Madagasikara: Fahapotehana tsy roa aman-tany

( Zandary eny an-tanàna, sary Mehmoud Karim) )

Taorian'ny rotaka nandritra ny roa andro sy ny fahafatesan'olona heverina ho 80 manerana ny firenena, ny fandrobana toeram-pivarotana ampolony dia milamindamin-dratsy ny firenena ankehitriny.

Mivezivezy manerana an'Antananarivo ny miaramila ary samy miantso fitoniana ny roa tonta ankehitriny. Miantso hanaovana an'Antananarivo ho “tanàna maty” androany (alakamisy 29 janoary) ny Ben'ny tanànan'Antananarivo, Andry Rajoelina, mandrisika ny lona hitoetra any an-tranony, fa hanatrika kosa ny famoriam-bahoaka hotontosaina ny Asabotsy 31 Janoary. Nihaona tamin'ny fahefana mpanatanteraka sy ny mpitondra fivavahana ny filoha Ravalomanana hikaro-bahaolana amin'izao fikorontanana izao. Maro amin'ny masoivoho vahiny no nampilaza ny olom-pireneny hitandrina tsara raha tsy maintsy ho aty Madagasikara.

Manontany tena amin'ity lazaina eto an-toerana ho “Alatsinainy matroka” ity ny mpamaham-bolongana raha mbola manjaka ny korontana sy ny fahatezerana.

Mialisoa Randriamampianina nanoratra fa tokony ho samy handray ny andraikiny ny roa tonta amin'ity “fahapotehana tsy roa aman-tany” ity(fr):

Marc Ravalomanana et Andry Rajoelina se défendent de toute responsabilité face à cette incroyable débandade : cela ne les dédouanera pas d’avoir allumé la mèche sur une poudrière. En même temps, l’audace de se croire «innocents» devant ce chaos général relève d’une impressionnante mauvaise foi

Samy miala andraikitra i Marc Ravalomanana sy i Andry Rajoelina tamin'ity loza tsy roa aman-tany ity: tsy manala azy ireo tamin'ny fandrehetana afo teo ambony barikam-banja anefa izany. Tena fihatsarambelatsihy mahavariana mihitsy ny fahasahiana milaza tena ho “tsy manantsiny” miatrika ity voina lehibe ity


( Sarin'afo sy fiara potika Jentilisa )

Mpanao gazety mpamaham-bolongana fantatra amin'ny hoe POV no manazava fa efa niorim-paka hatry ny ela sy noketrehin'ny mpitondra taloha tsara noho ny fifaninanan'ny roa tonta any amin'ny fiainana andavanandro any izao fifankahalana teo amin'ny roa tonta izao (fr):

Les observateurs estiment que le jeune maire ne serait pas aussi téméraire sans être « appuyé ». Histoire de dire que toute cette manœuvre est soutenue par des hommes de l’ombre [..] A en juger par les milliards que Andry Rajoelina dilapide dans cette guéguerre, l’on estime qu’il jouit d’un puissant sponsor. Personne n’ose le dire, mais beaucoup le pensent…tout bas : les caciques de l’ancien régime.

Maro ny mpanaramaso no mihevitra fa tsy sahisahy tahaka izao ity Ben'ny tanàna tanora ity raha tsy nisy “nanosika” ao ambadika. izany hoe misy fanohanan'olona any ambadiky ny lambam-baravarana tsy hita any. […] Raha jerena ny vola amina miliara lanian'i Andry Rajoelinais amin'ity “ady” ity, dia azo heverina fa manana mpanohana ara-bola matanjaka ny lehilahy. Tsy misy sahy mitabataba izany, nefa maro no mihevitra an'io: ny mpitondra teo aloha ireo

Fa na iza anefa na iza miafina any ambadika any, ny hitan'ny olona dia faty may tanteraka, fivarotana vaky sy ny tanàna haolo amin'ny ankapobeny. Maro ny vondrona ao amin'ny Facebook no miantso ny hiverenan'ny filaminana eto Madagasikara ary mampiseho ny fitiavany ny tanindrazany tsy mijery firehan-kevitra politika sy ny fiorivorian'ny olona an-jatony nandritra ny andro vitsivitsy izao. Mafana ny adihevitra (fr):

Ao amin'ny dinika, ” Leon'ny tsy filaminana politika eto Madagasikara“ no itenenan'i Mandy (fr):

je souhaite dire stop à ces politiciens qui ne pensent qu'à leurs gueules: Laissons les urnes s'exprimer.

Aoka izay ny amin'ireo mpanao politika bevava ireo: aleo ny fifidianana no hiteny.

Vondrona hafa antsoina hoe “TSIA, tsy isan'ireo izay manakorontana” koa miantso firaisan-kina:

Conscient que malgrès la difficulté, nous saurons relever la tete
-Conscient que la victoire ne peut s'obtenir que par l'unité
-Conscient que le patriotisme ne rime pas avec extremisme,

Mahatsapa fa na dia eo aza ny fahasarotana dia hainay ny mitraka.
-Mahatsapa fa amin'ny alalan'ny firaisan-kina ihany no ahazoana fandresena
– Mahatsapa fa tsy midika ho tsy azo iadian-kevitra akory ny atao hoe fitiavan-tanindrazana.

Ary farany misy ny mpanolotena ao amin'ny Peace Corps, diso fanantnana amin'ny tsy filazan'ny gazety Amerikana ny toe-draharaha no nanangana vondrona fanangonana ny aovao farany mikasika ity krizy ity sy ny manodidina azy ho an'ireo mpiara miasa aminy manerana an'i Madagasikara. Izao ny aoao farany anoakan'i John Elliot:

Yesterday the U.S. ambassador met with Ravolamanana to try and talk sense to him, but bore little fruit. His car was attacked/rocked by a mob after leaving the meeting. Now the economic impact is more threatening than the violence. Gas prices have skyrocketed, food will soon follow. Gas stations are like parking lots, lines around the block, and most are out of gas.

Nihaona tamin-dRavalomanana ny Masoivoho Amerikana handresy lahatra azy saingy aim-bery maina izany. Nisy nitoraka ny fiarany nony nandao ny fihaonana izy. Ankehitriny dia ny fiantraikany ara-toe-karena no atahorana kokoa noho ny herisetra nihatra. Niakatra haingana ny vidin'ny lasantsy, hanara-dia azy koa ny vidin-tsakafo. tahaka ny lasa fitobian'ny fiara ny toeram-paninjaran-tsolika, ary efa lany lasantsy ny maro amin'izy ireo.

Lova Rakotomalala

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.