Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

07 Marsa 2008

Tantara tamin'ny 07 Marsa 2008

Afrika : Mpitoraka Blaogy Sary, Blaogy, Sary mihetsika

Topazana maso i Afrika amin'ny alalan'ny sary mihetsiky ny gazetin'olontsotra. Hatramin'ny tompon-daka BoB, mpilaza tantara, mpanao sary mihetsika fanadihadiana momba ny mpanakanto, ny indostria mpanao sary mihetsika Nollywood any Nigeria sy ny maro hafa koa. Mahaliana sy vita tsara ny tantara an-tsarin'i Usnico : ny sary iray milaza ny manjo...

Iran : Mpianatra tsy manaiky fanasarahana ny lahy sy ny vavy

Mpianatra an-jatony tao amin'ny Shiraz University no nanohy ny fihetsiketsehana tsy mankasitraka ny fampisarahana ny lahy sy ny vavy tamin'ny atalata faha-4 marsa. Maniry ireo mpianatra mba hanafoanana ilay fanasarahina ny lahy sy ny vavy anaty lakilasy samihafy izay nanomboka tamin'ny volana febroary teo. Nangataka ny mpianatra ny hialan'ny prezidan'ny...

Tsy mankasitraka vehivavy miakanjo maivana

Sarimbehivavy tsy manao Hijab, asehon'ny gazety miseho isan'andro, nanoratra momba ny fankalazana ny andron'ny fampianarana tany Bahrain, andro koa fanomezam-boninahitra ny mpianatra mahay indrindra, no niantombohan'ny raharaha. Mitaraina i Jaffar: من خلال تصفحي لجرائدنا المحلية الأسبوع الفائت.. كنت أشاهد صور كثيرة لفعاليات عيد العلم وأخذت أقلب الصور وأفكر فيها.. صور...

Ministry ny fifindra-monina Frantsay : “tsy firenena manavakava-bolo-koditra i Frantsa”

Ny Forum Realisance no mitatitra izay tafatafa nifanaovan'i Brice Hortfeux, Ministry ny fifindra-monina Frantsay tamin'ny gazety Jeune Afrique mikasika ny fampidirana ny fitiliana ADN hoan'ireo mpifindra monina, ny famerana ny isan'ireo mpiavy, ny fandroahana an-keriny ireo izay tsy manana taratasy ara-dàlana intsony sy ireo fanapahan-kevitra politika samihafa izay nitarika resabe, alohan'ny amehezana...