Tantara tamin'ny 05 Oktobra 2013
Namoaka Valim-pikarohana Ara-tsiansa Ny Saodianina iray Mpitondra Fivavahana Hanehoany Hoe Maninona Ny Vehivavy No Tsy Tokony Hitondra Fiarakodia.
Tokony tsy hitondra fiarakodia ireo vehivavy any Arabia Saodita satria misy fiatraikany ratsy any amin'ny valahany sy ny fihary atodinaina izany hoy ny relijiozy iray. Aza ihomehezana.
Fitaovana an-tserasera Hijerena Indray Mitopy Maso Ireo Sehatry Ny Kandidà Eto Madagasikara
Nanangana tranonkalam-pampitahana ny programan'asan'ny kandidà tsirairay [fr-mg] ny tranonkala Malagasy Madatsara. Nosokajiana ho sokajy sivy lehibe hanampiana ny olom-pirenena hanana fanapaha-kevita mandritra ny fifidianana ila sehatra. Hanomboka amin'ny 25 oktobra...
Mitaky Ny Hampitsaharana Ny Fijaliana Ao Amin'ny Sisintanin'i Rafah i Gaza
"Lasa kivazivazy ny fahamendrehan'ny olombelona. Tsy misy dikany ny lalàna iraisam-pirenena kanefa avoaka ao anaty boky ny teny foana sy tsy misy heriny, hoy ny lahatsoratr'ilay mpianatra ao Gaza Shahd Abu Salama, izay mihitsoka ao amin'ny sisintanin'i Rafah. "
Fifaninanana Malalaka Momba ny Rindra An-tsehatra Mandritra Ny Fetiben'ny Filma Creative Commons ao Barranquilla
Manasa ireo mpamokatra efa za-draharaha sy vao manomboka avy amin'ny vazantany efatra manerana izao tontolo izao ny mpikarakara hamokarana rindra an-tsehatra nosoratana sy nivoaka ao amin'ny fahazoan-dalana Creative Commons.
Azia Atsimo Atsinanana: Lasa ny Didy Jadona, Mbola Mitoetra Kosa ny Fanivanana

Mbola henjana ny sivana any amin'ireo firenena maro ao Azia Atsimo Atsinanana na ao anaty aterineto izany na tsia, amin'ny alalan'ny fampiasana lalàna fanaovana didy jadona sy fampanarahan-dalàna henjana ny media.
GV Face : Hamily Fiara Ny Vehivavy Saodiana

Ao anatin'ity faran'ny herinandro ity ny famoahan'ny "GV Face" dia miresaka amin'ilay bilaogera monina ao Jeddah sady mpanoratra, Tamador Alyami, izay manohana ny fanentanana #Women2Drive - #VehivavyHamily. Niaraka taminay koa i Hadeel Mohammed, Saodiana mpanoratray monina ao Dammam ary Amira Al Hussaini mpamoaka ny lahatsoratray any MENA.
Tanàna Sinoa Iray Manasa Ireo Mpampiasa Aterineto Hitsara ny ‘Chinglish’-ny
Mba hisarihana vahiny maro hafa hiasa any Shenzhen, nanomboka hetsi-panentanana hanaisorana ireo tarehin-tsoratra diso dika ny tanàna.
Bilaogera Milaza Fa Hoesorina Ny Minisitry ny Raharaham-Bahiny Rosiana

Milaza i El-murid fa izany fiovana izany dia hirona ho any amin'ny fanekena ny tolo-kevitr'i Etazonia ao amin'ny Firenena Mikambana ny hanaovana bemidina ara-miaramila ao Syria