peo mivantana miaraka amin'ny Radio Los Inestables

Mitohy hatrany ireo andianà atrikasa isa-kerinandro ao amin'ny Hopitaly fitsaboana aretin-kozatra aman-tsaina “neuro-psychiatrique” ao Córdoba, Arzantina izay karakarain'ny Tetikasa Radio Los Inestables vatsian'ny Rising Voices vola. Ho an'ireo mpandray anjara marobe, ny lohahevitra resahana amin'ny atrikasa dia loharanom-pampidirana lohahevitra vaovao mifandraika amin'ny fandaharana mivantana efa misy isaky ny herinandro ao amin'ny radio. Ankehitriny, afaka mitàna anjara toerana lehibebe kokoa amin'ny famokarana votoatim-peo ireo mpandray anjara, sy ny fikirakirana ny fitaovana fampiasa amin'ny radio. Tamin'ny mailaka vao haingana ho an'ny Rising Voices i Sol del Carpio, iray amin'ireo mpandrindra ny tetikasa, nanoratra hoe,

Los participantes de esta experiencia ya han logrado incorporar herramientas para el manejo básico de PC, han disfrutado de redes sociales, aprendieron a compartir sus spots de audio en distintos programas de internet, y ahora se encuentran aprendiendo a utilizar el equipamiento de la radio!

Efa nianatra sahady ny fomba fampiasana ireo fitaovana ilaina amin'ny fikirakirana solosaina sahady ireo mpandray anjara amin'ny tetikasa, toy ny fomba fampiasàna ny tambajotra sosialy, ny fomba fizarana (fanapariahana) ireo rakipeony ao amin'ireo sehatra samihafa ao amin'ny aterineto, ary ny fomba fikirakirana ny fampiasàna ny fitaovan'ny onjam-peo!

Nandrakitra izany fandraisam-peo nanangaonana ny hevitr'ireo mpandray anjara izany koa ny tetikasa, mpandray anjara izay nizara ny hevitr'izy ireo momba ny dikan'ny atrikasa niainan'izy ireo. Azonao vakiana amin'ny dika an-tsoratra ny feo renao:   

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.