16 Febroary 2011

Tantara tamin'ny 16 Febroary 2011

Bahrain: Ny Andron'ny Hatezerana

Tamin'ny toerana maro no nahitàna hetsika tany Bahrain androany, tao anatin'ilay nantsoina hoe Andron'ny Hatezerana teto Bahrain. Taitran'ireo zava-doza ny mponin'ny aterineto rehefa nahita ny fomba feno habibiana nataon'ny polisy nanoloana ireo mpanao fihetsiketsehana am-pilaminana hatramin'ny maraina vao niposaka, ary nalaky tokoa ny fifanakalozana rohy mankany amin'ny Twitter sy ireo tambajotra sosialy hafa misy an'ireo lahatsary mampihoron-koditra maneho ny habibian'ny polisy.

Ejipta: Mitohy ny fety ho an'ny fahalafahana (Lahatsary)

Hatramin'izay nivoahan'ny vaovao hoe tapa-kevitra ny hiala tsy ho filohan'i Ejipta i Hosni Mubarak, dia nandeha ny fety nanerana ny firenena. Nanerana an'izao tontolo izao, nankalaza tanaty firaisankina amin'ny vahoaka Ejiptiana ny vahoaka ary koa ny fahitany ny fahalalahany vaovao indray. Horonantsary maro hatrany no aseho eo amin'ny tambajotra sosialy ary amin'ireo tranonkala fizaràna horonantsary. Horonantsary mihamaro hatrany no alefa amin'ny tambanjotra sosialy sy horonantsary zaraina amin'ny tranonkala. Vahoaka antapitrisany no naka sary tamin'ny zoro samihafa ny fotoam-pankalazana amin'ny ankapobeny. Ireto misy ampahana horonantsary naseho tamin'ny aterineto.

Ejipta: Wael Ghonim navotsotra?

Fanampim-baovao:Naheno tsaho maro mifanohitra izahay momba ity tantara ity any an-toerana ary miandry porofo bebe kokoa manamarina fa navotsotra i Ghonim. Navotsotra androany i Wael Ghonim, mafana fo Ejiptiana amin'ny aterineto sady mpiasan'ny Google, noho ireo Ejiptiana mbola manohy mangataka ny fifaranan'ny fitondràn'i Mubarak. Notendren'ireo mpitolona ao amin'ny Kianja Tahrir ho mpitondra tenin-dry zareo i Ghonim, mba hanerena ny governemanta hamotsotra azy.