
Dokambarotra hita tao amin'ny manodidina an'i Toronto ao Scarborough. Sary nalain'i Sara Alimardani, ary nahazoana alalana.
Ajoroy ao an-tranonao ny Aterineto ‘Halal’
Raha efa hitanao fa efa nahatsindry rohin-tranonkala ratsy na tsy amin'ny tokony ho izy tsinahy ny zanakao ary mahasorena izany?
Mikasa hametra ny aterineto tsy ho azon'ny tranonkala mandoza ve ianao?
Mikasa hametra fotoana ny fidiran'ny zanakao aterineto amin'ny fotoana voafetra ve ianao?
Ny fametrahana Aterineto Halal no safidy tokana ho anao…
Ny aterineto ‘Halal’ no lasa anarana tsy ofisialy napetraky ny manampahefana Iraniana amin'ny tetikasa Tambajotra Anatitrano Nasionaly, ezaka iray hananganana fotodrafitrasa aterineto nasionaly misaraka amin'ny World Wide Web [Tranonkala Manerantany] tamin'ny 2012.
Saingy misy amin'izao fotoana izao ao Toronto karazana ‘fametrahana aterineto’ manao fanivanana fifandraisana amin'ny aterineto mitondra izany anarana izany ihany koa.
‘Halal’ Internet no longer an Iranian intranet issue, but a Toronto grammar issue. ‘Mistake clicks the web link?’ pic.twitter.com/OUcPcIvgQd
— Mahsa Alimardani (@maasalan) September 23, 2015
Tsy resaka atranoneto Iraniana intsony ny Aterineto ‘Halal’, fa lohahevitra ara-pitsipipitenenana ao Toronto ihany koa. ‘Fahadisoana mitendry rohin-tranonkala?’
@maasalan $200, so i prefer Haram one :))
— Amir Rashidi (@Ammir) September 23, 2015
Roanjato dolara, aleoko ilay Fady (voaozona) indray
Ankoatra ny fifandraisany amin'ilay tetikasan'atranoneton'i Iran, sy ny fanazavazavana tsy mazava ara-pitsipipitenenana ao amin'ny trakitra, dia tahaka ny tsy misy habatranonkala ahitana azy ny rindrambaiko, na sehatra izarana azy. Ankoatra izay dia toa tsy misy fanazavana hoe inona ilay teknolojia na inona no ataony.
Ilay dokambarotra dia misy ifandraisany amin'ny fanoheran'ny ray aman-drenin'ny mpianatra ny programam-panabeazana ara-pananahana ataon'ny governemanta liberaly ao Ontario. Ny ankamaroan'ireo vondrona dia mpikambana ao amin'ny antoko mpandala ny nentin-drazana, vondrom-pikambanana isankarazany mikambana ao amin'ny hetsika manohitra ny fanalan-jaza, miara-dia amin'ireo mpifindramonina mpandala ny nentin-drazana na matanjaka eo amin'ny fivavahany.