Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

17 Jona 2013

Tantara tamin'ny 17 Jona 2013

Brezila: Diabe ho an'ny Fandriampahalemana Notanterahan'ny Tanora tao Fortaleza

An-jatony ireo olona nanao diabe nanerana ny araben'i Canindezinho ao Fortaleza [tanàna faharoa ao avaratr'i Brezila] nandritra ilay fidinana an-dalambe ho an'ny fandriampahalemana, entina indrindra hiampangana ireo famonoan'olona eo anivon'ny tanora, ka noraisina ny fepetra tsy hampisy izany intsony sy hanondroana ny fahalemen'ireo foto-drafitr'asa ao an-toerana fantatra amin'ny anarana hoe...

Maraoka : Qandisha, ilay “Magazwine” Manelingelina

Monina any Casablanca i Fedoua Miski ary namoaka gazety-boky an-tserasera vaovao ho an'ny vehivavy, Maraokana na tsia, antsoina hoe Qandisha, herintaona sy tapany lasa izay. Ity ny tafatafa nifanaovana tamin'ny mpanorina ity "Magzwine" feminista ao Maraoka ity.

Trinidad & Tobago : Izay Mety No Ataovy

Na ahoana na ahoana no tianao hamaritana azy - ny foto-kevitra, ny fitsipika moraly, ny toetra - no mamehy ny fitsipi-pitondrantena amin'ny fanaovana izay mety. Miaraka amin'ny fitsingidingidinan'i Trinidad sy Tobago ho any amin'ny laharana faha-80 amin'ny Fandaharan'ny Transparency International tamin'ny taona 2012 mikasika ny Fomba fahitàny ny Kolikoly, bilaogera...

SARIPIKA: Anjatony Manohitra Ny Saran'ny Bus Nosamborina Tao Brezila

Nifanehatra tamin'ny famoretan'ny polisy tamin'ny endrika ranona dipoavatra atsifitra, bala fingotra ary baomba mandatsa-dranomaso ny fihetsiketsehana fahaefatry ny Hetsika ho amin'ny Sara malalaka, izay notontosaina tamin'ny alakamisy 13 jona tao São Paulo. Araka ny vaovao farany dia olona 235 farafahakeliny no voasambotra nandritra ny fihetsiketseha-panoherana.

SARY: ‘Varavaran-kely Mitodika Any Paraguay Ho An'Izao Tontolo Izao ‘

Mandrakotra lohahevitra samihafa ny mpaka sary Paragoayana Tetsu Espósito sy Elton Núñez ao amin'ny bilaogy Yluux, amin'ny alalan'ny sarin'ny natiora, fomba fanao ara-pivavahana, hetsika ara-panatanjahanten'ny atleta, mozika, fizahantany, ary mihoatra izay koa aza.