Tantara tamin'ny Jolay, 2012
Arabia Saodita : Nolazaina Fa Mpivaro-tena Ireo Solontena Vehivavy Voalohany Amin'ny Lalao Olaimpika
(Amin'ny teny anglisy sy Arabo avokoa ny rohy rehetra) Atleta vehivavy roa no hisolontena an'i Arabia Saodita mandritra ny lalao Olaimpika 2012 atao any Londres, nanomboka ofisialy omaly izany ( 27 jolay ). Wojdan Shaherkani (judo) sy Sarah Attar ( atletisma) no vehivavy roa voalohany hiaro ny sainam-pirenena, na dia...
Shina: Nisambotra Mpampiasa Aterineto 5007 i Beijing
Ny 2012, hatreto ny rafitra fampiharana ny lalàna anaty aterineto an'ny filaminam-bahoaka ao Beijing dia nikirakira fanohintohinana miendrika heloka bevava maherin'ny 3.961 sy nisambotra olona noahiahiana niisa 2007. Ankoatra izay, nanaisotra votoaty niisa 366.000 tety anaty ateriento sy nanasazy orinasa mpanome tolotra aterineto niisa 7.549.
Syria: Fampianarana An-tserasera Momba Ny Ady Sy Ny Fampiasana Fitaovam-piadiana
Mitodika amin’ny tranokala momba ny fampianarana ady ireo mpikomy Syriana. Ity no andraikitra farany narakitra tao amin’ny fampahalalam-baovao sosialy, izay efa nahazo hoby lehibe noho ny andraikitra nosahaniny amin’ny fanaparitahana vaovao sy ny fanentanana ny olom-pirenena mandritra ity Lohataona Arabo ity Fantsona YouTube amin’ny anarana hoe FSAHelp (Fanampian'ny Tafika Syriana Afaka) namoaka...
UK: Nanjavona Tsy Teo Amin'ny Làlam-be Olaimpika Tao Londona Ny Sainam-Pirenen'i Taiwan
Nanontany tna ny Taiwanais hoe lasa nankaiza ny sainam-piree'izy ireo rhefa nanjavona teo amin'ny fampirantiana tao an-dalamben'i Regent Street tao Londona. Ny sainam-pirenena hafa rehetra dia nijanona nihantona teo hatrany niarahaba ny fahatongavan'ireo solontena avy amin'izao tontolo izao ho amin'ity lalaon-dohataona ity.
Pakistana: Ankizy 240.000 Tsy Nahazo Fanefitry Ny Lefakozatra
Tandindonin-doza ny fiainan'ireo zaza bodo 240.000 noho ny fandraràna,vao haingana, ny fidiran'ny fanefitry ny lefakozatra ataon'ny Taliban any amin'ny faritry ny FATA. Ireo mpikomy dia mihevitra fa hetsika fitsikilovana io fanentanana ho fanfefitry ny lefakozatra io, ary manohana azy ireo amin'izany ny filohan'ny foko.
Maneran-tany: Hazakazaka Handikàna teny ny Fahalalahan'ny Aterineto
Hanomboka ny Lalao Olaimpika atsy Londona, nefa mientanentana amina hazakazaka hafa ihany koa ireo mpandika tenin'ny Global Voices Lingua: ny Internet Freedom Translathon,hazakazaka handikàna teny ny Fanambaràna ny Fahalalahan'ny Aterineto amin'ny tenim-pirenena sy tenim-paritra maro araka izay vita ao anatin'ny 24 ora. Ny tetikasa Global Voices Lingua dia ny fandikanteny fitandroana ny tenim-pirenena: tsy voatery ho atletan'ny Lalao Olaimpika ianao na mpandika teny be traikefa vao afaka miaraka aminay!
Hifaninana Eo Ambanin'ny Sainan'ny Lalao Olaimpika Ilay Sodaney Tatsimo Mpihazakazaka Lavitr'ezaka
Tsy hihazakazaka eo ambanin'ny sainam-pirenen'i Sodana Atsimo ilay mpihazakazaka lavitr'ezaka Guor Marial mandritra ny Lalao Olaimpika ao Londona. I Sodana Atsimo, izay nahazo ny fahaleovantenany tamin'ny taona lasa, dia mbola tsy ankasitrahan'ny Kaomity Iraisam-pirenenan'ny Lalao Olaimpika.
“Don't Fear the Internet”: Fijoroana Vavolombelona Momba Ireo Anaran-tsehatra Sy Ny Fahalalahana Miteny
Lasa toeram-piadiana anaran-tsehatra momba ny fahalalahana miteny any Shily. Anatin'ity lahatsary iray vaovao avy amin'ny tetikasa “Don’t Fear the Internet”, manazava raharaha roa ny ONG 'Derechos Digitales' highlights : ny elmercuriomiente.cl sy ny estafadoscorfo.cl. Samy ohatry ny fikasan'ny fiadiana anaran-tsehatra mba hampangiana ny fitenenana ireo raharaha roa ireo.
Poerto Riko: Vorona io… Fiaramanidina io… Aslan io!
Malaza amin’ny aterineto sy eny amin’ny rindrina amin’ny anarana hoe Aslan i Enrique “Kike” Arce, iray amin’ireo mpanankanto an-dalambe mitondra zava-baovao ao Poerto Riko. Nanjary fitaovana lehibe amin’ny fampandrosoana ny asany ny fahitana azy ao amin’ny aterineto, indrindra amin’ny firesahana amin’ireo mpanaraka sy mpankafy azy . Mampiaraka ny fitaovana ilaina...
Kiobà: Mafàna Fo Mpiaro Ny Zon'Olombelona Voadaroka, Voasambotry Ny Mpitandro Filaminana Tamin'ny Fandevenana An'i Payá
Ny 23 Jolay teo, nambaran'ireo mafàna fo amin'ny fiarovana ny zon'olombelona sy ny haino aman-jery vahiny any Kiobà fa raha iny niverina avy nandevina an'i Oswaldo Pay, mpitarika ny Vinavinan'asa malaza Varela sady nahazo ny loka Skharove an'ny parlemanta eorôpeana ho an'ny fiarovana zon'olombelona sy ny demokrasia ry zareo, dia nisambotra olona eo ho eo amin'ny 50 ny polisim-pirenena kiobàna.. An'isan'ireo voasambotra ireo Guillermo Fariñas sy Antonio Rodiles.