23 Janoary 2013

Tantara tamin'ny 23 Janoary 2013

Jamaika: Ho Avy Ny Tafiotran-Trosa?

  23 Janoary 2013

Somary nanindrona ihany ny tontolon'ny bilaogy Jamaikana, hatramin'ny namoahan'ny Chicago Tribune lahatsoratra iray tamin'ny 08 Janoary 2013 izay mampitaha ny toe-bolan'i Jamaika sy Gresy, firenena izay heverin'ny sasany fa ny marefo indrindra ara-toe-karena eto amin'izao tontolo izao.

Bibliotaptap Manampy Ny Haitiana Hiatrika Ny Horohorontany Lehibe.

  23 Janoary 2013

Manampy ny Haitiana amin'ny fiatrehana ny loza nateraky ny horohorontany tamin'ny 2010 ny famakiam-boky aminà fiara, amin'ny fanovozana haren-tsaina, fialam-boly ary fanampiana amin'ny resaka ilaina toy ny fahasalamana. Mihevitra ny hanampy famakiam-boky aminà fiara roa hafa ilay vondrona amin'ny Martsa 2013 mba hivezivezy any amin'ny toerana tena voa mafy any Port-au-Prince, renivohitr'i Haiti. Mitombo amin'ny alàlan'ny famakiam-boky ny fahalalàna any amin'ireny toerana misy tsy fifankahazoana na loza voajanahary ireny.

Richard Blanco: Poeta Latina Voalohany Tamin'ny Fianianan'ny Filoha Amerikana

  23 Janoary 2013

[Amin'ny teny anglisy avokoa ny rohy amin'ity lahatsoratra ity] Nankinin’ny filohan'i Etazonia, Barack Obama tamin'ilay poeta Richard Blanco (@rblancopoet), zanaka lahinà kiobàna mpifindra monina ny fanoratana ny tononkalo tamin'ny fianianana nataony. Izy no poeta Latina, mpiteny espaniola ary “gay” (pelaka) voalohany nahazo izany voninahitra izany. Araka ny filazan'ny lahatsoratra tao amin'ny New York Times, mahatsiaro «...

“Ny fanjaitra” Tantara Iray Hafa Mikasika Ny Vondrom-piarahamonin'ireo Nanova Taovam-pananahana Any Porto Rikò

  23 Janoary 2013

Matetika amin'ny alina no mivenjivenjy manao ny asany eny amin'ny sisin-dalan'ny tanan-dehiben'i San Juan, ireo mpikambana avy amin'ny vondrompiarahamonin'ireo 'trans' (olona nanova taovam-pananahana) ao amin'ny faritr'i Santurce avy any Porto Riko.“Ny fanjaitra”, fanadihadiana iray vaovao tarihin'ilay mpamokatra horonantsary iray avy eo an-toerana antsoina hoe Carmen Oquendo-Villar, izay tsy miompana loatra amin'ny zava-mitranga eny an-dalana; fa mifantoka kosa amin'ny endrika ambadiky ny sehatra dia ny hatsaran'ny asa hita eny an-dalana izay ametrahan'ireo mpiasan'ny sisin-dalana fitokisana.

Sri Lanka: Fihetseham-po Mikasika Ny Fanonganana Ny Filohan'ny Fitsarana Tampony

  23 Janoary 2013

Ny fanonganana ny filohan'ny Fitsarana faha-43 ao Sri Lanka, Dr Shirani Bandaranayake no ambetin-dresaka manerana ny firenena. Mpianatra ambony teny amin'ny anjerimanontolo i Bandaranayake, ny tsy fananany traikefa eo amin'ny sehatry ny fitsarana no nahatonga ireo fihetsiketsehana marobe nataon'ireo mpisolovava sy mpitsara tamin'ny fanendrena azy tamin'ny taona 2011. Ny fanararaota-pahefana sy ny...

Niteraka Hatezerana Ny Daroka Vehivavy Nataon'Ireo Polisy Bahrainita

Nihevitra  i Bahrain fa mandry fahalemana ihany mba hahafahany manatontosa hetsika ara-panatanjahatena rezionaly, kanefa notafiihan'ireo lehilahy mpiambina ny vehiivavy iray mpanao fihetsiketsehana tao Manama, afovoan'ny renivohitra. Tamin'ny volana Jolay farany teo, navotsotra tany am-ponja i Zahra Al-Shaikh rehefa notànana sy nampijaliana. Nilaza izy, taminà resadresaka niarahana taminà mpanao gazety Bahrainita mialokaloka any Lamees Dhaif...

Mpampanoa Lalàna Mikaroka Izay Hikaravasiana Mafy Ireo Vehivavy Saodiana Manao Hetsi-panoherana

Ny Asabotsy 05 Janoary lasa teo, ny fianakavian'ireo voafonja tsy mbola voaheloka dia nahavita nikarakara hetsi-panoherana kely tao an-tananan'i Buraida, Arabia Saodita ho fangatahana ny famotsorana ireo gadra. Vetivety ihany ireo mpanao hetsi-panoherana, izay vehivavy sy ankizy ny ankabeazany, dia efa voahodidina polisy ary nosamborin'izy ireo, satria moa tena voararan'ny lalàna mafy ny fanehoana hevitra ankalamanjàna