Tantara tamin'ny 20 Desambra 2012
MENA: Bilaogy Mpampitohy Ny Firenena Maghreb Sy Ny Golfa Arabo
Nifandray tànana ilay mpitoraka bilaogy Maraokana Amerikana Samia Errazzouki sy ilay mpitoraka bilaogy tsy manana firenena fiaviana avy any Koety, i Mona Kareem mba hanomboka bilaogy vaovao izay miresaka mikasika fitsaratsaram-poana eo amin'i Maghreb (Afrika Avaratra) sy i Golfa. Ny tanjona moa dia ny hanombohana ny resaka mba ho famonoana ny elanelan'ny tsy fitoviana eo amin'izy ireo.
Meksika: Sary Indray Mijery Mikasika Ny Fampiterahana Eran'Izao Tontolo Izao
Ny fifandraisana ara-kolotsain'ny mpampiteraka no lohahevitr'ity sary am-bilaogin'ny Offbeat Mama mivahiny ato ity, nakarin'ilay mpakasary Alice Proujansky mipetraka any Brooklyn. Nitety faritra izy fony mbola dimy volana ny kibony ary naka sary ny fifanakalozam-pahalalana ara-kolotsaina tany Quintana Roo, toerana izay nalehan'ireo mpianatra manaraka ilay hany fandaharam-pampianarana nankatoavin'ny governemanta mikasika ny fampiterahana hianatra ny fampiterahana ara-pomba nentim-paharazana Mayana avy amin'ny faritra ambanivohitra.
Ekoatora: Mamorona Fitsipi-pitondrantena Ho An'ny Tambajotra Sosialy Ny Filankevi-Pirenena
Nanàla sarona ny Voto transparente, Conoce a Tu Candidato (Fifidianana mangarahara, Fantaro ny Kandindànao), tetikasa iray ikendrena ireo misehatra ara-politika sy ny olom-pirenena tsirairay, ka ny tanjona dia ny hampiroboroboana tontolo iray misy fifanajàna sy fifandeferana ara-potokevitra