Korea: Ny taombaovao an-aterineto sy avy amin'ny onjam-peom-pirenena

Mampientanentana ny olona na aiza na aiza ny fiandrasana ny taona vaovao. Miara-mivory amin'ny toerana iray ny olona mandray ny taona vaovao. Eto Korea dia eny amin'ny tilikambom-pamataranandron'i Bosingak ny olona no mifamotoana.

Kanefa toa niainga tamin'ny korontana ity taona ity.

Tsy maintsy nametraka ny onjam-peom-bahoaka KBS eo amin'ny toeran'ny voampanga ny olom-pirenena. Voapanga ho namorona mivantana an-tsary sy am-peo ho amin'ny alin'ny faran'ny taona i KBS. Hosoka ny horonantsary midify tsy maka sary ireo mandray anjara maro ary namboamboarina ny sary. Nijoro (amin'ny maha-izy azy) kosa ny televiziona an-tserasera sy ny lahatsarin'olom-pirenena fa tsy tahaka ny an'ny (fanjakana).

Manakiana an’I KBS ny orinasan-tserasera hafa ary manontany ny dikan’ny atao hoe onjam-peom-pirenena.[EN]

Betsaka koa ny olona sosotra amin’ity toe-javatra ity.

2009년 새해를 맞이하는 순간, 보신각에 있었습니다. 물론 촛불과 함께였습니다. 수많은 사람들의 손에는 촛불과 “이명박 OUT” 등의 구호가 담긴 손팻말이 들려있었습니다. 입으로는 저마다 “언론장악 반대” 등의 구호를 힘차게 외쳤습니다. 하지만 뒤늦게 KBS 생중계를 보니 현실과 완전히 다른 가짜 세상을 창조해냈더군요.[…]
Tany Bosingak aho tamin’ny taombaovao 2009. Nitondra labozia tokoa aho. Maro ny olona no nitondra labozia sy sora-baventy milaza hoe: “Miala i Lee Myung Bak”. Nihokakoraka tamin’ny feo mafy ry zareo hoe:”Toherinay ny faneriterena ny fampahalalam-baovao”. Kanefa, rehefa nahita ny KBS TV taty aoriana dia hitako fa namoroporona ry zareo izay tena mifanalavitra amin'ny marina.

Mandinika kokoa ity toe-draharaha ity ny olona rehefa nambara ny fitsipika vaovao mifehy ny fampahalalam-baovao.

국민여러분…. 우리 다시 일어나야 합니다.우리가 mbc파업에 적극 지지해야합니다.우리 모두를 위해….. 지금 현 정권이 하려하는 언론악법 막아야 합니다.언론악법은 미친소 수입 못지않게 위험한 일입니다.역사가 거꾸로 가고 있습니다. 70~ 80년 독재정권을 향해 몸부림치면 지킨 민주주의가 무너지고 있습니다. 1월 1일 kbs 보신각 영상을 볼때 삭제된 목소리들을 들어보니….. 이것이….. 왜곡된 진실이구나..하는 생각을 하게되었습니다.영화를 보면 독재정권을 하려는 무리들이 제일 먼저하는 것은 언론장악이고 진실왜곡이라는것 …. 잊지맙시다. 옛날에 영화 브이 포 벤데타 를 봤는데…우리 나라 현실과 비슷하게 보였어요…우리가 이대로 무너지면…이 영화보다 더 비참한 삶을 살게 될꺼예요.절대로 촛불 꺼지지않게 밝혀요. 자유, 민주, 정의 살려요~ 막아야합니다. 촛불을 들고 나갑시다. 국민이 없는 정부,…….. 국민을 우습게 생각하고, 무시하는 정부. 누가 대한민국의 주인인지 똑똑히 보여줍시다.

Tokony hijoro indray isika ry vahoaka. Tokony tohanantsika foana ny fihetsiketsehan’I MBC mba ho tombotsoantsika……… tokony sakanantsika ny lalanan’ny fampahalalam-baovao isisihan'ny fitondram-panjakana. Mandroso mihemotra ny tantara. Mikoro tsikelikely ny demokrasia izay azontsika tamin’ny fanoherana ny jadona tamin’ny taona 1970-80. Raha naheno ny feo (fahamaroam-pitenenana) izay nofoanana tamin'ny 1 janoary, dia nieritreritra aho fa… fahamarinana diso izany. Any amin'ny sarimihetsika sasantsasany ny vondrona mpanao jadona dia mifehy fampahalalam-baovao aloha voalohany indrindra dia mampiely vaovao diso amin'izay. efa nahita ny sarimihetsika mitondra ny lohateny hoe V midika Valifaty aho. Toa izany no zavamisy atrehintsika amin'izao fotoana izao. Raha manaiky resy isika dia ho loza kokoa noho ny ao amin'ny sarimihetsika no hiainantsika. Iangaviana mba andrehitra ny labozianareo ianareo. Aleo ankalazaina ny fahafahana, ny demokrasia ary ny fahamarinana. Tokony hivoaka miaraka amin’ny laboziantsika isika. Governemanta tsy misy vahoaka………Governemanta izay manambany ny olona. Tokony asehontsika hoe iza no tompon’ity firenena ity.

Maro ny olona mitady ilay fantsom-baovao an-aterineto.

어제 kbs방송하는거 보셨을거라 생각 합니다. 그어디에도 시민들의 목소리,함성,모습은 없었습니다. 국민들의 눈과 귀를 막은 사건이 벌어졌습니다. 언론 악법이 통과 돼면 어재보다 더하면 더하지 이건 뭐 완젼 코미디 수준을 넘어서 정말 경악 그 자체였습니다.보신각에 나오신 일반 시민들의 90%가 독재 타도 이명박은 물러가라!!를 목터지게 외쳤습니다.

그런데 어제 kbs방송을 보십시요. 방송기술이 정말 발전하긴 했나봅니다. 사자후 tv에 가시면 진짜 방송 보실수 있을 겁니다.

Mihevitra aho fa nahita ny nasehon'ny KBS ianao omaly. Tsy nisy feon’ny olompirenena tao. Nisy sehon-javatra izay nanampina ny maso sy ny sofintsika tao. Raha lany io lalànan'ny fampahalalam-baovao io, dia hisy ihany ny fihatsaram-belatsihy (na fanalan'andro = comédie) tahaka izao. Tena mampidi-doza ity fa tsy hoe zava-mahatsikaiky (comédie) fotsiny. Tokotokony ho ny 90 isan-jaton’ny olom-pirenena tany Bosingak no manohitra an'i Lee Myung Bak. Kanefa tokony ho hitanareo hoe inona no nasehon’I KBS omaly. Hita fa nisy fivoarana ny fahaizam-pampitam-baovao. Raha mijery ny Sajahoo TV ianareo dia ao ny vaovao tena nisy.

Blaogy maro no mampitaha ny horonatsary anankiroa.

2009년 새해 맞이 현장을 직접 볼 수 없는 상황이기에 공영방송 KBS와 인터넷방송 사자후TV를 인터넷을 통해 동시에 시청하였습니다. […]같은 지역임에도 너무도 다른 영상의 모습에 더 관심을 갖게 되었습니다.

인터넷 방송에서 보여준 폭넓은 앵글로 보았을때는 많은 분들이 촛불을 들고 피켓을 들고 깃발을 들으면서 구호를 외치고 있었습니다. 그리고 보신각 주위에 모인 시민분들을 보호(?)하기 위함인지 감시(?)하기 위함인지 모르는 경찰들이 시민의 인원보다 더 많이 배치되어 둘러 쌓여 있었습니다. […]

그러한 시민들의 분위기를 KBS생중계 방송에서는 유독 쉽게 찾아볼 수 없었습니다. 2초 정도의 스틸컷 (대략 10번 이내로 생각됨)과 100m가량 떨어진 곳에서의 전체 앵글 몇번이 현장을 보여주는 전부였고 나머지는 노래부르는 가수들과 두 진행자와 게스트들의 클로즈업 뿐이었습니다.

하지만 제 눈을…아니 제 귀를 의심하게 한 것은 가수들이 노래를 할 때에 그리고 중간중간에 삽입되던 음향효과가 너무도 현장과는 달랐던 것입니다. 실온에서 물이 얼어버리는 영하 10도의 날씨이기 때문에 많은 분들이 손을 주머니에 넣거나 장갑을 끼고 있었고 진행자의 마이크에도 섞여 들어갈정도로 구호소리가 거세게 외쳐지고 있음에도 마치 박수소리는 예술의 전당안에서의 기립 박수의 느낌이었습니다[…]

Tsy nanam-bintana nahita an-tsary ny fandraisana ny taona vaovao 2008 aho. Niara-nojereko nandritra ny fotoana iray ny fahitalavi-pirenena, ny KBS, ny Sajahoo TV ary ny fatsom-baovao amin'ny aterineto aho. Na dia toerana iray aza no naseho dia tsy nisy nitovizana ny horonantsary nipoitra. Rehefa nijery tao avy tamin'ny alalan'ny zoro iray lehibe aho dia nahita olona betsaka nitondra labozia sy mitondra saina eny an-tanany ary miantsoantso teny tigetra. Teny amin'ny manodidina an’i Bosingak, dia maro noho ny isan’ireo olom-pirenena ireo polisy nanodidina azy ireo mba hiarovana sy hijerena ny fihetsiky ny olom-pirenena. Na izany aza, tsy hita tao amin’ny KBS io fitrangan-javatra io. Nisy fahatapatapahana foana isaky ny roa segondra (latsaky ny im-polo miantoana) ary ny zoro lehibeny dia manalavitra kokoa any amin'ny 100 metatra any ho any. ny ambin'ny horonantsary moa dia feno mpihira sy toby Televiziona.

Na izany aza, ny tena nanohina ahy dia ny feo avy amin’ny Televiziona roa tsy misy itovizana velively. Latsaky ny 10 degre ny hatsiaka (ny mari-pana). Noho izany, betsaka ireo olona miakanjo fonon-tanana na manitrika ny tanan’izy ireo anaty paosy. Mirohondrohana tokoa ny horakoraky ny olona ka na ianao mpitazana aza afaka maheno izany. Fa ny tehaka izay henontsika dia toy ny feon-tehaka avy any amin'ny tranompokonolona.

Hyejin Kim

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.