Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

11 Febroary 2009

Tantara tamin'ny 11 Febroary 2009

Paragoay : miresaka ny tantarany ireo mpifindra monina

Efa tantara mahazatra izy ity manerana an'i Amerika Latina, izay hikarohan'ny mpifindra monina ny tany tsaratsara kokoa amin'ireo firenena mifanolo-bodirindrina aminy na any amin'ireo firenena lavitra. Tsy hafa fa mitovy amin'izany koa ry zareo Paragoiana izay mandao ny namany sy ny fianakaviany mba hitady ny tsaratsara kokoa, na izany ao...

Korea: Ny taombaovao an-aterineto sy avy amin'ny onjam-peom-pirenena

Mampientanentana ny olona na aiza na aiza ny fiandrasana ny taona vaovao. Miara-mivory amin'ny toerana iray ny olona mandray ny taona vaovao. Eto Korea dia eny amin'ny tilikambom-pamataranandron'i Bosingak ny olona no mifamotoana. Kanefa toa niainga tamin'ny korontana ity taona ity. Tsy maintsy nametraka ny onjam-peom-bahoaka KBS eo amin'ny toeran'ny...

Sina: Ady mafy vao mba tafody hihaona amin'ny fianakaviana

Dia lavitr'ezaka no mialoha ny Lanonamben'ny Lohataona fety malaza ho an'ny rehetra, Raha ny mahazatra hatrizay dia andro vitsy mialohan'ny fiandrasana ny Taombaovao Sinoa izy io no manomboka. Ary rehefa tonga indray ny fotoana hifandaozan'izy ireo amin'ny fianakaviany, dia tapitra eo koa ilay fialantsasatra fohy fa dia lavitr'ezaka hafa indray...

Malezia : ady amin'ny dengy sy ny tsikongonia

Vokatry ny fitomboan'ny olona mararin'ny dengy dia manao fanentanana amin'ny ady amin'ity aretina ity ny fanjakana Maleziana. Araka ny fantatra tamin'ny volana lasa dia nahatratra 4 521 no isan'ny olona narariny ary 13 no matiny. Mampatahotra ny fiakaran'isan'ireo mararin'ny dengy. Tamin'ny taon-dasa dia nahatratra 49 335 ny isan'ny olona narary...