Ny 3 May no voatondro hamoahan'ny fitsarana Toniziana ny didy tamin'ny fitsarana an'i Nabil Karoui, tompon'ny fantsom-pahitalavitra tsy miankina Nessma TV, izay enjehina ho namoaka ny sarimiaina Persepolis novokarin'i Marjane Satrapi.
Ny fisehoana ao anatin'ilay lahatsary dia mampiseho an'Andriamanitra mitsidika amin'ny alalan'ny nofy sy maka n y endrik'olombelona. Niteraka hatezerana maro ilay nandefasana azy ary nisy ny fametraham-pitoriana nataon'ireo mpisolovava 144 sy ny hafa. Efa nahemotra matetika ilay fitsarana, saingy hoe havoaka ny 3 May ny didy – izay Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety. Raha voaheloka i Karoui dia hiatrika famonjàna telo taona an-tranomaizina.
Persepolis dia nalefa indrindra tamin'ny fotoana mitovy izay nahazoan'i Ennahda ny seza be indrindra tao amin'ny parlemanta, ary dia noraisin'ny maro ho toy ny fanambaràna ara-politika mampifandray an'i Tonizia sy Iran izany, sady fampitandremana ho an'ny Toniziana mba “ho tony sy ho mailo hatrany”.
Tanaty lahatsoratra iray tam-bilaogy nitondra ny lohateny hoe “Fitsarana an'i Nessma: Soa Fa Tsy Mahafaty Ny Henatra” [fr], ilay bilaogera sady mafàna fo, Lina Ben Mhenni, dia nitondra fanamarihana momba ny fizotry ny fitsarana :
Maître Raja Haj Mansour a été la première avocate de la partie civile à donner un plaidoyer comique dans lequel elle a expliqué que son fils a fait trois nuits blanches successives après avoir regardé le film “Persepolis” et que c'est lui qui lui a demandé de porter plainte contre Nabil Karoui. Par la suite d'autres avocats ont donné des plaidoyers dignes du Moyen-Age.
Myriam Meziou nivazivazy hoe:
@myriammeziou: le fils de Raja mansour a eu une crise car il a vu persepolis!!!! que va-t-il lui arriver qd il regardera son 1er Porno? #nessma
Zeineb Turki, mpitsabo sady mpanao politika, dia nanoratra hoe :
@ZeinebTurki: Il est utile de rappeler qu'il ne s'agit pas du procès de #nessma ni de celui de #Persepolis mais celui de la liberté d'expression
Avy any Paris, Anissa B. nibitsika hoe :
@beautifultango7: Didy navoaka androany ho an'ny fitsarana ny #Persepolis. Andran-tsira ho an'ny fahalalahana miteny eto #Tunisia. #NessmaTV
Ity lahatsary manaraka ity, avy amin'ny Nawaat dia manasongadina hetsi-panoherana ny fandefasana an'ilay Persepolis: