07 Avrily 2011

Tantara tamin'ny 07 Avrily 2011

Iran: Hetsi-Panoherana Ho Anà Farihy Miha-Maina

Ampolony mahery ireo mpanao hetsi-panoherana no voasambotra tamin'ny 2 Aprily 2011 tao amin'ny faritr'i Azerbaijan Iraniana tao an-tanànani Tabriz sy Urmia (Avaratra-adnrefan'i Iran). Tamin'ity indray mitoraka ity ny hetsi-panoherana dia tsy ho an'ny demaokrasia na ny fahalalahana, fa fangatahana amin'ny governemanta mba hiaro ny Farihy Urmia, iray amin'ireo farihy lehibe indrindra manerantany misy rano masira.

Syria: Mofo dipaina sy Propagandy

Raha niditra amin'nyherinandro fahatelo ny fanoherana any Syria, dia nisy fileferana nataon'ny governemanta Assad mba hampitonena ny mpanao fihetsiketsehana. Androany dia nanakatona casino vaovao ao amin'ny fireneny ny fitondrana mba hahazoany sitraka amin'ny miozolomana mpitahiry nentin-drazana.