Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

14 Aogositra 2009

Tantara tamin'ny 14 Aogositra 2009

Caucasus: Resadresaka niaraka tamin'i Micael Bogar

Taorian’ireo disadisa telo tsy nahitam-bahaolana sy olana ara-poko maro dia toa tsy dia hita taratra loatra ny fandriampahalemana sy fitoniana any atsimon’I Caucasus Taorian’ny nipetrahany sy niasany tany an-toerana nandritra ny taona maro, talen'ny Tetikasa Center for Social Media ao amin’ny anjerimanontolon’I Amerika izao i Micael Bogar ary miresaka amin’i...

iran:twitter sy facebook notsaraina

Omaly, niditra tamin'ny fihodinana faharoa tamin'ny fitsarana ireo mpanohitra sy mpanao politika refôrmista [mpitaky fiovana]  ny manampahefana iraniana. Tamin'ireo voapanga tamin'ity andiany ity dia nahitàna  vehivavy frantsay iray  24 taona, Clotilde Reiss, nampangaina ho nanao asa fitsikilovana. Saiky ny ankamaroan'ireo voapanga no voatondro ho nitarika ny olona hikomy sy manohitohina...

Uruguay: CIP, Vohikala ho an’ireo horonantsary sy ireo sarimihetsika fohy

Antsoin-dry zareo hoe fomba iray hafa hamoahana ireo video vokariny izy ity mba tsy hifaninanany amin’ireny video novokarina tany an-trano ho fankalazana tsingerintaona ireny, ireo videoan-tsaka ary ireo horonantsarin-kira ho an’ny karaoke. Tanora roa avy any Uruguay no nanapa-kevitra hanova ny zava-misy ka namorona ny Cip, vohikala natokana hanehoana ny...