Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Oktobra, 2015
Ampahatsiahivin'ilay Fanehoan-kevitra Fanambaniana Vehivavy Nataon'ny Filoha Haitiana Amin'Ireo Karaibiana Mpiaro Ny Vehivavy Fa Mbola Ho Lava Ny Làlany
Manomboka amin'ny hiran'ny fanolanana ataon'ireo zazalahy mpianatra ka hatramin'ireo fandrahonan'ny ministera, mbola mizaka ny vokany amin'ny fitenenana ampahibemaso ihany ireo vehivavy manerana an'i Karaiba, hoy ny bilaogy Code Red mpiaro ny zon'ny vehivavy.
Manambana Basy Ny Lohan'ny Haino Aman-jery i Torkia Amin'izao Fifidianana Efa Akaiky Izao
Hatramin'ny 1 Novambra, tsy hisy ny fandeferana, manana safidy amin'ny fanivanan-tena ny mpanao gazety na idiran-doza
Nakatona Tao Amin'ny Facebook Ny Kabul Taxi. Ho Ela Velona Ny Kabul Taxi!
Niray petsapetsa mba hanakatonana pejy mpitondra hafatra esoeso ara-politika ao amin'ny aterineto ny Facebook sy ny governemantan'i Afghanistan.
Niverina indray ny fanasaritahan'ny governemanta rosiana ny Wikipedia
Herinandro alohan'ny lazaina ho fandarohan'ny Rosiana an'habakabaka ao Syria, dia nanomboka nitohy mahazatra indray ny asa tao amin'ny Wikipedia nataon'ny @RuGovEdits amin'ny fampiasana olona mampiasa adiresy IP an'ny governemanta rosiana
Mpanavakavaka, Mpankahala Pelaka ary Anti-semita ny Minisitra Lefitry ny Fitaterana Voatendry Vao Haingana Ao Gresy
Ny anton'ny fandroahana tampoka dia fanambarana izay, roa taona lasa izay, namoaka fanehoan-kevitra manavakavaka, antisemita sy mankahala pelaka tao amin'ny kaonty Twitter efa tsy miasa intsony i @portaporta ("isam-baravarana") na i Kammenos.
Lehilahy Haindò Maty Novonoina Fa Nihinana Henan'omby
"Manankarena amin'ny fanondranana hena ny sasany, ny sasany kosa maty noho ny fihinanana azy? Ny fandrarana sy ny nasionalisma tafahoatra no mahatonga izany."
Nalaina an-keriny, Fa Mbola Ao Anatin'ny Fahatsiarovan'ireo Syriana Hatrany i Sameera
Mpampianatry ny fanantenana i Yasin Al Hajj Saleh. raha afaka mitsiky manoloana ny fanantenana izy, inona ny fialantsininao?
Mipongadra avy ao Toronto, Kanadà, ny dokambarotry ny aterineto ‘Halal’
Manondro ny tetikasa Antranoneto (intranet) nasionaly ao Iran ny aterineto 'Halal', saingy nampiasa ny voambolana ny dokambarotry ny rindrambaiko iray mifandraika amin'ny fikamban'ny ray amandrenin'ny mpianatra manao fihetsiketsehana manohitra ny fanabeazana ara-pananahana ao Ontario.
Tsy Ny Mpitsoa-ponenana sy ny Polisy Ihany No Tsy Mifankahazo Ao Balkana
Raha momba ny mpitsoa-ponenana no resahina, mahomby kokoa amin'ny famelomana indray ny disadisa taloha ny fanapahan-kevitra vao haingana eo amin'ireo mpitondra vondrona Eoropeana fa tsy namaha ny krizy ankehitriny.
Takian'Ilay Fanentanana #StopLumadKillings (AtsaharoNyFamonoanaLumad) Ny Hiarovana Ireo Foko Manohitra Fitrandrahana Ao Atsimon'i Filipina
" Izy ireo no mpitondra ireo fomba amam-panao nentin-drazana tsy manam-paharoa teo amintsika. Mpamono ny fanahin'ny vahoakantsika izay mpamono azy ireo."