Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Avrily, 2011

Tantara tamin'ny Avrily, 2011

29 Avrily 2011

Tontolo Arabo: Tazon'ny Fampakarambadin'ny Mpanjaka No Rivotra Iainana

Tonga hatrany Afovoany Atsinanana ny dobok'ampongan'ireo mpampita vaovao manodidina ny fampakarambadin'ny mpanjaka ho an'ny Printsy William sy Catherine Middleton rahampitso (29 Aprily), somary naka aina kely amin'ny fandrakofana ny fitroarana mitranga any amin'ny tontolo arabo ireo mpibitsika mba hanamarika ity lanonana sy fandraisana vahiny izay harahana avy ao amin'ny Lapan'ny...

Roandà: Mametraha Fanontaniana Amin'ny Filoha Roande Ao Amin'ny YouTube

Ny 5 May 2011, ny Filohan'ny Roandà Paul Kagame no mpitarika Afrikana voalohany indrindra hohadihadihana ao amin'ny YouTube World View. Ny World View dia andianà fanadihadiana isam-bolana iarahana amin'ireo mpitarika manana toerana lehibe eran-tany, izay hametrahanao fanontaniana.

Hongria: Ady no niafaran'ny fihenjanana teo amin'ny Hongroà sy ny Rôma Tao Gyöngyöspata

Halina, olona efatra no naratra nandritra ny fifanandrinana teo amin'ny foko Hongroà mpikambana ao amin'ny vondrona farany ankavanana Véderő sy ny fokonolona Rôma ao Gyöngyöspata. Mifanohitra be ihany ny voalzan'ny haino aman-jery Hongroà ny amin'izay nahatonga ny ady - samy mandà ny ho tompon'andraikitra nahatonga ny fifandonana ny fokonolona roa...

28 Avrily 2011

Yemen: Fotoana Fisakafoanana Eo Amin'ireo Ankolafin'ny Mpomba Ny Fiovàna Sy Ny Mpomba ny Fitondràna

Nisy mptoraka bilaogy amin'ny lahatsary nitahiry ny fotoana fisakafoanan'ny ankolafin'ireo mpomba ny fitondrana sy ny mpomba ny fiovàna tao Sanna renivohitra Yemeni. Jereo ny lahatsary mba hahitana ny fahasamihafany.

Ny Fitroarana Siriana sy ny Fampitam-Baovao Miely Patrana vs. Ofisialy

GV Mpisolovava

Voalohany izao tao anatin'ny folo taona no mitodika any Syria izao tontolo izao, raha an'alinaliny ireo vahoaka manao fihetsiketsehana fanoherana ny fitondrana nifehy tao efa ho 50 taona mahery

Mpanoratra Sy Mpandika Teny Asongadina: Asteris Masouras

Anatin'ity tafatafa niarahana tamin'ny mpandray anjara amin'ny Global Voices ity, miresaka ny amin'ny fomba nanombohany nanoratra ho an'ny vohikala i lay mpanoratra sady mpandika teny, Asteris Masouras. Monina any Thessaloniki, Gresy, Asteris dia nanoratra ho an'ny Global Voices hatramin'ny 2008, mikasika an'i Gresy fireneny sy lohahevitra maro hafa eran'izao tontolo...

“Spambots” Twitter: Fomba Fiady Vaovao Mba Hampanginana Resaka

GV Mpisolovava

Ny 18 Aprily, nanoratra momba ireo “spambots” nikendry ny teny fototra #Syria mba hampanginana ny feo miantso, na mitatitra ireo fanoherana, i Anas Qtiesh. Raha nahasarika ny sain'ny maro ity tranga manokana ity, tao amin'ny Al Jazeera, Fast Company, sy tany an-toeran-kafa, dia tandindon'ny olana midadasika amin'ireo tambajotra sosialy izany:...

Okraina: Fitorahana Bilaogy Momba Ny Nofy

Rising Voices

Taorian'ny fampianarana momba ny fampiasàna ny mediam-bahoaka, mino ireo mafana fo avy ao anatin'ny Fikambanan'ireo Mpisolovavan'ny Fitsaboana Fanolo any Okraina [ru] ary mino fa mety ho fitaovana lehibe amin'ny fampahafantarana ny fitsaboana fanolo ny fitorahana bilaogy ary hiarovana ny zon'ny marary ny fitorahana bilaogy, sady fitaovana hanoratan'izy ireo momba ny...

Fanadihadihana Mikasika ny Fampandrosoana an'i Afrika

Raha nanambara ny Banky Afrikana ho an'ny Fampandrosoana telo andro lasa izay fa nampidininy ny fikasana hampandroso an'i Afrika noho ny fikorontanana misy ao amin'ny faritra maro ao amin'ny kaotinanta, avo kokoa ny tahan'ny fiverenan'ny famatsiam-bola vahiny dia ambony kokoa ao Afrika noho ny an'ny firenana an-dalam-pandrosoana hafa. Ary mbola maro koa ny...

Pôrtô Rikô: Mitohy ny Adihevitra Momba ny Herisetra ao An-tokantrano

Ao Portô Rikô, nangotraka ny adihevitra mikasika ny herisetra ao an-tokantrano. Bilaogy roa no nanaraka ny didy navoakan'ny Fitsarana an-tampony fa ireo iharan'ny herisetra ao anatin'ny fiarahana tsy ara-dalàna dia tsy voaaron'ny Lalàna 54 manohitra ny herisetra ao an-tokantrano. Ary vao haingana, ny fitsarana ambony ao San Juan (renivohitry ny...