Tantara tamin'ny 07 Mey 2012
Tonizia: Lehibenà Foibem-pahitalavitra Enjehana Fa Nandefa Ny “Persepolis”
Ny 3 May no voatondro hamoahan'ny fitsarana Toniziana ny didy tamin'ny fitsarana an'i Nabil Karoui, tompon'ny fantsom-pahitalavitra tsy miankina Nessma TV, izay enjehina ho namoaka ny sarimiaina Persepolis novokarin'i Marjane Satrapi.
Malezia: Fanehoan-kery Bersih Manerana Ny Glaoby
Raha notontosaina tany Kuala Lumpur ny fihetsiketsehana an-dalambe Bersih (madio) tamin'ny herinandro lasa teo, nanomana fihaonana tahaka izany ihany koa ireo Maleziana monina ampitan-dranomasina
Palestina: Fitokonana Faobe Tsy Hihinan-kanina Ataon'ireo Voafonja
Nanomboka fitokonana tsy hihinan-kanina mandritra ny fotoana tsy voafetra ireo gadra Paletsiniana ny 17 Aprily teo mba hanoherany ny fepetra fihazonana any amin'ireo fonja Israeliana. Ilay natomboka tany am-boalohany ho toy ny hetsi-panoheran'olom-bitsy no nitombo amin'izao fotoana ka lasa misy mpandray anjara an'arivony.
Kiobà: Aiza Ny Fahalalahan'ny Fanaovan-Gazety?
Andron'ny Fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ny andro androany (3 Mey 2012) – saingy eo amin'ny tontolon'ny bilaogy ao Karaiba, mpamahana bolongana vitsy an'isa no hany mba naneho hevitra mikasika ny lohahevitra. Nandefa...
Pakistana: Fihetseham-pon'ny Olona Manoloana Ny Didim-pitsarana Manafintohina Azon'ny Praiminisitra
Nifarana ihany ny toe-draharaham-pitsarana nahavoarohirohy an'ny Praiminisitra Pakistaney Yousuf Raza Gilani. Didim-pitsarana sarintsariny 37 segondra fotsiny no sazy navoakan'ny fitsarana ho an'ny Praiministra, ho famaranana ny raharaham-pitsarana naharitra tao anatin'ny telo volana....