Tantara mitohy hatrany ny ady ho amin'ny fitovian-jo rehefa mikasika ny lahy sy ny vavy no resaka, mety hoe mafimafy kokoa any an-kafa miohatra amin'ny ampahany sasany eto amin'izao tontolo izao. Vaka tanteraka ilay bilaogy Karibeàna Code Red, miompana amin'ny fiarovana ny fitovian-jon'ny vehivavy amin'ny lehilahy, izay matetika manao antso avo noho ny fisian'ny tsy rariny mifandray amin'ny maha-lahy na maha-vavy ao amin'ilay faritra, manoloana amin'ireo fanararaotana tsy maintsy zakain'ireo vehivavy avy any India Andrefana, milaza fa toa ekena noho ‘ny lafiny kolontsaina ny ankamaroan'ireo fankahalàna vehivavy ireo.
Ilay zava-nitranga ny faran'ny volana Jolay no tena nifantohan'ilay bilaogy, resaka izay nahatafiditra ny filoha Haitiana Michel Martelly. Tany amin'ny fanaovana fampielezankevitra tany Miragoane, nitsikera ampahibemaso an'i Martelly sy ny governemantany ny vehivavy iray tao anatin'ireo vahoaka, nanontany hoe inona no eritreretin'izy ireo hatao momba ny tsy fahampian'ny tolotra herinaratra ao amin'ny faritra misy azy. Namaly ny filoha, tsy niresaka ilay olana voalaza anefa, fa kosa, tamin'ny fitenenana ilay vehivavy mba “hitady lehilahy ary hankany anaty akata” — nandraraka an-tany tanteraka ireo olany ary nilaza taminy fa ho voavahan'ny firaisana ara-nofo ireo olan'ilay vehivavy.
Tena henjana lavitra noho ny maha-hasidoana maneho ny tsy fitovian'ny lahy sy ny vavy azy no fahitan'ny Code Red ny fanamarihan'i Martelly :
Nandrahona vehivavy tamin'ny herisetra araka ny maha-vavy azy i Michel Martelly satria nikatsaka ny hitazona azy ho tomponandraikitra manoloana ny vahoaka izy.
Nitanisa mivantana avy tamin'ny tatitra iray momba ilay zavatra nitranga izay niampanga an'i Martelly ho nanana fitondrantena tena ratsy lavitra ihany koa ilay bilaogy — tsy misy mihitsy porofo manohana ireo fitarainana ireo, na dia nanamarina aza io tatitry ny Miami Herald io fa voarakitra anaty horonam-peo ary nalefa tamin'ny radiô Haitiàna ireo fanamarihan'ny filoha.
‘Ilay adala tsy manaja vehivavy’
Nandritra izany fotoana izany, haingana ny fanehoan'ny vahoaka ny hatezerany tamin'ilay zavatra nitranga tany Miragoane — nanao hetsi-panoherana ireo vahoaka, na teny an-kianja na tany amin'ny sehatry ny bilaogy — ary nametra-pialàna ireo vehivavy maro mpikambana tao amin'ny governemantan'i Martelly.
Women march in #Haiti capital of Port-au-Prince to protest President #Martelly‘s #Miragoâne comments http://t.co/DgZCksYfpX
— Michael Deibert (@michaelcdeibert) August 4, 2015
Nanao diabe tany Port-au-Prince renivohitry #Haiti ireo vehivavy mba hanoherana ilay fanehoan-kevitry ny Filoha #Martelly tany #Miragoâne
Tao amin'ny Twitter aza nisy fanangonan-tsonia tamin'ny Aterineto mihitsy nanohitra ilay fanehoankevitr'i Martelly manambany ny vehivavy ary, niady hevitra momba ilay valin-kafatra mankahala vehivavy nataon'i Martelly tamin'ny tsikeran'ilay vehivavy ireo mpisera amin'ny Aterineto:
Depuis l'incident de #Miragoâne je me fais un devoir de ne plus écouter ce que #martelly,pdt bouffon,qui ne respecte pas les femmes a à dire
— Chantal M. Elie (@chantalmelie) September 10, 2015
Hatramin'ny nisian'ilay tranga tao #Miragoâne, ataoko adidy mihitsy ny tsy mihaino izay tian'ilay #martelly, filoha vendrana, izay tsy manaja ireo vehivavy, ho tenenina
Nisy iray mpampiasa Twitter nieritreritra fa fanampin'ilay filazàna ny fomba fiasa feno kolikolin'ny governemantany tsotra izao ilay fanehoan'i Martelly ny fanaovana tsinontsinona vehivavy :
#Haiti #Martelly is not only corrupt, but he's a sexist pig as well. #ThankUHillary! http://t.co/4cXophjpEV
— James S. Henry (@submergingmkt) August 6, 2015
#Haiti #Martelly, tsy hoe feno kolikoly fotsiny, fa kisoa mpanao tsinontsinona vehivavy ihany koa. #ThankUHillary!
Tsy gaga tamin'io zavatra nolazainy io ireo hafa:
#martelly, pushed & pushed the limit to see how far he can get & he got far… He was never able to stand others who stood up to him!
— Chantal M. Elie (@chantalmelie) August 6, 2015
nanosika ary nanosika hatrany ny fetrany i #martelly, mba hahitàny hoe hatraiza no afaka ataony & ary nahita ny farany izy izao… Tsy vitany velively ny tsy hihetsika manoloana ireo manohitra azy!
I've come to the conclusion that he doesn't care anymore and it shows through his behavior #Martelly #OnceUponATime
— kandida Gio (@GioJules) July 30, 2015
Tonga tamin'ny tsoakevitra aho hoe tsy misy hiraharahàny izany intsony ary asehony amin'ny fihetsiny mihitsy izany #Martelly #OnceUponATime(IndrayAndroHono)
Ho an'ireo sasany, anefa, tsy misy mihitsy fialantsiny azo aroson'ilay mpiangaly mozika lasa mpanao politika izay nantsoina fahiny hoe Sweet Micky:
fuck yeah Sweet Micky can talk shit abt whatever the fuck. but President Michel Martelly better get his shit settled as MY PRESIDENT.
— Kitty Pride (@birdie_leii) July 30, 2015
Kiii Eny e afaka miresaka zavatra tsy misy dikany momba izao diky rehetra izao i Sweet Micky. fa tsaratsara kosa raha toa ny filoha Michel Martelly mba mieritreritra tsara ny vava avoakany amin'ny maha-FILOHAKO azy.
Ary eny, nisy ireo sasany nanohana an'i Martelly…
While Marie Lucie of #Vision2000 appeared to have made excuses 4 #Martelly‘s anti-women comments, @RTVCHAITI having field day w/ intl focus.
— Jacqueline Charles (@Jacquiecharles) August 3, 2015
Raha niseho ho nanao fialantsiny tamin'ny fanehoankevitra tsy tia vehivavy nataon'i #Martelly i Marie Lucie avy amin'ny #Vision2000, vaovao niompana tamin'ny iraisam-pirenena no nalefan'ny @RTVCHAITI tontolo andro.
…fa nitsangana niray hina tamin'ny mitovy aminy ny ankamaroan'ireo mpikatroka mafana fo mpiaro vehivavy sy ireo vondrom-behivavy :
Women's groups denounce silence of women ministry, women political leaders, the PM re: #Martelly‘s comments. #vision2000
— Jacqueline Charles (@Jacquiecharles) August 3, 2015
Ampangain'ireo vondrom-behivavy ny fahanginan'ireo vehivavy minisitra, ireo vehivavy mpitarika ara-politika, ny PM re: fanehoankevitr'i #Martelly. #vision2000
Women's group says awaiting reaction from @UN and @EU_Commission on #Martelly‘s comments. “They have a right to say something.” #vision2000
— Jacqueline Charles (@Jacquiecharles) August 3, 2015
Nilaza ny vondrom-behivavy fa miandry ny fihetsiky ny @Firenena Mikambana sy ny @Kaomisiôna Eorôpeana momba ilay fanehoankevitr'i #Martelly. “Manan-jo ny hiteny zavatra izy ireo.” #vision2000
Efa nametra-pialàna ihany koa ny mpiasa-panjakana ambony iray hafa tao amin'ny governemantan'i Haiti:
Another #Martelly govt official, this one Minister of Agriculture Fresner Dorcin, resigns http://t.co/lLQrj19eVs
— Michael Deibert (@michaelcdeibert) September 19, 2015
Nametra-pialàna ny mpiasam-panjakana iray hafa tao amin'ny governemantan'i #Martelly, Fresner Dorcin Minisitry ny Fambolena
Ny làlana lava tsy maintsy mbola hodiavina ho an'ny fiarovana ny zon'ny vehivavy Karibeana
Mandritra izany, notohizan'ny lahatsoratry ny Code Red ny resaka hitanisàna ireo tranga hafa mikasika ireo fandrahonana ireo vehivavy sy ireo sarimbavy tany amin'ny faritra maro — Mpianatra zazalahy Barbadiàna “nihira hira mankasitraka ny fanolanana: Tek dickey and roll”; ny vokatry ny adin'i Caleb Orozco hampitsaharana ireo lalàna manohitra ny sarimbavy any Belize; ary ny fandrahonana ampahibemaso nataon'ny mpiasa-panjakana iray ao amin'ny governemanta tamin'ny vehivavy mpikatroka mafana fo iray tany Goiana — nahatonga tsoakevitra hoe “lalim-paka ao amin'ireo mpifankatia tsy mitovy taovam-pananahana / olona mametraka ny tsy fitovian'ny lahy sy ny vavy ny fankahalàna vehivavy sy ny herisetra amin'ny sarimbavy”:
Ambinambin-javatra ny fanolanana. Afaka manandrana io ireo zazalahy mpianatra ary afaka mandrahona ireo vehivavy olon-tsotra amin'io ny Filoha.
Nilazàna ireo vehivavy mpikatroka mafana fo fa mila mihaona amin'ireo lehilahy mitia vehivavy any amin'ny misy azy ireo isika, fa mila mamela ireo lehilahy amin'ny fankahalàny vehivavy isika (sahala amin'ny hoe afaka manan-tsafidy amin'izany resaka izany isika?) toy ny hoe dingana iray tsy azo eo noho eo amin'ireo fitarainantsika hanana ny maha-olona feno ny fitovian-jon'ny lahy sy ny vavy. Mila mahay mahandry sy milamina ary tsara isika. Tambatsela mandrafitra ny fiarahamonintsika ny fanilihana vehivavy. Ny miaina manaraka azy io no tsara indrindra noho ny manafoana azy. Tsaratsara kokoa ny manao atrikasa io noho ny manongotra ilay ahiahy ratsy!
Nifarana tamin'ny naoty malahelo ilay lahatsoratra, na hoe mbola manohy miady amin'ny tsy fitovian-jon'ny lahy sy ny vavy isan'andro aza ilay bilaogy — sy ireo vehivavy miteny mivantana manerana an'i Karaiba:
Misy ireo andro, na miady mafy fatratra aza ireo mpiaro ny zon'ireo vehivavy Karaibiana mamirapiratra, tafalentika ao anatin'ilay hafatra miverina tsy miova ary mandeha amin'ny lafivalo hoe tsy misy dikany ireo vehivavy sy ireo zazavavy. Ary ny sisa tamin'ny fotoana? Mijanona ao an-dohanao ilay hira fanenjehana ventesin'ny zazalahy mpianatra manatefotefoka ny filoha.
2 hevitra
Anisan ny firenena mijaly indrindra eto amin izao fotoana izao ny Haitiana . Mety ho azo itarafana ihany ny toe tsain ny mponina any indrindra fa ny lehilahy ny zavatra toy izao, ka angamba anisan ny fototry izany fahantrana izany.
Maro ireo fikambanana iraisam pirenena na ireo Firenena manome famatsiam bola miompana amin ny fanerena mivantana na an kolaka ireo Mpitondra fanjakana mba hampitombo ny fandraisan anjaran ny vehivavy amin ny raharaha politika . Angaha tsy mba misy an ireny any Haiti ?