Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Desambra, 2017
Rosia: Mihaino Ny Resaky ny Polisy Nandritra Ny Fihaonana Tao St. Petersbourg
Namoaka ny fandraisam-peo tamin'ny resadresaky ny polisy misahana ny rotaka naparitaka tamin'ny Diaben'ireo "Mpanohitra" tao Moskoa (RUS tamin'ny 14 Aprily sy tao St. Petersburg tamin'ny 15 Aprily i Marina Litvinovich - mpisera LJ abstract2001, lefitr'i Garry Kasparov sy mpanorina ny PravdaBeslana.ru.
Ny Show Global Voices Voalohany
Faly manambara ny voalohany amin'ny rakipeo vaovao amin'ny endrika gazetiboky ny Global Voices
Tsy Araka Izay Lazain'ny Haino Aman-Jery Sosialy, Tsy Napetraky ny Filohan'i Serbia Ho Anaran-dàlana Ny Anaran'Ilay Mpanao Heloka Bevava, Ratko Mladić
Notsinian'ireo mpisera amin'ny haino aman-jery sosialy tsy ara-drariny, tamin'ny fampiasàna ny saripikany tamin'ny hetsi-panoheran'ny antoko radikaly 2007, ny Filoha Serba Vučić fa hoe nanavao anaran-dàlana iray ho amin'ny anaran'ilay Bosniaka mpanao heloka bevava an'ady .
Taorian'ny Nilazany Ilay Mahery Fo Armeniana Ho “Mpiara-Miasa Amin'ny Fasista”, Nihemotra Ilay Fahitalavitra Rosiana
"Iray amin'ireo maherifo ngezalahin'ny firenena Armeniana i Garegin Nzhdeh ary tsy any Yerevan ihany no tokony hananganana ny sarivongany fa manerana ireo faritra maro any Armenia ihany koa."
Maraoka: Miresaka Momba Ny Fanahin'i Maraoka sy ny Daroka Baomba
Noho ny lahatsoratra iray tao amin'ny New York Times mitondra ny lohateny hoe "Ny Fanahin'i Maraoka", sahirana miady hevitra momba ny marina amin'ity fanambarana ity ny tontolon'ny bilaogy Maraokana.
Tontolo Arabo: Saribakoly Manao Saron-doha Voahenjika Tao Tonizia
Saribakoly Barbie amin'ny endriny Silamo Arabo i Fulla. Misaron-doha izy ary tena fitafy nentim-paharazana Silamo no itafiany. Tsy faly noho izany anefa ny bilaogera Ejiptiana Ahmed Shokeir ka nanenjika fatratra sy nanaisotra ity saribakoly ity teny amin'ireo toeram-pivarotana.
Fampielezankevitra Tsy Mikiraron'ny Praiminisitra Jamaikana Nitarika Fihomehezana- Sy Fanontaniana Momba Ny Fotodrafitrasa
Na teo aza ny fampisehoana niarahana tamin'ny fampielezankevitra tao amin'ireo fari-pifidianana manan-danja amin'ilay fifidianana fisoloan-toerana Jamaikana, manontany tena ny mpiondana aterineto raha hisy ny fiovàna rehefa vita ny latsabato.
Maraoka: Kolikoly, Politika, Sy Ny Vokatry Ny Daroka Baomba
Taorian'ny namoahan'ny Los Angeles Times lahatsoratra momba ny fandaniana tamin'ny sarimihetsika Sahara 2003, izay nanasongadinana ny habetsaky ny vola naloa tamin'ny kolikoly teo an-toerana ("vola fanajana, 'hafaliam-po' sy ny 'kolikoly ao an-toerana' mitentina 237.386 dolara no navoaka tany Maraoka mba hanafainganana ny sarimihetsika "), nanome ny heviny ny bilaogera Maraokana.