Voalohany Amin'ny Mpisera Anaty Aterineto Ao Rosia Hiatrika Fitsaràna

Pussy Riot, sokafy ny sofina. Aoriana kely amin'ity herinandro ity, ny Alarobia 17 Aprily 2013, ny bilaogera malaza indrindra ao Rosia, Alexey Navalny (mazana tondroina ho fanantenana goavana ho an'ny mpanohitra amin'ny fifidianana, raha toa ka hisy tokoa izany), dia hiatrika fitsaràna noho ny resaka fanodinkodinana vola efa ho antsasaka tapitrisa dolara tao aminà orinasam-panjakana iray momba ny ala ao an-tanànan'i Kirov, toeram-ponenan'olona maro miohatra amin'ny dolara be nambara ho nangalarin'i Navalny. Anatinà firenena iray voapentin'ny politika hatrany ny raharaham-pitsaràna, azo antoka fa hitondra pitik'afo tokoa ny fanenjehana ilay mpisera anaty aterineto faran'izay malaza ao amin'ny firenena.

Toerana iray efa tsy vaovao intsony amin'ny tantara ratsy any anaty trano fitsaràna i Rosia. Tamin'ny Aogositra, ny Pussy Riot no mety nametraka ny fenitra vaovaon'ny tantara ratsy maneran-tany, saingy ny fitsaràna natao an'ireo tompomenakely, olombitsy teo aloha, Mikhail Khodorkovsky sy Platon Lebedev tamin'ny 2004 sy 2010, hatramin'ny “famonoana ara-pitsarana” an'i Sergei Magnitsky mpiara-miasa amin'ilay mpandraharahan'ny banky, William Browder  tamin'ny 2009, dia samy nanaratsy ny endrik'i Rosia daholo na tao anatiny na tany ivelany, efa ho folo taona izao. Raha tsy hilaza afa-tsy ireo fitsaràna mitalakotroka hahazo an'ireo “Bolotnoe Delo” voarohirohy efa ho roapolo mahery (heverina ho tafiditra tamin'ny fikotrehana asa fanaovana herisetra amin'ireo polisy mpandrava korontana tamin'ny hetsi-bahoaka iray ny 6 May tamin'ny taona). Ny antsasa-manila amin'ireo olona ireo no lò amin'ny fitànana am-ponja vonjimaika efa ho am-bolana maro. Ny hafa tsara vintna tsy naiditra am-ponja, saingy izy ireo koa dia miandry ny androm-pitsaràna azy. Ilay lehilahy nofosana  Maxim Luzianin dia efa voasazy [ru] sahady higadra efatra taona an-tranomaizina.

Alexey Navalny at a Moscow protest, 26 May 2012, photo by MItya Aleshkovskiy, CC 3.0.

Alexey Navalny taminà hetsi-panoherana tao Moskot, 26 May 2012, sary avy amin'i MItya Aleshkovskiy, CC 3.0.

Namorona tranonkala ireo mpikatroka mafàna fo, 6may.org, mba hanapariahana ny fanentanana mikasika ny fanadihadiana izay mbola mitohy hatrizao, izay mamoaka tsy mitsahatra ireo fampitam-baovao ho fanohanana ireo voampanga tsirairay, ary ho fandrisihana ny olona hanolotra vola [ru] handoavana ny fiarovana azy ireo araka ny lalàna sy ny fanentanana ho an'ny daholobe. Ny tetikasa manokan'i Navalny “Gadra Politika”, rosuznik.org, koa dia nanangona vola avy amin'ny vahoaka ho an'ireo voampanga amin'ny raharaha Bolotnoe Delo, ankoatra ny maro hafa.

Tohana toy inona avy amin'ireo mpisera amin'ny aterineto, hafa ankoatra ireo nobeaziny avy ao amin'ny RosPil izay azy, no azon'i Navalny ianteherana, raha toa ka izy tenany aza ho voahidy anaty fefy vy aorian'ny fitsaròna azy ao Kirov?

Amin'ny fotoana anoratako azy ity, mpampiasa dimanjato katroka ny Facebook no efa nampanantena hanatrika ny fihetsiketsehana [ru] iray hatao eo ivelan'ny Kianja Novopushkinsky ao Mosko, voalahatra ho amin'ny andro anombohan'ny fitsaràna an'i Navalny ao Kirov. Ilay famoriam-bahaka—izay mbola miandry rahateo ny fanomezan-dàlan'ireo manampahefan'ny tanàna— dia karakarain'ny “Federasionan'ny Olom-pirenena,” hetsika iray mifamattra [ru] amin'i Mikhail Prokhorov, oligarka mirona amin'ny mpanohitra,sy ireo mpikatroka mafàna fo momba ny zon'olombelona toa an'i Lev Ponomarev.

Ny faritra natao ho an'ny fanehoankevitra ao amin'izany hetsika Facebook izany dia manasongadina ny fifangaroan'ireo tohana matotra sy ireo fanadrohadroana manala azy ety anaty aterineto. Sergei Valuev, ohatra, dia manoratra hoe :

Я не поддерживаю Навального, потому что ему не верю

Tsy manohana an'i NAvalny aho satria tsy mino azy.

Ilya Barsukov manambara hoe :

Наваленный такой же вор как и правящая псевдо элита! Стране нужен настоящий лидер- оппозиционер, но я такого пока не вижу. И видимо не увижу, т. К. Путин в своем деле профессионал

Karazany toy ireo sangany mpangalatra ao anaty fitondràna ihany i Navalny! Mila mpanohitra tena mpitarika ny firenena, saingy tsy mahita olona tahaka izany aho na iray aza. Ary raha ny fahitàna azy dia tsy hahita mihitsy aho, satria toa matianina i Putin [amin'ny fanilihany mpifaninana hivoaka ny fifanintsanana]

Mandritra izany, Igor Bakirov,  mpanorina ny vondrona dia miezaka ny mifantoka amin'ny hafatra hoe :

Друзья, реально нужно чтобы на митинг пришло много много людей, приглашайте своих друзей и друзей своих друзей

Ry namana, tena mikla olona maro dia maro izahay ho tonga amin'ilay famoriam-bahoaka. Asao ny namanao ary ny naman'ny namanao !

Any ho any ao amin'ny Facebook, Alexandra Astakhova, mpanao gazety dia nanangana vondrona iray [ru] mitondra anarana hoe “The Case Against Navalny Is a Case Against Us All!” (Ny Raharaha Amelezana An'i Navalny Dia Raharaha Amelezana Antsika Rehetra). Ny fampahafantarana manokana ilay vondrona dia manomboka amin'ireto teny fihantsiana ireto :

Эта группа объединяет тех, кто понимает: уголовные дела, сфабрикованные против Алексея Навального, направлены против всех нас. Шаг за шагом преступный режим, опьяненный безнаказанностью, делает жизнь в нашей стране невыносимой, шаг за шагом подбирается к нам, к нашим друзьям.

Ity vondrona ity dia ivondronan'ireo izay mahatsapa fa ny raharaha heloka bevava noforonina hamelezana an'i Alexey Navalny dia mitodika amintsika rehetra. Tsikelikely, io fintondrana mpanao heloka bevava io—mamon'ny tsimatimanota— dia mamadika ny fiainana eto amin'ny firenentsika ho tsy hay zakaina. Tsikelikely, hanakenda antsika io, sy ny namantsika.

Ankehitriny ny vondron'i Astakhova  (misokatra ho an'ny daholobe)  dia manana mpikambana [ru] maherin'ny 1.660 , ahitàna mpikambana maro manana ny maha-izy azy, na Rosiana na vahiny, avy amin'ny holafitry ny fanaovana gazety ao Mosko (sy mpikatroka mafàna fo vitsivitsy), toa an-dry: Miriam Elder avy amin'ny The Guardian, Tikhon Dzyadko avy amin'ny Ekho Moskvy, ilay mpikatroka mafàna fo Ilya Yashin, ilay mpanao sariitatra Viktor Shenderovich, Ilya Barabanov avy amin'ny The New Times , ilay mpikatroka mafàna fo Olga Romanova, Tonia Samsonova avy amin'ny Slon.ru , Simon Kruse avy amin'ny Berlingske , Yevgenia Albats avy amin'ny The New Times, Aleksandr Ryklin avy amin'ny EJ.ru, ary Ksenia Larina avy amin'ny Ekho Moskvy —raha tsy hitanisa afa-tsy vitsivitsy.

Screen capture from Oleg Kalman's LiveJournal instructions for "becoming Navalny's secret agent," 13 April 2013.

Dikasary avy amin'ny torolàlana tao amin'ny Livejournal an'i  Oleg Kalman momba ny “hahatonga anao ho mpitsikilon'i  Navalny,” 13 April 2013.

Tanaty fanentanana iray atao an-tsary nalaina tahaka avy amin'ilay tranonkala manohitra ny homofôbia, loveislegal.ru (fikambanana iray izay mety ho nosorohan'i Navalny sy ny tariny angamba ny hifangaro aminy) ireo mpanohana an'i Navalnydia efa nanomboka namoaka sarin-dry [ru] zareo milanja sorabaventy mivaky hoe, “Ny raharaha mahazo an'i Navalny dia raharaha iray mahazo ahy!” Oleg Kalman, naman'i Astakhova ao amin'ny gazety Vedomosti, dia nandrisika [ru] tahaka izany ireo Rosiana mba hirotsaka ho “lasa mpitsikilon'i Navalny”  ary nanoratra ny anaran'i Navalny tamin'ny alalan'ny loko atsifotra eny amin'ny tara isak'izay afaka anaovany izany. (Kalman manindry fa ara-dalàna izany, raka izay ela vitan'ireo olona handokoana ny tany, na dia manoro hevitra ny olona ihany koa aza izy hanao izany amin'ny alina, rehefa ilay tsy misy olona mijery iny.) “Tsy fanimbam-panànana izany, tsy manimba fanana'iza na iza ianao, sady hovoafafa ho azy ny soratra afaka roa volana eo,” hoy izy nanome toky ireo mpamakiny.

Toy ny efa vonona hiatrika ady izany ireo Rosiana mpisera anaty aterineto—na farafaharatsiny ireo faran'izay mavitrika ao Mosko. Handingana ny faritry ny taraina va re ny hetsi-panoheran'izy ireo sa hiteraka onjan-korontna ara-tsosialy vaovao iray indray? Vonona ny hibaby ny vokatry ny raharaha Navalny ve ny Rosiana? Sa hiaritra ny hirifirin'ny halemen'ny “gadra politika” iray indray? Samy eo ambony mizàna, na ny fiadànan'ireo olona marobe, na ny fahamasinan'ny rarivaton'i Mosko.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.