· Jolay, 2012

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Jolay, 2012

Shily: Mananontanona ny lalàna manohitra ny fihetsiketsehana

  16 Jolay 2012

Niantso ny Kongresy hanaiky ny lalàna izay mitady sazy henjana kokoa ho an'ny mpanao fihetsiketsehana ny minisitry atitany Shiliana Rodrigo Hinzpeter, fanavaozana ny fadihevitra  tamin'ny herintaona tao an-toerana ihany izany. Nanomboka norafetina ilay lalàna taorian'ny diabe nataon'ireo mpianatra tao Santiago ny 28 Jona 2011, fihetsiketsehana izay niafara tamin'ny fifandonana mahery vaika...

Ethiopia: Mahazo Vahana Ny Fanoheran'ny Miozolomana

  15 Jolay 2012

Miha-mipoitra tsikelikely ny fahazotoan'ny miozolomana Ethiopiana manohitra ny fitsabahan'ny fitondrana mihamivandravandra amin'ny raharaham-pivavahany rehefa nanao fanentanana an-tserasera ry zareo tamin'ny volana Mey. Ary rehefa tafidina an-dalambe ny fahazotoan-dry zareo an-tserasera dia nanomboka nampiasa hery tamin'ny mpanao fihetsiketsehana ny mpitandro ny filaminana federaly Ethiopiana. Araka ny nolazain'ireo mpikatroka ao an-toerana manoratra ao...

Etiopia: Aiza i Meles Zenawi?

  14 Jolay 2012

Nibahana be ny habaky ny media sosialy nandritra ny herinandro maro ny momba ny fahasalaman'ny Praiminisitra Etiopiana Meles Zenawi ary niteraka fanontaniana mikasika ny hoavin'i Etiopia rehefa tsy eo izy. Nizara ny fahitan-dry zareo izay fahasalamany sy tsy fahitana azy izay any anaty Twitter sy Facebook ireo mpiondana aterineto. Manontany tena ireo mpampiasa ny media sosialy ny amin'ny antony tsy hiresahan'ireo fampahalalam-baovao mahazatra ity tantaran'ny fahasalamany sy izay misy azy ity

Vondrona Afrikana Malemy Ho An'ny Firenena Mikambana 53

  13 Jolay 2012

Nikorotandrotana ny taona 2011 ho an'ny kaontinanta Afrikana tamin'ny fisian'ny revolisiona, fikasana hanongam-panjakana ary ny krizy politika mahery setra maro. Saingy nampalahelo moa fa nampiharihary ny hany fara-vitany amin'ny fiatrehany ireny toe-draharaha ireny ny vondron'ny firenena afrikana 53 izay manana ny iraka hanamafy ny fitoniana eo amin'ny faritra sy ny fampandrosoana.

Zambia: Lasa Lavitra Loatra Ny Hatsikan'ny Filoha?

  12 Jolay 2012

Noheverina ho kivazivazy maivana eo amin'ny Filoha Michael Sata sy ny filoha Amerikana teo aloha George W. Bush, na izany no nampinoana ny Zambiana tao amin'ny fanambarana navoakan'ny tao amin'ny Lapam-Panjakana raha nampahatsiaro tamin'ny vahiny ny talohan’ [ilay firenena vahiny nampihatra] ny fanjanahantany sy ny fanandevozana ny mpampiantrano. Maro amin'ny Zambiana an-tserasera...

Koety: Manohy Fikomiana Ny Vondrom-piarahamonin'ireo Tsy Manana Zom-pirenena

Ny vondrom-piarahamonin'ireo tsy manana zom-pirenena any Koety (Bedoon) dia niady ho an'ny zony hanana taratasy sy ho olom-pirenena hatramin'ny volana Febroary 2011 ary ny mpampiasa aterineto dia nitodika tany amin'ny haino aman-jery sosialy mba handrenesana ny feony. Ny hetsi-panoheran'ny Zoma dia navadika ho Sabotsy ary ny andro fitakiana ny zo dia nivadika ho fifandonana tamin'ny polisy.