Tantara tamin'ny 19 Marsa 2012
Torkia: Notafihan'ny Polisy Ny Kiorda Nandritra ny Fankalazany ny Newroz
Kiorda an'arivony no nidina an-dalambe mba hankalaza ny Newroz, hetsika izay efa nomanina mialoha, kanefa naparitaky ny polisy tamin'ny alalan'ny basirano, sy baomba mandatsa-dranomaso indray androany ny manerana an'i Torkia. Na...
Kiobà: Mamaly Ny Ataon'ny Arseveka ny Mpibilaogy
Tonga eo amin'ny dingana mangotraka momba ny asam-pamoretana ara-pivavahana sy ara-politika mitranga ny mpibilaogy nefa tsy mbola tonga akory ny papa. Ny mampiady hevitra hevitra farany moa dia mampanahy tokoa ny mpibilaogy,...
Zambia: Nofoanan'ny Governemanta Ny Antoko Nitondra Teo Aloha
Ny antoko politika mpanohitra lehibe indrindra ao Zambia, ny Movement for Multi-Party Democracy (MMD) izay nesorin'ny antoko Patriotic Front (PF) tsy ho eo amin'ny fitondrana taorian'ny fifidianana tamin'ny Septambra 2011 rehefa teo amin'ny fitondrana nandritra ny 20 taona, dia nofoanan'ny manampahefana tamin'ny 14 Martsa noho ny filazana fa tsy nahaloa ny vola fandrotsaka voafaritry ny lalàna ho an'ny fe-potoana naha-teo amin'ny governemanta azy. Maneho hevitra ety anaty aterineto mikasika ity fivoaran-draharaha ity ny Zambiana.
Yemen: Mahatsiaro ny Zoman'ny Fahamendrehana
Taona iray lasa izay, nanodidina ny olona 52 no maty, nanakaiky ny 100 no voalaza fa naratra tao Sanaa. Mahatsiaro ny andron'ny 18 Martsa ireo mpiondana aterineto, kihon-dàlana iray teo amin'ny revolisiona tao Yemen, izay nahatonga olona marobe, olom-panjakana, diplaomaty, ary miaramila niala an-daharana ka nanatevina ireo mpanao hetsi-panoherana.
Ejipta: Mandria Am-piadanana Papa Shenouda III
Matroka tanteraka ny filentehan'ny masoandro tao Ejipta omaly [asabotsy] – Nodimandry tamin'ny faha-89 taonany rehefa niady mafy tamin'ny aretina nandritra ny fotoana maharitra Pope Shenouda III. Taorian'ny fandrenesana ny vaovao...
Syria: Rehefa Miongana I Assad
Tahaka ireo Arabo nanohitra ny mpitondra mpanao didy jadona tany aminy avy dia manana faniriana sy fanantenam-piainana aorian'ny fionganan'ny mpano didy jadona ao aminy antsoina hoe Bashar Al Assad ny Syriana. Mifampizara ny nofinofiny ny Syriana amin'ny fampiasana tenifototra #WhenAssadFalls