Ny Show Global Voices Voalohany

(Marihina fa tamin'ny 24 May 2006 no nivoaka ny lahatsoratra teny Anglisy)

GV podcast badge

Faly manambara ny voalohany amin'ny rakipeo amin'ny endrika gazetiboky ny Global Voices, izay mikendry ny hanaovana rakipeo antserasera ary efa nataon'ny tranonkalan'ny Global Voices ho an'ny bilaogy antsoratra ihany koa izany dia ny fampidirana amin'ny mpihaino ireo tolotra sasany mampientanentana avy amin'ireo mpandray feo manerana izao tontolo izao.

Ahitantsika ireto rakipeo manaraka ireto ity fizaran-tantara ity :

Toast Fantastic Podcast (Afrika Atsimo)
Dixo – Eduardo Arcos (Meksika) – Jereo ihany koa ny lahatsoratr'i David Sasaki, Toniam-paritra Global Voices , “Ireo Fanontaniana Miisa 9 Ho An'i Eduardo Arcos”.
Ny Bilaogin'i Geoffrey Philp (Jamaika) – Jereo ihany koa ny lahatsoratry ny mpanoratra ato amin'ny Global Voices Nicholas Laughlin , “Ny Literatiora Antserasera any Antilles”
Rabble Podcast Network (Israely/Palestina)
Ny Tantaran'i Kazahkstan (Kazakhstan)
Oon Yeoh (Malezia) – Jereo ihany koa ny lahatsoratry ny Toniam-paritra ato amin'ny Global Voices Preetam Rai , “Manao Hetsi-panoherana Noho Ny Fandraràna Lahatsary Fanadihadiana Ny Bilaogera Maleziana ”.
Radio Free Harvard Cubao (Filipina) – Jereo ihany koa ny lahatsoratr'i Preetam Rai “Ny Sarimihetsika ‘Da Vinci Code’ any Azia Atsimo Atsinanana” [mg]
Mr. Brown (Singapaoro)

Nasongadina ato amin'ity show ity ihany koa ny mozika roa avy amin'i Magnatune – “Kubrick’s Tube” avy amin'i Michael Masley, ary “Too Tight” avy amin'i Falik. Azonao vidiana amin'ny alàlan'ny tranonkala  Magantune izy roa ireo.

Azonao atao ny mihaino ity rakipeo ity amin'ny alàlan'ny kitika eto amin'ny “Audio MP3″ any amin'ny faran'ny lahatsoratra .

Rohy fisoratana anarana ho an'ny rakipeo:

RSS | iTunes | Odeo

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.