Tantara tamin'ny 31 Janoary 2009
Madagasikara: Nitono-tena ho filoham-pirenena ny Ben'ny tanàna
Nivadika ho adim-pahefana hiandraikitra ho filoham-pirenena indray ny fifanandrinana misy eo amin'i filoham-pirenena Marc Ravalomanana sy ny Ben'ny tanàna Andry Rajoelina izay efa nampisaritaka ny Malagasy
Madagasikara: Fahapotehana tsy roa aman-tany
( Zandary eny an-tanàna, sary Mehmoud Karim) ) Taorian'ny rotaka nandritra ny roa andro sy ny fahafatesan'olona heverina ho 80 manerana ny firenena, ny fandrobana toeram-pivarotana ampolony dia milamindamin-dratsy ny...
Costa Rica: Nampihitsoka ny olom-pirenena sy ny mpitsidika ny Horohorontany 6.2
Nipaka tao am-pon'ny Costa Rica ny Horohoron-tany 6.2, izay nanana ivo-kotroka (epicentre) 35Km fotsiny tao Vara Blanca. Miala amin'ny renivohitry San Jose. Tao amin'ny lemaka afovoany, dia nahitana fahavakisana sy entana ravarava niparitaka eny amin'ny talatalana, na dia izany aza, dia ny toe-javatra manakaiky ny ivo-kotroka no tena lasibatra, tahaka izany koa ireo tendrombohitra an-dafin-toerana nianjera ary ireo fihotsahan'ny tany noho ny dibo-drano. Azo fantarina aloha ny mety iharan'ny loza, fa hatreto kosa dia 3 no voamarina fa maty.