Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Namoaka Valim-pikarohana Ara-tsiansa Ny Saodianina iray Mpitondra Fivavahana Hanehoany Hoe Maninona Ny Vehivavy No Tsy Tokony Hitondra Fiarakodia.

"God did not say I can't drive," reads this sign posted on the We The Woman N7nu flickr account

“Andriamanitra tsy niteny hoe tsy afaka mamily fiarakodia aho” hoy ny vakin'ity famantàrana ity izay nalefa tao amin'ny kaontin'ny “We The Woman N7nu”

Any Arabia Saodita, ny vehivavy dia voarara tsy hitondra fiarakodia. Raha vehivavy maherin'ny 11,000 no miady amin'ilay fandrarana amin'ny alalan'ny fanangonan-tsonia, ity lehilahy iray manana fahendrena lehibe kosa dia tonga miaraka amin'ny fanazavana ara-tsiantifika hoe maninona amin'izao fotoana izao no tsaratsara kokoa ho an'ireo vehivavy ny tsy mamily fiarakodia. Ao anaty fanadihadiana iray niaraka tamin'ny gazety Saodianina Sabq ety anaty aterneto, Sheikh Saleh al-Lehaydan, izay mpanara-maso ara-pitsarana sy ara-psikolojika ao amin'ny  fikambanana “Gulf Psychological”, dia namoaka voka-pikarohana siantifika mikasika ny fiterahan'ny zanak'olombelona [ar].

وتابع: “إلى جانب أن المرأة إذا قادت السيارة لغير الضرورة – كما تقدم – قد يؤثر ذلك عكسياً على الناحية الفسيولوجية؛ فإن علم الطب الوظيفي الفسيولوجي قد درس هذه الناحية بأنه يؤثر تلقائياً على المبايض، ويؤثر على دفع الحوض إلى أعلى؛ لذلك نجد غالب اللاتي يقدن السيارات بشكل مستمر يأتي أطفالهن مصابين بنوع من الخلل الإكلينيكي المتفاوت لدرجات عدة”.

Nampiany hoe “anampiana izany, raha nitondra fiarakodia tsy amin'antony ny vehivavy dia mety hisy fiatraikany ratsy eo amin'ny toe-batany izany; nodinihana izany tany amin'ny siansan'ny toe-batana ary miantraika ho azy any amin'ny fihary atodinaina izany, miantraika amin'ny fivelaran'ny valahana, noho izany dia hitantsika  fa maro amin'ireo mitondra fiarakodia no miteraka zaza misy fahasembanana.”

Ny fanambaran'i Sheikh Lehaydan dia nifanaraka tsara: ireo vehivavy Saodianina mpikatroka mafàna fo dia manely ny 26 Oktobra ho andro iray hivoahan'ireo vehivavy hitondra fiara. Ny antso mafy ataony amin'ireo vehivavy mba “hiandry sy hihevitra ireo voka-dratsy” ny amin'ny fihfetsika mitera-doza tahaka izany dia manampy ireo ahiahy  nolazain'ireo teratany Saodianina sasany tonga saina.

Ireo izay mangataka ny amin'ny fitondran'ny vehivavy fiara ny 26 Okt dia ireo foko  izay nampinonoin'ny Tandrefana ary nanjary ngeza sy natavy tamin'ny fisotroana izany ronono izany. Ankehitriny manaraka ny Tandrefana izy ireo ary manandrana ny hanova ny fiarahamonintsika ho toy ny an'ny Amerikana.

Tsy ny ‘Foreign hands’ ihany, hira malaza be any amin'ny ilany Afovoany Atsinanana rehefa injay fanomezana vàhana ny tsy fanajana ny zon'olombelona no dradraina, no meloka amin'ny fikotrehana fanoherana mamoa-doza aminà fandraràna iray efa nisy hatramin'ny ela:

Asehoy ny fahalehibeazanao Andriamanitra o, mifanome tànana miara-miasa ny laika sy ny Shia hitaky ny familian'ireo vehivavy fiarakodia. Ity dia manaporofo fa hetsika voarafitra sy tohanan'ireo firenena hafa io.

Eman al-Nafjan dia nibitsika sary iray amin'izay ho fahapotehana ho avy eo:

Ireo Saodianina mpankahala vehivavy no nanao io peta-drindrina io hanehoana hoe ahoana ny fitondran'ny familian'ny vehivavy fiara mankany amin'ny kaominisma, zava-mahadomelina, fahalalahana (gaboraraka)… pic.twitter.com/xjBe44oObr

— Eman Al Nafjan (@Saudiwoman) 27 Septambra 2013

(Hoy ilay teny filamatra: “Tian'izy ireo hamily fiara ireo vehivavy mba hamiliana an-ramatoa.)

Tsy afaka nafenina ny vokatry ny fikarohan'i Sheikh al-Lehaydan. Fahombiazana no azon'ny tenifototra iray ao amin'ny Twitter #قيادة_المرأة_تؤثر_على_المبايض_والحوض, izay midika hoe “ny fitondran'ireo vehivavy fiara dia misy fiatraikany any amin'ny fihary atodinaina sy ny valahany” ary niparitaka be satia maro no naneho hevitra tamin'ny fahalalàna ara-tsiansa ananan'i al-Lehaydan.

Inona izany fomba fisainana ananantsika izany :/ Ny olona sasany efa nandeha tany amin'ny habakabaka fa ny anareo dia mandrara ny vehivavy tsy hitondra fiarakodia Adala kentrina #قيادة_المرأة_تؤثر_على_المبايض_والحوض

— Mido Katouah (@Mido_katouah) 28 Septambra 2013

Rehefa miaraka amin'ny finoanoam-poana ny hadalàna tany amin'ny fiangonana fahiny, dia io no zaza mahagaga natrak'izy ireo. #قيادة_المرأة_تؤثر_على_المبايض_والحوض

— Shamael Al-Sharikh (@Shamael3) 28 Septambra 2013

Rehefa ohatra izao dia azoko tsara hoe ny antony amonoan'ny olona tena يادة_المرأة_تؤثر_على_الم#بايض_والحوض

— #ياثورة _ما_تمت (@Ayasettawi) 28 Septambra 2013

Miangavy, mba hajao ny hevitray fa rehefa tsy tianareo hitondra fiara ihany izahay dia farafaharatsiny mba omeo ny antony marina mahatonga izany #قيادة_المرأة_تؤثر_على_المبايض_والحوض

— 7oor (@Owiwi_Hoor) 27 Septambra 2013

Tsy ny tsikera mivaivay sy ny hanihany mandratra fo avy amin'ireo vehivavy ihany no naterak'ireo fanambaràna ireo :

 Taorian'ny andrana ara-pahasalamana/psikolojika nandritra ny fotoana naharitra, dia hitan'ireo manampahaizana hoe maninona ireo vehivavy no tsy afaka mampaka toerana ny fiarany… noho ny fihary atodinainy. #قيادة_المرأة_تؤثر_على_المبايض_والحوض

— Mohammed AlMuharraqi (@MohdMuharraqi) 28 Septambra 2013

Inona ity? Niresaka tamin'ny dokoterako aho, ka hoy izy hoe “Inona ity karazana tsy fahalalana ity? Tsy misy ifandraisany amin'ny Fitsaboana mihintsy ireo petrakevitra ireo, na dia kely aza!”

Hadalam-paty no ambaran'ireo Saodiana mpitondra fivavahana #NotNews

— Ahmed Al Omran (@ahmed) 27 Septambra 2013

Richard Dawkins, siantifika fanta-daza sy mpitsikera mavitrika ny ara-pinoana, dia nandinika hoe:

Fa maninona no tsy afaka mamily fiarakodia ireo vehivavy Saodianina? Manimba ny fihary atodinaina sy ny valahin'izy ireo izany. http://t.co/r1BnHWrLDC Ah HITAKO, tsy resa-pinoana izany fa SIANSA.

— Richard Dawkins (@RichardDawkins) 28 Septambra 2013

Izay nanaovan'ilay mpibitsika @Seeektrooof fanehoankevitra heo :

@RichardDawkins Izany no ahazoan'izy ireo izany. pic.twitter.com/rWrxPQ2FkI

— Truth Seeker (@Seeektrooof) 28 Septambra 2013

Esorintsika ireo hanihany mandratra fo, ady efa hatry ny ela ny fiadiana amin'ilay fandrarana ny familiana fiarakodia any Arabia Saodita. Raha zohina, ny tsy hetsi-panoherana voalohany an'ilay fandrarana dia nitranga tamin'ny Novambra 1990 rehefa nitondra fiarakodia namakivaky an'i Riyadh renivohitra ny vehivavy miisa 47. Tsy nosamborina fotsiny izy ireo, fa maro ihany koa ireo nosaziana mafy ka noraràna tsy hivezivezy ary natsahatra tamin'ny asany. Ny volana Mey 2011 no fotoana tena nanamarika ny fihetsiketsehana fanoherana ny fandrarana ny vehivavy tsy hitondra fiara tao anatin'ny Fanjakana, taorian'ny fisamborana an'i Manal al-Sharif, izay mpitolona, noho ny nandefasany tao amin'ny YouTube ny horonantsary iray nahitàna azy mitondra fiara. Nogadraina mihoatra ny herinandro izy io, ary lasa olona mahery fo no nandraisan'ireo vehivavy maro azy, na tao Arabia Saodita, na tany amin'ny faritra Afovoany Atsinanana. Tany amin'ny volana Jona 2011, nanaraka ny ohatra nomen'i Manal al-Sharif daholo ireo vehivavy Saodianina rehetra manerana ny Fanjakana ka nandray anjara tamin'ilay fanentanana “Women2Drive” tamin'ny alalan'ny fitondrana fiarakodia namakivaky ny làlana maro.

Raha ny marina, dia tsy voasoratra na aiza na aiza ao anaty lalàn'ny Fanjakana ny fandraràna ireo vehivavy amin'ny familiana fiarakodia. Fanampin'izany, ny mpitondra ara-pivavahana tao Arabia Saodita dia niteny ihany koa hoe “ny sharia Islamika dia tsy ahitana lahatsoratra mandràra ny familiana fiarakodia ho an'ireo vehivavy “, manamafy izany, nanomboka tamin'ny nanendrena azy ho filohan'ny Komitin'ny Fampiroboroboana nySoatoavina sy ny Fisorohana ny Ratsy, ny mpitandro filaminana ara-panahy dia tsy afaka nanenjika na nanjanona vehivavy mitondra fiarakodia. Noho izany dia mifototra tanteraka amin'ireo fomba fanao mifikitra amin'ny netin-drazana ao amin'ny firenena ilay fandraràna.

Nanomboka tamin'izay dia nihamafy ny fihetsiketsehana hiadiana amin'ilay fandraràna an-terisetra ary nitombo ireo fihetsika tsy manaraka baiko ataon'ireo olon-tsotra. Miaraka amin'ireo fipetraka sahisahy noraisiny any amin'ny haino aman-jery malaza any Arabia Saodita, ilay fanentanana ho an'ny 26 Oktobra dia nahita fanohanana be dia be avy amin'ireo olom-pirenena maro. Ilay olo-miavaka, Madeha Al-Ajroush, izay nitondra fiarakodia tamin'ny taona 1990 sy tamin'ny volana Jona 2011 dia niteny hoe:

Eny, mbola hitondra fiarakodia ahoamin'ny 26 Oktobra #قيادة_26اكتوبر

— madeha al ajroush (@madehaAlajrous) 21 Septambra 2013

Mampiasa ny tenifototra Twitter #أنا_رجل_مؤيد (“Lehilahy manohana aho”), manomboka maneho ny fanohanany ampahibemaso ihany koa ireo lehilahy:

[#أنا_رجل_مؤيد] Lehilahy manohana ny familiana fiara hataon'ny vehivavy ny 26 Oktobra aho. [#أنا_رجل_مؤيد] Bitsika ampiasàna sary.

— منال مسعود الشريف (@manal_alsharif) 27 Septambra 2013

#أنا_رجل_مؤيد #قيادة_26اكتوبر #غرد_بصورة pic.twitter.com/PWGOipPV2m

— منال مسعود الشريف (@manal_alsharif) 27 Septambra 2013

Mivaky toy izao [ar] ny teny lanjain'ilay ranamana :

“Leo manao asan'nymampily ho an'ireo anabaviko enina aho.”

Araka ny nametrahan'i Manal al-Sharif azy fony nahazo fankasitrahana tamin'ny “creative dissent” (fanoherana mitondra zava-baovao) tany amin'ilay Fihaonambe momba ny Fahalalahana tany Oslo: “Manomboka amin'ny erika iray ny orana”. Toy ny hoe ny lanitra iray manontolo ao Arabia Saodita no sembanan-drahona.

Leila Nachawati no nanome ity ampahany ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.