Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

14 Avrily 2013

Tantara tamin'ny 14 Avrily 2013

Tohin

Voalohany Amin'ny Mpisera Anaty Aterineto Ao Rosia Hiatrika Fitsaràna

Pussy Riot, eat your heart out. Later this week, Russia’s most polarizing blogger, Alexey Navalny, will stand trial for embezzling roughly half a million dollars from a state-owned timber company in the city of Kirov. In a country constantly plagued by politicized legal proceedings, prosecuting the nation’s most prominent netizen promises fireworks. Pussy Riot, sokafy ny sofina. Aoriana kely amin'ity herinandro ity, ny Alarobia 17 Aprily 2013, ny bilaogera malaza indrindra ao Rosia, Alexey Navalny dia hiatrika fitsaràna noho ny resaka fanodinkodinana vola efa ho antsasaka tapitrisa dolara tao aminà orinasam-panjakana iray momba ny ala ao an-tanànan'i Kirov. Anatinà firenena iray voapentin'ny politika hatrany ny raharaham-pitsaràna, azo antoka fa hitondra pitik'afo tokoa ny fanenjehana ilay mpisera anaty aterineto faran'izay malaza ao amin'ny firenena.

Tohin

Bhutan Mizotra Ho Any Amin'ny Voajanahary Manontolo

  14 Avrily 2013

Ny Fanjakan'i Bhutan Himalayan, diso fantatra loatra amin'ilay "Gross National Happiness" , na maridrefin'ny hasambarana, nasolony ny hoe Harin-karena Faobe, dia nametraka ho tanjony ny fanatratrarana ny toeran'ny firenena voalohany eto an-tany mitodika manontolo amin'ny voajanahary.

Tohin

Miteny Hentitra Ny Vehivavy Tiorka: Vatako, Fanapahan-kevitro

sinjo sahady fa mbola be ny làlana hodiavin-dry zareo sy ny ady ho atrehany mandra-pahatongan'ny hoe azy ireo 100% ny fanapahan-kevitra ny amin'izy hanaovany ny vatany na ny fiainany. Ambaran'i Baran Mavzer amintsika ny antony mahatonga ny adin'ireo vehivavy Tiorka ho mbola henjana, mba hahazoany sy hitehirizany ny zony araka ny lalàna sy ny maha-olona, na dia tsara toerana kokoa aza ry zareo miohatra amin'ireo marobe any amin'ny tontolo Silamo.

Tohin

Azia Atsimo-Atsinanana: Fihetseham-po Manoloana Ny Fahafatesan'i Margaret Thatcher

  14 Avrily 2013

Ahitana fandinihana tsara momba ny  ny sombiny amin'ireo fihetseham-po manerana an'i Azia Atsimo-Atsinanana mikasika ny fahafatesan'ny praiminisitra Britanika Margaret Thatcher. Namoy ny ainy tamin'ny 8 Aprily 2013 teo amin'ny faha-87 taonany i Thatcher noho ny AVC (fijanonan'ny fitempon'ny fo tampoka), vehivavy Britanika mpitarika voalohany sy vehivavy voalohany nitantana firenena lehibe matanjaka...

Tohin

Venezoela: Miomana Amin'ny Fifidianana Atao Amin'ny Alahady ny Fikambanana Tsy Miankina Ho Amin'ny Mangarahara

  14 Avrily 2013

Tao anatin'ny enim-bolana izao dia handeha handatsa-bato fanindroany ireo Venezoeliana. Hifidy izay handimby ny filoha teo aloha Hugo Chavez izy ireo, izay namoy ny ainy tamin'ny volana Marsa teo. Somary mikorontana ny tontolo politika ao amin'ny firenena fa tsy tahaka ny fifidianana tamin'ny volana Oktobra, na dia izany aza, afaka nivondrona ireo fikambanana tsy miankina (ONG) mba hiasa...

Tohin

Tempoly Bodista Fahagola Kasain'i Shina Hosolaina Tanteraka

  14 Avrily 2013

Ny manampahefana Shinoa ao an-toerana, ho fitsinjovana ny sombin'ny lalan'ny lasoà manan-tantara, no nibaiko ny fandravana toerana manan-tantara iray hafa mijoro amin'izany lalana izany. Ny tempolin'i Xingjiao ao Xi'an, izay mitahiry ny sisan'ny moanina bodista niaina tamin'ny taonjato faha-7 Xuan Zang, no hanaovana fandravana amin'ny ampahany mba hanomezan-toerana ny zava-maitso...