03 Novambra 2012

Tantara tamin'ny 03 Novambra 2012

Saint Lucia : Akondro Loharanon'Angovo Azo Havaozina Hoe?

Lahatsoratra iray tanaty blaogy tamin'ny 2011 mikasika ny fampiasàna ny akondro amin'ny famoronana solika avy amin'ny zava-maniry no nanome aingam-panahy an'i Dane Gibson hametraka fanontaniana vitsivitsy mikasika ny sehatry ny angovo azo havaozina ao amin'ny firenena kelin'i Santa Lucia ao Karaiba

03 Novambra 2012

Trano Famakiam-boky Ho Toy Ny Teboka Fiaingana Hamelomana Ny Fiteny Tz'utujil

Rising Voices

Ny trano famakiam-boky Rija'tzuul Na'ooj ao San Juan la Laguna, Goatemala dia nampiroborobo hetsika samihafa handrisihana ny fampiasàna ny fiteny Tz'utujil eny anivon'ny vondrom-piarahamonina ao an-toerana. Ny talen'ilay trano famakiam-boky, Israel Quic, dia nanagana ireny hetsika ireny, sady nanampy fifantohana famenony tety anaty aterineto, amin'ny alàlan'ny bilapogy sy ireo media sosialy mba handrisihana be kokoa ireo mpiteny hampiasa ny fiteny Mayan ho famelomana ny fanoratana azy io.

03 Novambra 2012

India: Mampanahy ny Fiparitaky ny Dengy ao Delhi

Taitra ny mponina tamin'ny herinandro raha nahare fa matin'ny dengy ilay maintimolalin'ny fanatontosana sy famokarana ary fanoratana sarimihetsika ao India, Yash Chopra (80),  ka mihanaka ny tahotra eny faritra sasany ao Delhi. Maharay antso maro avy amin'ireo marary...

03 Novambra 2012