Espaina: Diaben'ny Tafintohina #15M Nandritra ny Krismasy

Tamin'ny alarobia 28 desambra dia nankalaza ny antsoina hoe #IndignantProcession (#CabalgataIndignata amin'ny teny espaniola na diaben'ny Tafintohina) ny tanàna lehibe toa an'i  Madrid, Barcelona sy ny hafa, diabe nokarakarain'ny #15M [es], izay nahatarika olona mihoatra ny 5000 teny an-dalamben'i Madrid ary nizotra nankao Puerta del Sol nitondra ny teny tarigetra hoe “Very ny fahatsoranay satria tsy mino lainga intsony izahay, ary tsy hangina izahay manoloana ny sangisangy amerezana ny zo fototra tokony ho anay” .

Afisin'ny fihetsiketsehana

@acampadasol Lo importante es que hoy hemos vuelto a las calles para manifestarnos con imaginación y creatividad. Enhorabuena, #15M#NoSoyInocente

Juventud SIN futuro @juventudsin La # cabalgataindignada bajando por la Calle Alcalá entre villancicos y tambores pic.twitter.com/8FFKFQNR
@acampadasol Ny zava-dehibe androany dia niverina an-dalambe tamin'ny alalan'ny famoronana sy ny aingam-panahy isika.  Arahabaina, #15M#IAmNotInnocent

Juventud SIN futuro @juventudsin Mizotra manaraka ny lalana Alcalá ombàn'ny hira sy ny feon'amponga ny  #indignantprocession pic.twitter.com/8FFKFQNR

Niverina indray ny firotsahana hanasongadina ny fitakiana izay nandanian'ny  #15M andro maro: fandraisan'olo-tsotra anjara bebe kokoa ao amin'ilay lazaina ho didijadon'ny tsena sy fandraisana anjara demokratika bebe kokoa.  Tamin'ity indray mitoraka ity, ho fanararaotana ny fety isan-karazany, dia nankalazaina ho toy ny asa fakan-drivotra (fialamboly)[es] ilay izy, izay nahazoana mpandray anjara maro [es] mandra-pahatonga tao Puerta del Sol.

Fanombohan'ny Diaben'ny Tafintohina. http://alteridadperiodicocultural.blogspot.com/

Fihenjanana

Andro vitsivitsy lasa izay no namoahana ity lahatsary ity, ahitana ny mpikambana ao amin'ny  #15M ao Valladolid nandritra ny fandroahana teo ambavahadin'i Belén, miampanga ny fandroahana faobe lasa mahazatra manerana ny firenena.

Nisy ny fisavoritahana nandritra ny diabe ka niafara tamin'ny fidarohan'ny polisy ny sasany tamin'ny mpandray anjara ary nisy aza fisamborana teo akaikin'ny APBM.

DSC_3078

Fotoana fifampihenjanana nandritra ny diabe. sary Flickr mpisera pierrerc

Nilamina ihany tamin'ny farany ny diabe ka tsy dia nisy loatra intsony ny tranga mahery vaika, izay mampiseho indray ny tanjaky ny #15M amin'ny fahaizana mitady fotoana sy toerana hampahalalàna ny fitakiana ataony.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.