Iran: Bilaogera momba ny Tontolo Iainana Torian'ny Manampahefana Eny Amin'ny Fitsaràna

Houman Khakpour, bilaogera iray miresaka momba ny tontolo iainana ao Iran dia nenjehin’ny Biraom-panjakana Miaro ny Tontolo Iainana ao amin’ny faritanin’i Chahrmahal Bakhtyari, noho ny fampitandremany mikasika ny loza aterak’ilay tetikasa fametrahana fantsona fitaterana solika eo amin’ny tontolo iainana eo amin’ilay faritra.

Khakpour dia nanazava tao amin’ny bilaoginy, Dideh ban Tabiate Bakhtyari (mpandinika ny natioran’I Bakhtyari) fa notoriana izy ho “manohintohina ny filaminam-bahoaka” sy “manely vaovao tsy marina.” Ny Sabotsy 28 May 2011, dia nanoratra izy hoe[fa]:

Taorian’ny nanoratako lahatsoratra iray momba ny fanaovan-dàlana iray, izay ny tena tanjona dia ny hampandalovana fantsona iray hitaterana solika hamakivaky ny faritra voajanahary arovana ao ‘Tang-e- Sayad’, Ny Biraom-panjakana Miaro ny Tontolo Iainana ao Chahrmahale Bakhtyari dia manenjika ahy ary tsy maintsy miatrika fitsarana eo anatrehan’ny mpitsara ao amin’ny tanànan’i Shahre Kurd aho. Ny lahatsoratro mikasika ity lohahevitra ity dia naverin’ireo vohikala maro navoaka indray.

Iranian environmental blogger Houman Khakpou.

Houman Khakpou, bilaogera miresaka momba ny tontolo iainana..

Tanatin'ilay lahatsoratra naha-be resaka iray volana lasa izay, nilaza i Houman Khakpour [fa] fa ny Biraom-panjakana Miaro ny Tontolo Iainana dia tsy nanisy olana  velively tamin'ny fanomezana alàlana ny hamakivakian'ilay fantsona fitaterana solika sy ny lalambe 10 km eo afovoan'ny  valan-javaboahary arovana iray.

Mojgan Jamshidi, mpanao gazety iray malaza amin'ny resaka tontolo iainana sady bilaogera koa, dia zendana tamin'ny vaovao sady niteny fa tsy sendra hetsika toy izany izy tato anatin'ny 40 taona farany. Hoy izy manoratra [fa]:

Tsy mampino mihitsy hoe ny lehiben'ny Biraom-panjakana Miaro ny Tontolo Iainana  izay milaza ho efa manana traikefa 11 taona niarahana tamin'ny media, no mitory bilaogera eny amin'ny fitsarana sy miampanga azy ho manakorontana ny filaminam-bahoaka sy manely vaovao tsy marina. Mahagaga fa ny manampahefana dia feno fandeferana  amin'ireo mamotika ny voary, nefa manenjika mafàna fo iray sy  mpandàla ny tontolo iainana.

Animal Persian milaza fa [fa] i Houman dia mandalina ny olan'ny tontolo iainana amin'ny maso tsy miangatra ao amin'ny bilaoginy. Traikefa 19 taona no ananany amin'io sehatra io. Miteny ilay bilaogera fa toa tsy mionona fotsiny amin'ny fanatantavànana (fanivànana) bilaogy momba ny tontolo iainana, fa koa mikendry mihitsy ny bilaogera amin'ny maha-bilaogera.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.