SARY: ‘Varavaran-kely Mitodika Any Paraguay Ho An'Izao Tontolo Izao ‘

Nitantara ny karazana toerana sy ny olona izay mandrafitra an'i  Paragoay ny mpaka sary Tetsu Espósito sy Elton Núñez amin'ny alalan'ny bilaogin-tsarin-dry zareo Yluux [es].

Manazava [es] ny hevitra ambadiky ny bilaogy sy ny anarany toy izao manaraka izao izy ireo:

En nuestro pequeño pero bello Paraguay vivimos rodeados de imágenes impactantes y dignas de capturar, hermosos lugares por descubrir nos esperan en todo su territorio. Hacerlo conocer a traves de las historias que podamos llegar a contar con nuestras imágenes es la idea central en el nacimiento de“Yluux” vocablo de origen étnico “aché” que engloba el significado de la naturaleza.

Voahodidina sary izay tena mahafinaritra sy manan-karena mendrika alaina ny fiainanay ato amin'ity Paragoay-nay kely fa mahafinaritra ity, toerana tsara tokony ho zahàna no miandry antsika manerana ny taniny. Ho fampahafantarana izany amin'ny alalan'ny tantara lazainay amin'ny alalan'ny sary no hevitra fototra nahatonga ny “Yluux“, tenim-paritra “Ache” izay mampiditra ny dikan'ny hoe natiora.

Team Yluux: Photographers Tetsu Espósito and Elton Núñez (Photo by Javier Valdez)

Ekipa Yluux: Tetsu Espósito sy Elton Núñez, Mpaka sary (Sary nalain'i Javier Valdez)

Mandrakotra lohahevitra samihafa ny Yluux amin'ny alalan'ny sarin'ny natiora [es], fomba fanao ara-pivavahana [es], hetsika ara-panatanjahanten'ny atleta [es], mozika [es], fizahantany [es], ary mihoatra izay koa [es].

The Paraguayan flag. Photo by Tetsu Espósito

Ny sainam-pirenena Paragoay. Sary nalain'i Tetsu Espósito

Teo ambany Fahazoan-dalana Creative Commons ny sary avoaka ao amin'ny Yluux, izay manome alalana ny rehetra hizara ny sary tsy natao hamidy, raha toa ka [es] mbola miverina amin'ny tompony ny asa ary mifandrohy foana amin'ny Yluux.

Franciscan sister attending a Via Crucis held in the cathedral of Ciudad del Este, Paraguay. Photo by Elton Núñez

Masera Fransiskana manatrika ny Via Crucis natao tao amin'ny Katedralin'ny Ciudad del Este, Paragoay. Sary nalain'i Elton Núñez

César Cataldo directing a 400 harp orchestra concert commemorating Asunción's 475 anniversary. Photo by Tetsu Espósito

César Cataldo mitarika ny kaonseritra ahitàna harpa 400 ho fahatsiarovana ny tsingerintaonan'ny faha 475-n'ny Asunción. Sary nalain'i Tetsu Espósito

Nizara sarin'ny fiainana andavananandro any Paragoay miisa 37 i Espósito sy Núñez ao amin'ny lahatsoratra [es] nivoaka vao haingana:

Día a día somos bombardeados por millones de imágenes del ambiente que nos rodea, muchas de éstas fotografías narran escenas de vida cotidiana en distintos lugares de Paraguay, su gente, sus tradiciones, su cultura, sus paisajes, lugares olvidados.

Voadaroka baomban-tsary an-tapitrisany mikasika ny tontolo iainana manodidina antsika isika isan'andro. Maro amin'ireo sary ireo no mitantara ny endriky ny fiainana andavanandro amin'ny faritra maro eto Paragoay, ny olony, ny fomba amam-panaony, ny kolontsainy, ny zava-boahary manodidina, ireo toerana adino.

Four friends enjoy the view from the top of Cerro Akatí in the Guairá department in Paraguay. Photo by Elton Núñez

Mpinamana efatra mankamamy ny tazan-davitra avy amin'ny tendron'ny Cerro Akatí any amin'ny departemanta Guairá any Paragoay. Sary nalain'i Elton Núñez

Man rides his bicycle to work in Volendam, Paraguay. Photo by Tetsu Espósito

Lehilahy mitondra bisikileta handeha hiasa any Volendam, Paragoay. Sary nalain'i Tetsu Espósito

Nanamarika ny telo taona nahaterahan'ny Yluux ny volana Aprily 2013. Manoratra toy izao ny mpaka sary ao amin'ny lahatsoratra [es] fahatsiarovana ny tsingerin-taonany farany:

Sin habérnoslo propuesto, Yluux se convirtió con estas 54 entregas en una ventana de Paraguay para el mundo, y gracias a nuestro blog muchos paraguayos y extranjeros pueden vivenciar y conocer todo lo bello que tiene el país para mostrar y ofrecer. En el 2011 año del Bicentenario, muchos compatriotas residentes en el exterior pudieron vivir las celebraciones a través de nuestras imágenes.

Raha tsotsorina, nanjary varavaran-kely mitodika any Paragoay ijeren'izao tontolo izao azy ny Yluux miaraka amin'ireo lahatsoratra 54, ary tamin'ny alalan'ny bilaoginay, maro tamin'ireo Paragoayana sy ireo vahiny no afaka niaina sy nahita ireo zavatra tsara ananan'ny firenena sy azony atolotra. Tamin'ny 2011, taonan'ny Bicentennial [200 taona hatramin'ny nahazon'i Paragoay ny fahaleovantena], maro ny Paragoayana mipetraka any ivelany no afaka niaina ny fankalazana tamin'ny alalan'ny sarinay.

2011 Bicentennial celebrations in Asunción, Paraguay. Photo by Elton Núñez.

Fankalazana ny Bicentennial 2011 tany Asunción, Paragoay. Sary nalain'i Elton Núñez.

Bull fight called "Torín", where the bull is not killed. San Pedro department in Paraguay. Photo by Elton Núñez by

Tolon'omby antsoina hoe “Torín”, toerana tsy amonoana ny omby. Departemantan'i San Pedro any Paragoay. Sary nalain'i Elton Núñez

Voahosotra anarana ho iray tamin'ireo bilaogy Paragoayana 10 sangany ny Yluux tamin'ny 2010 tanatin'ny fifaninanana nokarakarain'ny Ultimahora.com; Yluux no nahazo [es] ny Bilaogy Paragoayana Tsara Indrindra ny Yluux tamin'ny 2011 tamin'io fifaninanana io ihany, araka ny hazavain'ny lahatsoratra:

En el 2010 salimos entre los mejores 10 blogs del año y el 2011 nos recibió como el mejor blog del año, motivo de grande orgullo. Felices por haber llegado hasta aquí después de todas las aventuras que nos han llevado a recorrer Paraguay, nos ponemos seguir trayéndoles imágenes e historias. .

Ahora nos encontramos abocados en las estapas finales de nuestro libro, que esperamos pueda lanzarse muy pronto.

Tafidintra ho isan'ny bilaogy 10 tsara nandritra taona izahay tamin'ny 2010 ary voahosotra ho bilaogy tsara indrindra nandritra ny taona tamin'ny 2011, zavatra tena nampirehareha anay mihitsy. Faly izahay lasa lavitra taorian'ny ady sarotra izay nodiavinay nanerana an'i Paragoay, hotohizanay foana ny hitondra sary sy tantara ho anao.

Ankehitriny izahay efa mifantoka amin'ny zana-tohatra farany amin'ny bokinay, izay heverinay havoaka tsy ho ela.

A girl in a procession in San Ignacio, Paraguay. Photo by Tetsu Espósito

Tovovavy manao ‘procession’ (diabe fanaon'ny mpino) tany San Ignacio, Paragoay. Sary nalain'i Tetsu Espósito

Ovecha Rague festival in San Miguel, Paraguay. Photo by Elton Núñez

Fetin'ny Ovecha Rague any San Miguel, Paragoay. Sary nalain'i Elton Núñez

Afaka manindry ny sary eo amin'ny lahatsoratr'izy ireo [es] farany ianao, raha te-hijery ireo lahatsary izay navoakan'i Espósito sy Núñez nandritra ny telo taona lasa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.