Tonga eo amin'ny dingana mangotraka momba ny asam-pamoretana ara-pivavahana sy ara-politika mitranga ny mpibilaogy nefa tsy mbola tonga akory ny papa. Ny mampiady hevitra hevitra farany moa dia mampanahy tokoa ny mpibilaogy, tahaka ny fangatahana hanaisotra ny mpanao fihetsiketsehana amin'ny fiangonana avy amin'ny Kardinaly Jaime Ortega, Arsevekan'i Havana, izay “milazalaza ny fibodoana ho ‘tsy ara-dalàna'”. Ny nangatahan'ny mpanao fihetsiketsehana moa, ankoatra ny zavatra hafa, dia ny fanafahana ny gadra politika sy ny fampitsaharana ny fanenjehana ny mpanohitra ny fitondrana.
Uncommon Sense nandrohy ny fitantarana avy any amin'ny gazety mahazatra, ka nanampy tsara ny heviny manokana:
At the request of Cardinal Jaime Ortega, Cuban police…evicted 13 dissidents who had occupied a Havana church demanding Pope Benedict XVI hear their grievances during his visit to the island last week.
That's right — instead of meeting with them and providing them with his stature and his voice, Cardinal Ortega dropped a dime and had the police remove the protesters.
Noho ny fangatahan'ny Kardinaly Jaime Ortega dia… nanaisotra mpisintaka 13, nibodo ny fiangonana iray tao Havana miangavy ny Papa Benoà hihaino ny fitarainany mandritra ny fitsidihany ny nosy tamin'ny herinandro, ny polisy kiobàna.
Marina izany — raha tokony nihaona tamin'izy ireo sy nanome azy ireo ny satany sy ny feony dia naleon'ny Kardinaly Ortega nandoa ny ampahafolonkarena ary dia nahazo ny polisy hanaisotra ny mpanao fihetsiketsehana.
Ny ahiahin'ny vondrom-piarahamonina an-tserasera voalohany dia voafehin'ity lahatsoratra avy amin'i Dariela Aquique ity, izay amahavahany ny hasarotan'ny fikarakarana tontosaina mandritra ny fitsidihan'ny Papa sy ny fiantraikan'izany eo amin'ny olom-pirenena:
The Pope’s visit has already meant sacrifices on our part. He, the shepherd of good faith, is coming to share his grace and to request spiritual peace for all Cubans. He is coming to bless the virgin but he doesn’t know what that this has to do with energy manipulations and those other ‘manipulations’ of power.
Ity fihetsiketsehana anaty fiangonana ity sy ny ezaka maro hafa ataon'ny Las Damas de Blanco [ES] (ireo vehivavy miakanjo fotsy) ary ny vondrona mpisintaka hafa hihaona amin'ny Papa dia ao anatin'ny tolona mba hanomezana an'i Vatikana sary mazavazava kokoa momba ny fiainana any Kiobà, ka miandoha amin'ny toetry ny zon'olombelona izany – izay mahatonga an'i babalu “hangidihidy loha” amin'ny zavamisy fa:
The Vatican continues its refusal to commit to a meeting with Cuban dissidents due to the Pope's incredibly busy schedule and time constraints. However, the very busy Vatican, which cannot seem to find the time to meet with the Ladies in White who are attacked and repressed every week when they try to attend mass, does have time to bid an official farewell to the pet crocodile given to the pope as a gift by the Castro dictatorship.
Ao amin'ny lahatsoratra hafa, no ametrahany ny fifandraisana eo amin'ny fiangonana sy ny fanjakana, izay naharihary tamin'ity pikantsary izay navoaka indray sady misy dikanteny:
The partnership between the Castro dictatorship and the hierarchy of the Cuban Catholic Church became painfully obvious yesterday for thirteen dissidents occupying a church in Havana. Cardinal Jaime Ortega enlisted the help of the Cuban regime and used its security forces to evict the occupiers.
Babalu mbola nandikateny ny fanambarana an-gazety navoakan'ny Arsidiosezy momba ity raharaha ity ihany koa, ary nanampy hoe:
The one thing that jumps out at you is the choice of language. The occupiers at the church were not ‘asked’ to leave, they were not ‘ordered’ to leave, and neither did they ‘plead’ with them to leave. In a classic example of Orwellian newspeak, the protesting occupiers were “invited” to leave the sanctuary.
Nahitsy tamin'ny fahitany ny fanao politika nitsonika any amin'ny kianjan'ny fivavahana ry zareo ao amin'ny Capitol Hill Cubans:
In response to the dissidents that have occupied a Havana church asking for Pope Benedict XVI to intercede on behalf of the human rights for the Cuban people, the Archdiocese of Havana said in a statement:
‘Nobody has the right to turn temples into political trenches.’
Yet, just last week, Cuban Cardinal Jaime Ortega held a Mass in support of Venezuela's President Hugo Chavez.
So perhaps the Archdiocese should consider clarifying its statement:
‘Only the Cardinal has a right to use the temple for his politics.’
Ho valin'ny fangatahana nataon'ny mpisintaka nibodo fiangonana iray miangavy ny papa Benoà XVI hitondra fanelanelanana momba ny zon'olombelona ho an'ny vahoaka Kiobàna, dia namoaka fanambarana ny Arsidiosezin'i Havana:
‘Tsy misy mananjò hamadika ny tempoly ho lasa sehatra politika’
Nefa, vao tamin'ny herinandro lasa teo, nanao lamesa ho fanohanana ny filohan'i Venezoelà Hugo Chavez ny Kardinaly Kiobàna Jaime Ortega.
Ka angamba tokony hihevitra hanazava kokoa ny fanambarany toy izao ny Arsidiosezy:
‘Ny Kardinaly irery ihany no mananjò hampiasa ny tempoly ho amin'ny politikany.
Nandray toerana tao amin'ny Twitter ihany koa ny resaka an-tserasera; Translating Cuba naka asa handika ny siokantseran'ny iray amin'ny mpibilaogy malaza indrindra ao amin'ny firenena, Yoani Sanchez, izay nanao fanangona-tsonia ho an'ny papa ary namehy ny fihetseha-pony momba ny toe-draharaha tao amin'ity siokantsera ity:
#cuba Aunque tengo muchas criticas sobre acto de ocupar Iglesia, tengo peor opinion de la nota del Arzobispado publicada en Granma #PapaCuba
The Cuban Triangle, kosa etsy ankilany, niteny:
I have no idea if this Cuban ‘occupy’ movement and its day of protests was hatched in Miami or by activists in Cuba. But my bet is that opponents of the Cuban government will continue to distance themselves from it. The protesters have every right to request of the Vatican whatever they wish. But the Pope, Cuba’s church, and Cuba’s Catholic laity are also entitled to celebrate a pastoral visit as they wish. The protests accentuate the image of a movement focused more on actors outside Cuba than within, and they do the cause of opposition to the Cuban government no favors.
The blogger indray tahaka ny nahazo toky avy amin'ny “Fanambarana nataon'ny Arsidiosezy manazava ny fiafaran'ny raharaha” sy ny zavamisy fa “efa nanome antoka ny fitondrana fa tsy misy ny fanenjehana atao amin'ny mpanao fihetsiketsehana.” Raha Jerena ny fanehoan-kevitra momba ny lohahevitra an-tserasera dia mety ho iray amin'ny tena vitsy izy.