Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Oktobra, 2017
Bilaogera Iraniana Miresaka Momba Ny Andro Manerantany Ho An'ny Vehivavy
Voaràra mafy nandritra ny roa taona farany ny zon'ny vehivavy tao Iran. Nogadraina ireo vehivavy mpikatroka sasany, ary voaràra ny Zanan Magazine, gazetiboky malaza momba ny vehivavy. Maro koa ireo hafa niharan'ny herisetran'ny mpitandro ny filaminana noho ny fomba fiakanjon'izy ireo.
Iran: Balatarin, Tantara Momba Ny Median'Olon-Tsotra Nahita Fahombiazana
Mehdi Yahyanejad no mpanorina ilay tranonkala tena mahomby Balatarin. Balatarin (izay midika hoe 'ambony indrindra' amin'ny teny persiana) dia habaky ny vondrom-piarahamonina izay ahafahan'ny mpiserasera mandefa rohy ao amin'ny pejy habaka tian'izy ireo.
Tafaverina An-Tserasera ao Iran Ankehitriny ny Tranonkalam-Pihainoana Hira Soundcloud sy Spotify

Efa azon'ny Iraniana idirana amin'izao fotoana izao ny Spotify sy ny Soundcloud.
Iran: Misaona An'ireo Namoy ny Ainy Tamin'ny Fihetsiketsehana
Iraniana an'arivony no nivory tao amin'ny fasana iombonana Behesht Zahra tany Teheran tamin'ny Alakamisy mba hahatsiaro an'i Neda Agha-Soltani sy ireo niharam-boina tamin'ny hetsi-panoherana. Am-polony ireo namoy ny ainy ary an-jatony no nogadraina nandritra ny hetsi-panoherana nanomboka tamin'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny volana Jona.
Iran: Firenen'Ny Bilaogera
Noforonin'ireo mpianatra tao amin'ny Sekolin'ny Fianarana Horonan-tsarimihetsika Vancouver (VFS) ny lahatsary fohy eto ambany, "Iran: Firenen'ny bilaogera". Namorona ity lahatsary ity ho ampahan'ny asan'izy ireo hanaovana ny programa Famoronana Nomerika VFS i Aaron Chiesa, Toru Kageyama, Hendy Sukarya sy Lisa Temes.
Fizahan-tany, Vietnam Silamo & Bilaogy
IranMehr (Persiana) miresaka momba ny olan'ny indostrian'ny fizahan-tany any Iran. Nanoratra izy na dia eo aza ireo manintona ao amin'ny firenena toy ny tsangambato mana-tantara, ireo tanàna fahiny, sy ny tontolo iainana.
Sariitatry ny Mpaminany sy ny Krizy Nokleary
Lohahevitra mafana eo amin'ireo bilaogera ny sariitatra 12 an'ny Mpampinany Silamo navoakan'ny gazety Danoa, Jyllands Posten. View from Iran,
Ny Tsy Fanaovana Herisetra, Ny Fandalàna Ny Nentim-paharazana ary ny Zon'Olombelona
Nanao antsafa niaraka tamin'ny Dr. Brian Martin, mpanoratra ny tsy fisian'ny herisetra, ary mpampianatra mpiara-miombon'antoka ao amin'ny Siansa, Teknolojia ary ny Fiarahamonina ao amin'ny Oniversiten'i Wollongong ny Fanousian, bilaogy iombonana. Efa nifantoka tamin'ny hetsika tsy mila herisetra nandritra ny volana maromaro ity blaogy ity.
Andron'ny Vehivavy sy ny Firaisankina
Mikarakara fihaonambe mandritra ny Andron'ny Vehivavy ny vehivavy Iraniana sy ny bilaogera. Mampahafantatra antsika i Zannevesht, bilaogera & mpanao gazety Iraniana fa hisy ny fihaonambe hototonsaina ao amin'ny sampan'ny siansa sosialy ao amin'ny anjerimanontolo ao Teheran amin'ny 8 martsa. Ny lohahevitra lehibe horesahina dia ny herisetra atao amin'ny vehivavy.
Bilaogera & Raharaha Nokleary
Tatitra momba ny fandaharan'asa nokleary Iraniana nalefan'ny IAEA tany amin'ny Filankevitry ny Fiarovana ao amin'ny Firenena Mikambana. Manana zavatra maro hozaraina mikasika ity hetsika lehibe ity ny bilaogera.