Ity lahatsoratra itu dia iray amin'ny amin'ny tatitra manokana ataonay mikasika ny Fanoherana tany Ejipta taona 2011.
Nandritra ny herinandro lasa, nahasarika ny fijerin'izao tontolo izao ny toerana toa ny Kianja Tahrir, Suez sy ny KFC, ary koa ny anarana toy ny an'i Wael Ghonim, Omar Suleiman sy i Hosni Mubarak. Nefa ora vitsy taorian'ny nanonganan'ny vahoaka Ejiptiana ny fitondrana, dia nirona tamin'ny olona iray ny saina – ilay lehilahy ao an-damosin'i Omar Suleiman':

Omar Suleiman, sy ilay lehilahy ao andamosin'i Omar Suleiman.Avy amin'ny fahitalavitra Ejiptiana ihany, saingy azon'ny rehetra alaina malalaka.
Hita ao andamosin'ny filoha lefitra Ejiptiana ity olon-tsy fantatra ity tamin'ireo lahateniny nandritra ny korontana. Tsy misy mahay ny anarany, na ny ataony, nefa tsy nanakana ny olona izany amin'ny hananganana pejin'ny Facebook ho azy amin'ny anarana hoe ‘Ilay lehilahy ao ambadik'i Omar Suleiman‘.
Tsy nitsahatra ny resabe nanodidina ity lehilahy ity teo amin'ny pejin'ny Facebook, izay nahitana mpankafy miisa 40,000 talohan'ny namafana azy taty aoriana kely; misy ihany koa ny kaonty Twitter sy ny tenifototra natao ho azy. Ireto misy tweet mampihomehy vitsivitsy:
Ny mpampiasa Twitter Malak El Ezzawy dia nanapa-kevitra ny hanaraby ny laingan'ny fahitalavi-panjakana Ejiptiana sy ny nataony hitsipahana ny zava-nitranga farany nandritra ny revolisiona.
Ahitana kaonty sandoka ihany ihany koa ao amin'ny Twitter ho an'ireo lohandohany tao amin'ny fitondrana niongana, ahitana an'i Hosni Mobarak sy i Habib El Adly, ary tena azo antoka fa nandray anjara tamin'ny raharaha #TheGuyBehindOmarSuleiman izy ireo.
Nisy ihany koa ny fanamboarana sarisary anaty aterineto; ireto misy santionan-tsary nangonina tao amin'ny kaonty BehindOmar TwitPic :

Ny horonantsary'Inception' miverina indray… sary avy amin'ny kaonty TwitPic an'i BehindOmarSuleiman.
Dia ahoana raha i Omar Suleiman sy ilay lehilahy ao andamosin'i Omar Suleiman no mifamadika toerana?

Teoo am-panamarinana ny fatran'ny loko fotsy mihitsy ny mpaka sary … sary avy amin'ny kaonty TwitPic an'i BehindOmarSuleiman.

Fihaonan'ny Kabinetra Ejiptiana natao teo anoloan'ny sarin'ny 'man behind Omar Suleiman'. Ny vaovao azo etsy ambany dia milaza hoe "fihetsiketsehana goavana no misy ao an-kianja Tahrir hahafantarana ny mombamomba ilay lehilahy aorian'i Omar Suleiman". Sary avy amin'ny kaonty TwitPic ani BehindOmarSuleiman.
Farany, fantatra ihany ilay lehilahy fa hoe ny lietna kolonely Hussein Sharif ao amin'ny tafika Ejiptiana. Olona maro no mihevitra amin'izao fotoana izao fa tsy mendrika hatao intsony ny manaraby azy , ka nofafana ny pejin'ny Facebook voalaza teny ambony.
Vaovao hafa indray izao no namboarina, mangataka ny olona hiala tsiny aminy taorian'ny nanaovana azy ho ivon'ny ‘fanalana azy’ tsy nahy.
Ity lahatsoratra itu dia iray amin'ny amin'ny tatitra manokana ataonay mikasika ny Fanoherana tany Ejipta taona 2011.