Tantara mikasika ny Fanoherana tamin'ny Novambra, 2014
Tara Loatra Ny “Fifonorohana sy Fifamelàna” Ho An'ny Governemanta Jamaikana Raha Tsikongonià No Resaka
Satria nanaiky ny praiminisitra fa niteraka "vonjy taitra nasiônaly" tao Jamaika ny Tsikongonià, nitazona ny tsy fahafaham-pony tamin'ny ezaky ny governemanta mba hanabe ny vahoaka sy ny tsy fandraisany an-tanàna ilay aretina ny olona.
Tsy Ireo Mpianatra Ayotzinapa Nanjavona Ireo Faty Hita Tao Atsimo-Andrefan'i Meksika
Tsy ireo mpianatra 43 nanjavona avy ao amin'ny Kolejy Ambanivohitra Raúl Isidro Burgos ao Ayotzinapa ireo faty hita tao anaty fanariam-pako ao Cerro Viejo, La Parota sy Cocula ao amin'ny fanjakana Meksikana ao Guerrero, voalaza fa eo am-panatontosana asa mikasika izany ireo manampahaizana momba ny fanaovana "autopsie" Arzantiniana.
Hoy Ny Thailandey Mpianatra tamin'ireo Mpanohitra ao Hong Kong: “Aza Mitsahatra’
Tsy ara-dalàna amin'izao fotoana izao ny manao na miditra anaty fihetsiketsehana, saingy nisy vondrom-pianatra Thailandey naneho ny fanohanany ireo mpanao fihetsiketsehana ao Hong Kong nandritra ny resadresaka manokana iray tao amin'ny Google Hangout.
Boky Iray Vaovao Okrainiana Mitantara Ny Euromaidan Aminà Hafatra An-jatony Nalaina Tamin'ny Facebook
Boky iray vaovao, mirafitra manontolo avy amin'ireo hafatra 700 nalaina taty anaty Facebook, mikirakira ireo zava-nitranga tamin'ny hetsi-panoherana Euromaidan araka ny nandraketana sy nilazàn'ireo Okrainina mpampiasa Facebook azy ireny.
Ankizy Mpitsoa-ponenana Ao Myanmar, Mizara Ny Tantarany Amin'ny Taokanto Ho An'y Maso
Mifototra amin'ireo atrikasa niarahany tamin'ireo tanora mpitsoa-ponenana avy any Birmania, manomana famoahana boky iray hamondronany ireo taokanto nataon'ny ankizy nandritry ny seminera nataony ilay Amerikana mpanoratra, Erika Berg .
Milaza Ilay Thailandey Mpianatra Fa Mitsikilo Ny Ataony Ny Fitondrana Miaramila
Niresaka tamin'ny Globak Voices momba ny zava-iainany amin'ny fampiroboroboana ny fanovana eo amin'ny governemanta tantanin'ny miaramila ao Thailandy i Nattanan Warintarawet, izay mandala ny famoriam-bahoaka sy ny fahalalaham-pitenenana.
Tanoran'i Djibouti Mijery Tàratra An'i Burkina Faso Mba Handrafetany Làlana Demaokratika
Tamin'ny 3 Novambra, nanao diabe ny Hetsiky ny Tanora Mpanohitra, namakivaky ireo arabe tao Djibouti hanoherana ny fibodoana fahefana nandritr ny 15 taona nataon'i Ismaïl Omar Guelleh.