Jolay, 2012

Tantara tamin'ny Jolay, 2012

Meksika: Fihanihana Tendrombohitra Hiadiana Amin'ny Olan'ny Rano

  24 Jolay 2012

Ny Fanamby "Challenge "dia ny hanairana ny saina mikasika ny olan'ny rano sy ny olan'ny fanajariana manerana izao tontolo izao ary hanangonana vola mba hiantohana rano fisotro ho an'ny olona rehetra. Ilay mpamorona ny Fanamby 21, Jake Norton, dia mihevitra ny hanatanteraka azy ity amin'ny fihanihana ireo tendro telo avo indrindra isaky ny kaontinanta tsirairay. Lahatsary roa manaraka no ahafahantsika mahita ny fomba anaovany izany, anisan'izany ny fihanihana ny Pico de Orizaba ao Meksika.

“Aza Matahotra Ny Aterineto”: Fanentanana Vaovao Momba ny Fahalalahana Miteny Tanterahan'ilay ONG ‘Derechos Digitales’

GV Mpisolovava  24 Jolay 2012

Mifototra amin'ny fanapahan-kevitry ny ONU handray ny fahalalahana miteny ho isan'ny zon'olombelona, nanomboka fanentanana iray antsoina hoe “No temas a Internet” [es] ("Aza matahotra ny Aterineto") ilay ONG “Derechos Digitales” (“Zo Dizitaly”) vao haingana izay, hanairana ny olona amin'ny lanja fototry ny fahalalahana miteny ao anaty aterineto.

Espaina: Tsy Voasakana Ny Hetsika An-dalambe

  23 Jolay 2012

Hatramin'ny nahatongavan'ny mpihady tao Madrid, izay nitokony ho fanoherana ny fampihenana hatramin'ny 63% ny tetibolan'ny sehatr'asandry zareo, tsy nitsahatra ny fihetsiketsehana nataon-dry zareo tao an-drenivohitra Espaniola. Mizara ny sary izahay.

Bangladesh: Lasa Renivohi-kolontsaina Islamika i Dhaka

  23 Jolay 2012

Notokanana ho renivohi-kolontsaina Islamika ny renivohitr'i Bangladesh, Dhaka, miaraka amin'ireo tanàn-dehibe anankiroa hafa. Ny Fikambanana Islamika momba ny Fampianarana, ny Siantifika ary ny Kolontsaina (ISESCO), sy ny departemanta fanampiny an'ny Fikambanana Konferansa Islamika (OIC), no  nanambara izany vao haingana. Hatramin'ny taona 2004, efa nodinihan'ny ISESCO izany fandaharan'asa isan-taona izany mba hanajana ny...

Rosia, Belarosia: Medvedev sy ny “Toerana Fanaovana “Cirque” Belarosiana”

Nandritra ny fitsidihan'ny Praiminitra Dmitry Medvedev tany Minsk tamin'ny Zoma 18 Jolay, nandefa tweet tamin'ny sary Instagram nahitana ity teny ity izy: “Tao amin'ny araben'i Minsk.” Ny olana tamin'ny sary dia ny fanoritsoritana ny  Toerana fanaovana cirque an'ny fanjakana Belarosiana, izay niteraka fanehoan-kevitra mikasika ny fihaonanan'i Medvedev tamin'ny filoha Belarosiana Aleksandr Lukashenko sy...

Gòatemala : Fanafihana Mahery Vaika Atao Amin'ireo Mpitolona

  22 Jolay 2012

Miha mitombo hatrany ny fanafihana mahery vaika atao amin'ireo mpitolona ao Gàatemala. Lolita Chavez, mpikambana ao amin'ny Fila-kevi-bahoaka K’iche , no niharan'ny fanafihana nataon'ireo andian-dehilahy mirongo fitaovam-piadiana izay niezaka namono azy rehefa avy namonjy fihetsiketsehana milamina manohitra ny fanararaota-pahefana amin'ny fitrandrahana sy ny tetikasa manimba ny tontolo iainana izy. Nanazava toy izao...