Iran: Firaisan-kina amin'ireo gadra mitokona tsy mihinan-kanina

Nisy ireo fihetsiketsehana nokarakaraina nanerana ny tanàna 25 fara-faha keliny maneran-tany ny Sabotsy 25 Jona 2011, mba hanehoana ny firaisan-kina amin'ireo gadra politika miisa 18 eo ho eo izay mitokona tsy mihinan-kanina any amina fonja Iraniana roa.

Natombok'ireo gadra politika izany fitokonan'ny hanoanana izany tamin'ny fahafatesan'ny mafana fo ara-politika roa, Reza Hoda Saber sy Haleh Sahabi. Nofaranany [fa] tamin'ny takarivan'ny Alahady izany fitokonana tsy hihinan-kanina izany.

Ny Hetsi-Panoherana Maitso dia nandefa antso ao amin'ny Facebook mba hanaovana fihetsiketsehina maneran-tany:

Iran green

Ny Hetsi-panoherana Maitso dia manambara ny fanokafana ny “fifadian-kanina politika” mandritry ny herinandro manomboka ny Alahady 19 2011, mitaky ny fanamelohana mafy kokoa ny famonoana an'i Haleh Sahabi sy Hoda Saber. Ankoatra izay, ny 25 Jona dia hotanterahina manerana ny tanàn-dehibe maneran-tany ny hetsiky ny “Onja Mainty”, manohitra ireo famonoana tsy ara-drariny ireo sy ny fitohizan'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ataon'ny Repoblika Islamikan'Iran.

Ireo fihetsiketsehina dia natao tany amina tanàna 25 fara fahakeliny tahaka an'i Ankara, Tiorkia London, United Kingdom, ary Oslo, Norway.

Ny bilaogy Nehzatsabz dia manoratra fa maro ireo mpangataka ny fiarovana any Tiorkia nanao fihetsiketsehina tany Ankara. Namoaka sary maro tamin'ity fihetsiketsehina ity io bilaogy io.

London

Manoratra i Thavolesabz fa nizara voninkazo fotsy ireo mpanao fihetsiketsehana ho fahatsiarovana an'i Hale Sahabi sy Hoda . Jereo ato ireo sary rehetra. Nampiseho ny sarin'ireo mpiitokona tsy nihinan-kanina ihany koa ireo mpanao fihetsiketsehana.

Oslo

Mohammad Mostafai, mpahay lalàna momba ny zon'olombelona izay nitsoaka an'Iran, dia miteny ao amin'ny lahatsary (eto ambany) fa niharatsy ny toe-pahasalaman'ireo mpitokona tsy nihinan-kanina:

Renay ny feon'izy ireo ary tianay ho henon'izao tontolo izao… Isan'ora izahay dia maheno vaovao ratsy foana mikasika ny fampijaliana sy fampidirana am-ponja mandritra ny fotoana lava mihatra amin'ireo gadra politika any Iran.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.