Tara Loatra Ny “Fifonorohana sy Fifamelàna” Ho An'ny Governemanta Jamaikana Raha Tsikongonià No Resaka

Lehilahy avy any amin'ny Repoblika Dôminikàna manondrika ny lohany raha zazakely iray kosa miditra ny hopitaly iray mba hotsaboina.Niparitaka haingana be nanerana ny Karaiba ilay aretina. Sary nalaina tany amin'ny Pan American Health Organisation, nampiasàna ny lisansa CC BY-ND 2.0.
Satria manohy ny fandravàna ny Karaiba ny Tsikongonià, otrik'aretina teraka avy amin'ny moka izay mahatonga fanaviana mahery vaika sy fanaintainan'ny vanin-taolana, nikaon-doha ireo governemantam-paritra nitady izay fomba hiadiana amin'ny firongatry ny aretina.
Any Jamaika, izay tsy mitsaha-mitombo ny isan'ny tranga Chik-V, nianjeran'ny rihitra noho ny famelàna ilay tranga tsy ho azo fehezina sy noho ny tsy fiomanana tamin'izay ho fiantraikany ny Antoko Politika Nasiônaly, izay eo ambanin'ny fitantanan'ny Praiministra Portia Simpson-Miller. Tamin'ity herinandro ity, nanambara i Simpson-Miller fa eo afovoan'ny “vonjy taitra nasiônaly” ny firenena noho ny firongatry ny Chik-V.
Tezitra tamin'ny fomba fanao tsy nahomby nataon'ny governemanta Jamaikana handraisana an-tanàna ilay tranga i Carolyn Joy Cooper, izay mi-blaogy ao amin'ny “Jamaica Woman Tongue”. Tsy nanao firy tamin'ny fanabeazana ny vahoaka momba ilay otrik'aretina sy ny fomba fiparitahany ny Ministeran'ny Fahasalamana; tsy ampy vokatra simikà mba hisedràna ilay aretina ireo toerana voatokana amin'izany, ary toa tsy manana fahafahana hahazo ny fanafody ilaina hanasitranana azy io ireo toeram-pitsaboana.
Nomarihan'i Cooper fa “taona iray teo ho eo izay, tamin'ny volana Desambra 2013, niteny ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Fahasalamana fa tao Karaiba ny Chik-V” ary nanontany hoe fa maninona ny Ministeran'ny Fahasalamana no niandry namaly fotsiny, raha nanana fahafahana ny hisoroka mialoha:
Talohan'izany aza, efa niara-namoaka antotan-taratasy tena ilaina ny Fikambanana momba ny Fahasalamana Amerikanina (PAHO) sy ny Ivon-toerana Ho Fanaraha-maso sy Fisorohana ny Aretina (CDC) tamin'ny 2011, Fiomanana sy Fihetsehana amin'ny Fidiran'ny Otrik'aretina Tsikongonià ao Amerika. Nampitandrina izy io fa ‘toa hampandoa vola be ny rafitra fikojakojana ny fahasalamana efa mipetraka sy ny fitodrafitrasa momba ny fahasalamam-bahoaka ny vokatry ny firongatra be loatra, ary mety hampiato tanteraka ny ampahany amin'ny fiasan'ny fiarahamonina’.
Teo ny governemanta Jamaikana no nahafantatra ka nanomboka fandaharanasam-panabeazana ny vahoaka momba ny loza entin'ilay otrik'aretina. Talohan'ny nahatongavany teto; fa tsy izao. Fa naninona àry izany ny minisitry ny fahasalamantsika no tsy dia niraharaha?
[…]
Mieritreritra aho fa hilaza ny minisitry ny fahasalamana hoe tsy manana ny vola ampy mba hanombohana fanentanana iray lafo vidy alefa amin'ny media ny governemanta. Nanery anay hanena ny fandaniam-bolan'ny governemanta ny Tahirim-Bola Iraisam-pirenena (FMI). Kanefa tamin'ny 2011, rehefa navoakan'ny PAHO-CDC ireo fampitandremana momba ny fitantanana ny Chik-V ireo, tokony niteny ny FMI isika mba hanisy fanalefahna. Tsy hamokatra mihitsy ny herim-pamokarana mandringa (sembana).
Ara-toekarena, eo amin'ny toerana sarotra i Jamaika, amin'ny ampahany noho izy voafatotry ny Tahirim-Bola Iraisam-pirenena (FMI), tamin'ny nanekeny findramam-bola 932 tapitrisa $ tamin'ny 2013, miaraka amin'ny 68.8 tapitrisa $ izay ho avoaka tsy ho ela. Raha ny hita, manohy ny fandaniam-bola toy ny tsy manana olana ireny ny governemanta. Tao amin'ny Twitter, nandatsa ny mpampiasa iray:
Each MP to get J$2M to fight #Chikungunya so everybody happy. @JamaicaPNP @JLPJamaica we certainly do hope #Jamaica will get value for money
— Marcus A Bogle (@likle_wiked) October 15, 2014
Faly ny rehetra rehefa mahazo J$2M ny solombavambahoaka tsirairay mba hiadiana amin'ny #Tsikongonià. @PNPJamaikanina @JLPJamaikanina tena manantena marina isika fa hahazo ny sanda mifandanja amin'ilay vola i #Jamaika
Nandritra izany fotoana izany, ho valinteny tamin'ilay fahafatesana voalohany naterak'ilay aretina tao amin'ny firenena, niteny ny minisitry ny fahasalamana fa te ho voa izy mba hahatakarany ny zavatra iainan'ireo vahoaka.
Amin'ny lamaody mampiavaka ny Faritra Atsinanan'i Inda (Antilles), nanapa-kevitra ny hijery ny lafitsaran'ilay tranga ny sasany amin'ireo mpampiasa aterineto, nizara ny fahitàn'ilay mpanao sariitatra malaza, “Clovis”, ny valintenin'ny governemanta tamin'ny firongatr'ilay otrik'aretina:
Jamaican Health: #Jamaica and The #Chikungunya virus in Cartoons on THE ISLAND @infoChikungunya JOURNAL http://t.co/BdSJFP6hZh
— Poetess Denise Fyffe (@denisenfyffe) October 10, 2014
Fahasalamana Jamaikana: #Jamaika sy ilay otrik'aretina #Tsikongonià ao anatinà sariitatra ILAY NOSY @vaovaoTsikongonià FAMPAHALALAM-BAOVAO http://t.co/BdSJFP6hZh
Nanindry ihany koa ny sasany fa tsy maintsy miantsoroka ny andraikiny koa ny vahoaka tamin'ny namoronany tontolo iainana izay iroboroboan'ireo moka. Nisioka i Nicole West-Hayles hoe:
Can't see why it's State responsibility to be cleaning up backyards of able bodied persons. #Chikungunya #Jamaica
— Nicole West-Hayles (@nicolewesth) October 11, 2014
Tsy mety hitako ny antony maha-andraikitry ny Fanjakana ny fandiovana ny ambadikin'ny tranon'ireo olona tsy manan-kilema. #Thikongoniç #Jamaika
Niteny ilay antson'ny praiminisitr'i Jamaika ho an'ny Jamaikana mba “hanampy ny governemanta hiatrika ny krizy ara-pahasalamam-bahoaka” i Cooper:
Tokony tamin'ny telo taona lasa izy no nanao izao. Mamely antsika ny Chik-V amin'izao. Tara loatra raha izao no hifanoroka sy hifamela.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...