04 Janoary 2012

Tantara tamin'ny 04 Janoary 2012

Global Voices Podcast: Taom-baovao 2012 Feno Fahavitrihana

Anatin'ity andian'ny podcast ity dia hamerina hibanjina ny taona 2011 isika, handinika ireo fitoviana sy fahasamihafàna eo amin'ny fanaovan-gazety mahazatra sy ny fampiasàna ny media vaovao, hamantatra momba ny fihaonan'ny Rising Voices mitondra aingam-panahy natao tany Bolivia mba hanohanana ny fivoaran'ny tontolon'ny bilaogin'ireo teratany sy tsy mitovy ara-piaraha-monina. Nanao dia tamin'ny kodiaran-droa eraky ny aterineto ihany koa izahay

04 Janoary 2012

Shily : Firehetan'ny Valanjavaboarim-pirenena Ao Torres del Paine Niteraka Fahatafintohinana

Firehetana iray mahatsiravina no niteraka fahatohinana teo amin'ireo Shiliana mpiondana aterineto izay naneho ny ahiahy, ny hatezerana, ny alahelo ary ny fanantenan-dry zareo ny mba hifehezana haingana izany firehetana izany tany anatin'ireo tambajotra sosialy. Ny lohahevitra nironana betsaka, "Torres del Paine" sy ny tenifototra #salvemostorresdelpaine (ndeha hamonjy an'i Torres del Paine), dia nampiasaina mba ho fampahafantarana sy handefasana ireo fanehoan-kevitra mikasika ilay firehetana.

04 Janoary 2012