02 Marsa 2010

Tantara tamin'ny 02 Marsa 2010

Bolgaria: Adihevitra momba ny Islamo

  02 Marsa 2010

Nisy olona 40 nanatrika adihevitra mitondra ny lohateny hoe “Islamo heverina ho mampatahotra – lamaody indray ve?” izay notontosaina tao amin'ny “Trano mena” Ivo ho an'ny kolontsaina sy ny adihevitra tao an-drenivohitr'i Bolgaria, Sofia tamin'ny 26 febroary teo. Anisan'ny mpandray anajra fitenenana tamin'izany i Saleh Breh, mpahay haisaina (psychologue) ao...

Rosiana maro vonona ny handoa vola ny votoaty an-tserasera

Akon  02 Marsa 2010

Fanadihadiana vaovao nataon'i Nielsen no nampiseho fa mihoatra ny antsasaky ny Rosiana no vonona ny handoa vola amina votoaty an-tserasera. Fa ny mahatalanjona amin'ny valin'izany fanadihadiana izany sy ny famakafakana azo sintoina aminy dia mivoaka ao amin'ny Slon.ru (ampiasao ny mili-pandikan-teny).

Global Voices teny Espaniola Mpitsara fifaninanana fanaovan-gazety Bottup

  02 Marsa 2010

Manaiky ny fisoratana handray anjara amin'ny fifaninanana fanaovan-gazety andiany faharoa hatramin'ny faha-15 marsa ho avy izao ny vohikalam-panaovan-gazety Espaniola Bottup. Hotondroina ho “Solontena manokan'” ny Bottup ary homena loka fandehanana maimai-poana any amin'izay toerana rehetra tiany hanaovana fanadihadiana (€1800 farafahabeny) izay mandresy amin'izany. Tafiditra ho anisan'ny mpitsara hifantina izay homena ny...