Arzantina: Miteraka Adihevitra Ilay Lahatsarin'ny Lalao Olympika Tany Amin'ireo Nosy Malouines

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Lalao Olaimpika Londona 2012 ity lahatsoratra ity.

Ambonin'ny lanja ara-panatanjahantenan'ilay hetska, misy ambadika politika ihany koa io fifaninanana Olaimpika 20012 any Londona io ho an'i Arzantina noho ny fahatsiarovana ireo maty tanatin'ilay Adin'ireo nosy Malouines. Nanamarika ny tsingerintaonan'ny fipetrahan'ireo ekipan'i Arzantina tany amin'ireo Nosy Falkland ny 2 Aprily 2012, fantatra amin'ny anarana hoe Malouines any Arzantina. Niaraka tamin'ny fanakaikezan'ny fanombohan'ny Lalao Olaimpika 2012 , namoaka lahatsary fahatsiarovana ny biraon'ny Filohan'i Arzantina amin'ny alalan'ny fantsona YouTube-dry zareo [es]:

Ilay lahatsary, izay nataon'ny Biraon'ny Fitondrana Arzantina [es] ary nalaina tany amin'ireo nosy ireo, dia mampiseho mpifaninana iray avy ao Arzantina mikotrana ho amin'ilay Lalao Olaimpika any Londona any amin'ireo Nosy Malouines, zaratany Britanika an-dranomasina. Niteraka adihevitra ilay didy farany: “Raha hifaninana any amin'ny tany Anglisy isika, manazatra tena any amin'ny tany Arzantina.” Fernando Zylberberg no mpilalao fototra anatin'io lahatsary io, mpilalao anatin'ny Ekipan'ny Hockey Arzantina, izay tsy handray anjara anatin'ny Lalao Olaimpika 2012 raha ny marina.

Teo noho eo ny fanehoan-kevitry ny Kaomity Olaimpika. Namoaka izany fanehoan-kevitra  izany ny vohikala SSQH [es]:

“Los Juegos Olímpicos no deben ser un foro para tratar temas políticos, y el COI lamenta cualquier uso de la plataforma de los Juegos para esos fines”, señaló la entidad en un comunicado enviado a la agencias de noticias AP. “Estamos en contacto con el (Comité Olímpico) Argentino… y en varias ocasiones nos han asegurado que el comité olímpico nacional no tratará de usar los Juegos como una plataforma política, y respetará la Carta Olímpica”, agregó el COI.

Tsy tokony ho sehatra fiadin-kevitra momba ireo olana politika ny Lalao Olaimpika , ary tsy manaiky ny fampiasàna ny sehatry ny Lalao ho an'ireo antony ireo ny IOC,”  hoy [ny Kaomity Olaimpika ] tanatinà fanambarana ho an'ny masoivohom-baovao AP. “Mifandray amin'ny (Kaomity Olaimpika ) Arzantina  izahay  … izay nanome toky  hatrany fa tsy hampiasa ny Lalao ho sehatra politika ny Kaomity Nasionalin'ny Lalao Olaimpika , ary hanaja ny Sata mifehy ny Lalao Olaimpika ,” hoy ihany ny IOC nanampy.

Nitsikera mikasika io adihevitra io ihany koa ny bilaogy Sopitas [es]:

A 30 años de la guerra entre Argentina y Gran Bretaña por estas islas, y ante la proximidad de los Juegos Olímpicos, este spot parece una provocación que ya está causando polémica.

Ian Hansen, legislador de las Malvinas dijo estar decepcionado por este video, el cual “intenta politizar los Juegos Olímpicos en servicio de las ambiciones territoriales argentinas”.

30 taona taorian'ilay ady nisy teo amin'i Arzantina sy Londona noho ireo nosy ireo, ary akaikin'ny fanombohan'ity lalao Olaimpika ity, toa fihantsiana izay efa mitarika resabe sahady ity fanambarana ity.

Ian Hansen, mpifehy ny Malouines, nilaza fa diso fanantenana izy tamin'io lahatsary io, izay “mikasa ny handoko ny Lalao Olaimpika hànana loko politika miandany amin'ny filan'i Arzantina momba ny tany.”

Penguin News, gazety avy any amin'ireo Nosy Malouines, nandray izany lahatsary izany ho kivalavala:

Indrisy, maneho ny tsy fanajan'ireo manam-pahefana Arzantina ny fonenanay sy ny vahoakanay io. Tsy mahagaga, amin'ny fotoana inona ao anatin'io lahatsary io no mba ahitàna ireo mponina ao amin'ireo Nosy Malouines – fitaratra mazava amin'ny politikan'i Arzantina, izay mihevitra fa tsy misy ireo mponina ao amin'ireo Nosy Malouines.

Na eo aza izany, araka ny hasehon'ireo tsikera [es] ao amin'ny YouTube, ho an'ireo Arzantina maro dia manamafy  ny maha-tompon'ireo Nosy Malouines azy ireo izany lahatsary izany.

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Lalao Olaimpika ao Londona 2012 ity lahatsoratra ity.

Nanampy tamin'ny famoahana ity lahatsoratra ity i Jane Ellis .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.