Tantara tamin'ny 27 Novambra 2012
Miala An-daharana ilay Mpirotsaka Ho Filoham-pirenena Mamim-Bahoaka Tao Korea Atsimo
Miaraka amin'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena hatao afaka iray volana, hagagàna ny an'ireo Koreana Tatsimo nony niala an-daharana tampoka tamin'ilay hazakazaka ilay lohalaharana amin'ny fandaharana an'ireo mpirotsaka ho fidiana. Ity hetsika ara-politka tsy mbola nisy toa azy ity dia ilay Koreana Tatsimo mpandraharaha mamim-bahoaka lasa nanao politika no nanao azy,...
Trinidad & Tobago: Rahona Mainty, Medaly Volamena
Nilona tao anatin'ny riaka mahery vaika sy tondradrano omaly maraina i Trinidad sy Tobago. Nihoatra ny moron'ny reniranon'i Diego Martin sy Maraval vokatry ny rivo-doza. Fa somary nihiratra kely ny sain'ny vahoaka tao amin'ny firenena - eny na dia fotoana monja fotsiny aza izany - satria nandrombaka ny medaly volamena...
Tetikasa Anaty Aterineto Hanaraha-maso Ny Toetry Ny Làlana Any Rosia
Fomba fanaraha-maso ny toetry ny làlana sy ny fampanaraham-penitra azy amin’ireo lamina farany napetraky ny governemanta ny tetikasa "RosYama". Na iza na iza mahita làlana tsy manaraka ireo fenitra ireo dia afaka mampiasa ny tolotra RosYama.
Manohitra Ny Kolikoly Ny Tanora Ao Amerika Latina
Mizara lahatsary iray i Andrea Arzaba izay hanadihadiany ireo tetikasa tarihan’ireo tanoran’i Amerika Latina ho amin’ny mangarahara sy ny fandraisana andraikitra. Nandray anjara tamin’ilay Sehatra Fiadian-kevitry ny Tanora Eran-tany Manohitra Ny Kolikoly Andiany Fahatelo,nokarakarain’ny Tambajotran’ny Tanora Eran-tany Manohitra Ny Kolikoly (GYAC) any Brasilia, Brezila ny 5 sy 6 Novambra teo.
Israeliana Maneho Hevitra Amin'ny Fisintahan'i Barak Tsy Hanao Politika Intsony
Fanambaràna nahazendana no nisy nandritra ny tafatafa ho an'ny mpanao gazety nataon'ny Minisitry ny Fiarovana Israeliana, Ehud Barak, izay nitàna ny toeran'ny Praiminisitra tao Israely teo aloha (1999-2001) sy Filoha mpitarika ny IDF (1991-1995), tamin'ny nilazàny ny faniriany hisintaka ny sehatra politika ka hanokana betsaka amin'ny fotoanany ho an'ny fianakaviany....
Novonoina Tany India Ilay Mpampihorohoro Tao Mumbai, Nefa Hitondra Fitoniana Ve Izany?
Ny 21 Novambra 2012 no novonoina i Mohammed Ajmal Amir Kasab, Pakistane mpikatroka avy amin'ny Lashkar-e-Taiba sady ilay hany mpampihorohoro tratra velona taorian'ny fanafihana tao Mumbai tamin'ny 2008.Namelona indray koa ny adihevitra momba ny fanamelohana ho faty any India ny famonoana azy, sy ny hoe natao handresen-dahatra sa natao hiantsiana...
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...