
Pikantsary manaitra avy tamin'ireo sary teo amin'ny bitsika iray nosoratan'i @DrNormanDunn, mampiseho ny tenany sy ny praiminisitra Jamaikana mandeha tsy mikiraro any anivon'ny fari-piadidiana iray any ambanivohitra, avy niampita renirano mba hahatongavana tany.
Tsy isalasalàna fa ankafizin-dry zareo Jamaikana ny fampielezankevitra masiaka eo amin'ny sehatra ara-politika. Hoan'ireo mpanohana ny antoko “diehard”, fotoana iray io ho an'ny firehetam-po sy fientanentanana (ary angamba mety arahan'ny tombontsoa madinika). Ho an'ny mpitazana tsy miandany, mety hanorisory na koa hahasorena ny hazakazaka politika Jamaikana– ary indraindray anefa mety hampialavoly koa.
Marina daholo izay voateny teo momban'ny fampielezankevitra ho an'ny fifidianana fisoloan-toerana misy amin'izao fotoana izao ao amin'ny paroasy iray any ambanivohitra, izay misy fiantraikany amin'ny sehatra nasionaly ary manana dikany fanampiny noho ny hamaroan'isa amin'ny seza iray avy amin'ny antokon'ny asa ao Jamaika ao amin'ny parlemanta.
Noho izy ity iankinan-javatra maro, nitana toerana navitrika tao anatin'ny fampielezankevitra ireo mpitarika antoko, isan'izany ny ezaka teo amin'ny tontolon'ny haino aman-jery sosialy. Niteraka fanehoankevitra marobe ny sarin'ny Praiministra Andrew Holness, miaraka amin'ny moron-tongotry ny patalohany ‘jeans’ naforitra miakatra ary tsy mikiraro, mijaikojaiko miampita renirano kely iray– fihomehezana, fiderana, ary koa tsy fahatokisana.
Voalohany, nobitsihan'ny Praiministra hoe:
We meet the people by the same route they travel to meet us. #DoItForTheLove pic.twitter.com/VqgviwWKJb
— Andrew Holness (@AndrewHolnessJM) October 25, 2017
Nifankahita tamin'ireo olona teny amin'ny làlana nizorany hitsenànana anay izahay. #DoItForTheLove (#AtaovyAmPitiavana) pic.twitter.com/VqgviwWKJb
Narahin'ny kandidà tao amin'ny antokony tamin'ny hafatra mitahiry hevitra miafina:
The same paths you walk to Vote, we walk to meet. We cannot fix what we do not face. #ArgumentDunn #DownToEarth #Development pic.twitter.com/ERPww25pgv
— Dr Norman Dunn (@DrNormanDunn) October 25, 2017
Ny làlana andehananao hifidy, izoranay hifanenana. Tsy afaka ny hanamboatra zavatra tsy atrehantsika isika. #ArgumentDunn (#FandresendahatraDunn) #DownToEarth (#ManetryTena) #Development (#Fivoarana) pic.twitter.com/ERPww25pgv
Voazara maherin'ny in-1.800 sy nahazo fanehoankevitra maro, izay midera ary koa maneso, ilay fanambarana mitovy amin'io tao amin'ny “Facebook”.
Toa valinteny ho an'ilay lahatsary iray nalefan'ny antoko mpanohitra “People's National Party” ilay sary, maneho ny kandidà Dr. Shane Alexis tonga tamin'ny angidimby tao amin'ilay fari-pifidianana .
Ny mpitarika ny vondrona mpanohitra, Peter Phillips, no nibitsika ilay lahatsary, izay niteraka fanontaniana momba ny toetry ny làlana avy amin'ireo olona sasany mbola tsy resy lahatra aminy. .
Every time @DrShaneAlexis shares his vision for SE St Mary with the residents they are energized & excited #AJamaicaThatWorksForAll pic.twitter.com/EqG0ANV4hL
— Peter D Phillips (@PDPhillipsJa) October 21, 2017
Mavitrika sy mientanentana ny mpiray tanàna isaky ny mizara ny fijeriny ho an'ny SE St Mary i @DrShaneAlexis #AJamaicaThatWorksForAll (#JamaikaMiasaHoan'nyRehetra) pic.twitter.com/EqG0ANV4hL
Tsy voalohany akory izao ireo Jamaikana mpanao politika no nijoboka tsy mikiraro tao anaty renirano ho an'ny tanjona ara-politika, toy ny nanipihan'ilay mpampianatra eny amin'ny oniversite, Donna Hopa, azy tao amin'ny Facebook. Nizara ny sarin'ny mpikambana iray fahiny tao amin'ny parlemanta avy ao amin'ilay fari-pifidianana izy, Dr. Winston Green — izay maty tampoka, namela ny toerany ho banga — tanatina fotoana fakàna sary nitovy tamin'io, sady naneso:
South East St. Mary politicking. Battle of the barefeet politicians on social media. High stakes. Your comments?
St. Mary Atsimo Atsinanana tafiditra anaty politika. Adin'ireo politisianina tsy mikiraro ao anivon'ny tambazotra sosialy. Lalao avo lenta. Ny hevitrareo?
Olona iray nibitsika hoe:
Who barefoot better? Campaigning for and with the people the Jamaican way.
— Jaevion Nelson (@jaevionn) October 26, 2017
Iza no mahay tsy mikiraro indrindra? Fampielezankevitra ho an'ny vahoaka ary miaraka amin'ny vahoaka amin'ny fomba Jamaikana
Betsaka ireo mpaneho hevitra no nanondro hoe naneho ny tsy fahampian'ny fotodrafitrasa eny ambanivohitr'i Jamaika ny zavatra nozarain'ny praiminisitra. Olona iray mpampiasa tsy tapaka ny Twitter no nizara an'ity:
After Oct 30 whole ah unnu gone, di ppl dem still haffi guh wade thru river & unnu will lol about the times unnu did guh dem place deh.
— Empress Yolie (@jahmekyagyal) October 27, 2017
Taorian'ny 30 Oktobra, ho lasa ianareo [politisianina] ary ny olona tsy maintsy hiverina hijabajaba abaty renirano, ary hihomehy mafy ianareo mieritreritra an'ireo fotoana nandehananareo teny amin'ireny toerana ireny.
Nanohy ny firesahana teo amin'ny onjam-peo momba ny fomba nandefasana ilay fanaovana dokambarotra teny anivon'ny haino aman-jery sosialy, nibitsika i Patria-Kay Aarons, ilay mpanolotra ao amin'ny onjampeo:
After you cross the river barefooted and feel the people's pain, your next move better be to give them a bridge!
— Patria-Kaye Aarons (@findpatria) October 26, 2017
Rehefa avy miampita tsy mikiraro anaty renirano ianareo ary mahatsapa ny fijalian'ny mponina, enganie ny hetsika tsara kokoa manaraka hataonareo dia ny hanome azy ireo tetezana.
Iza izany no handresy amin'ny fifidianana fisoloan-toerana ho atao ny 30 Oktobra 2017? Fampielezankevitra nahaliana, niarahan'ny fiovàna sy fihodinana maro. Tery dia tery no nahazoana ilay fari-pifidianana — vato dimy fotsiny — tamin'ny fifidianana farany. Niaraka tamin'ny famoriambahoaka natao farany nandritra ny faran'ity herinandro ity, ny sasany amin'ireo manam-pahaizana ara-politika mihevitra fa mety hifanakaiky indray ny fiafaràny — satria efa namerina nampiditra ny kirarony indray izao ireo politisianina.