Meksika: Sary Indray Mijery Mikasika Ny Fampiterahana Eran'Izao Tontolo Izao

Ny fifandraisana ara-kolotsain'ny mpampiteraka no lohahevitr'ity sary am-bilaogin'ny Offbeat Mama mivahiny ato ity, nakarin'ilay mpakasary Alice Proujansky mipetraka any Brooklyn. Nitety faritra izy fony mbola dimy volana ny kibony ary naka sary ny fifanakalozam-pahalalana ara-kolotsaina tany Quintana Roo, toerana  izay nalehan'ireo mpianatra manaraka ilay  hany fandaharam-pampianarana nankatoavin'ny governemanta mikasika ny fampiterahana hianatra ny fampiterahana ara-pomba nentim-paharazana Mayana avy amin'ny faritra ambanivohitra.

Nizara ny fahalalany eo amin'ny fomba fanaony mahazatra azy ireo  mpampiteraka ara-pomba nentim-paharazana toy ny hoe fanorana ny tranon-jaza no sady mianatra ihany koa avy amin'ireo mpianatra ny fomba ahafahan'izy ireo miatrika ireo fampiterahana sarotra.

Alice Proujansky Image from her Birth series Intercultural Midwifery

Alice Proujansky Sary avy amin'ny lahatsarin'ny Vohokany

Araka ny amaritan'i Alice Proujansky azy ao amin'ny tranokalany, izay afaka ahitana fifandimbiasan-tsarin'ity diany ity:

Nahitàna ny fomba fanao tsara avy amin'ireo fitandroana ny fahasalamana nentim-paharazana eny an-toerana, lavitr'andriana, faritra mahantra ity fifanakalozana ara-kolotoraly niarahana tamin'ny matianina, miaraka amin'ny fitsinjovana ny reny sy ny zaza matihanina, sady koa ampahany amin'ny fironana mankany amin'ny fomba fampiterahana any Meksika izy ity.

Avy amin'ny lahatsoratry ny bilaoginy Mpianatra mpampiteraka avy amin'ny CASA mitsangatsangana:

Taorian'ny fanomanany ny fanazavana mikasika ny fahasalamam-bahoaka nataon'izy ireo – ahitana ny fanjairana amin'ny tànana ny tranon-jaza, ny tratra ary ny kitapo  amniotika – niakatra tanaty fiara fitateram-bahoaka ratsy be ireo mpianatra avy amin'ny sekoly fianarana mampiteraka CASA, nihinana fraomazy Amerikana sy sandwich misy dipoavatra mafana, ary nandeha 32 ora niala ny sekoliny any San Miguel de Allende nankany amin'ny tanàna kelin'i José Maria Morelos any amin'ny fanjakàna atsimon'i Quintana Roo. Natory tamin'ny gorodon'ny lakilasy izy mpianatra 40 rehetra ireo tao amin'ny  Universidad Intercultural Maya ary nanao fampahalalana ho an'ireo mpampiteraka nentim-paharazana Mayana mikasika ny famelomana aina alohan'ny hiterahana, ny fahaverezan-drà be loatra aorian'ny fahaterahana ary koa lohahevitra maro hafa. Ireo mpampiteraka nentim-paharazana kosa, izay nianatra avy tamin'ny ray aman-dreny sy nanao izany an-taonany maro, dia nampianatra ireto mpianatra mikasika ny fahaterahana an-trano ao anaty koveta, ny fanafody avy amin'ny zava-maniry, ary ny fomba ataon'izy ireo manokana raha sanatria misy loza eo am-piterahana ary koa ny fikarakarana mialoha ny fahaterahana.

 

Misy andiana fanadihadiana mikasika ny reny sy ny zaza ihany koa ao amin'ny tranonkalan'i Rtoa. Proujansky toy ny Fiterahana, izay ahitana saripika  maneho ny fepetra rehetra ao amin'ny efitra fampiterahana any amin'ny Repoblika Dominikana, any amin'ny Fampiterahana any Lagos Midwives mikasika ny fomba hanomezan'ny mpampiteraka Nizeriana firaharahiana bebe kokoa araka izay ilaina amin'ny alalan'ny klinika tsy miankina tantanan'ny Dokotera Tsy misy Sisin-tany (Médecins Sans Frontière).

Ity misy rakitrasy misy feo miaraka amin'ny sary miloko ahitàna ireo Mpampiteraka ao Lagos izay ahitana ihany koa rakipeo avy amin'ny fitafatafana mivantana natao tamin'ireo mpampiteraka tao amin'ilay klinika:

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.