Vondrona Afrikana Malemy Ho An'ny Firenena Mikambana 53

 

Ny Filoha Ekoatogineana Teodoro Obiang sy ny filohan'ny Vondrona Afrikana Jean Ping nandritra ny fihaonamben'ny vondrona Afrikana tao Malabo. Sary avy amin'ny ambasadin'i Ginea Ekoaterialy

Nikorotandrotana ny taona 2011 ho an'ny kaontinanta Afrikana tamin'ny fisian'ny revolisiona, fikasana hanongam-panjakana ary ny krizy politika mahery setra maro. Saingy nampalahelo moa fa nampiharihary ny hany fara-vitany amin'ny fiatrehany ireny toe-draharaha ireny ny vondron'ny firenena afrikana 53 izay manana ny iraka hanamafy ny fitoniana eo amin'ny faritra sy ny fampandrosoana.

Tsy nahavita namaha ny krizin'i Côte d'Ivoire taorian'ny fifidianana ny Vondrona Afrikana niorina tamin'ny 1999 rehefa nofoanana ny Fikambanan'ny Firaisambe Afrikana, tratra aoriana tamin'ny fanohanana ny hetsika malazan'ny Lohataona Arabo, ary voafaritry ny tanjaky ny Kolonely Gaddafi teo amin'ny Fikambanana ny heviny manoloana an'i Libya.

Izany rehetra izany no mahatonga ny olo-pirenena Afrikana maro tsy mino fa hahavita ny iraka nampanaovina azy [fr] ny Vondrona. Miharihary izany rehefa vakiana tsara ny filazan'ny bilaogy mpanadihady hita ao amin'ny faritra. Ao amin'ny bilaogy Cry Me An Onion, Patrick-Bernard tsy nivilivily tamin'ny filazana hoe “Andao alàna ny Vondrona Afrikana“:

Raha jerena ny zavanisy tany Tonizia, Ejipta, Cote d'Ivoire, Somalia, Kenya, Madagasikara, RDC, Libya ary ny maro hafa eto Afrika, ny fahefana tokony atao fahirano sy aongana dia ny Vondrona Afrikana. Tsy ilaina hamaha olana amin'ny fifandirana rehetra mitranfa eto Afrika na hitady ny marimaritra iraisana ny andian-jiolahin'i Ali Baba miisa 53. (…)

Tsy mbola nahombiazana tamin'ny famahana ny krizin'i Mali ihany koa ny fikambanana. Na dia misy aza ny tatitra mampanahy [mg] avy any amin'ny faritra avaratry ny firenena, izay fehezin'ny vondrona Islamista Ansar Dine amin'izao fotoana izao, dia tsy nahavita nanetsika ny Vaomieran'ny Fandriampahalemana ao amin'ny Firenena Mikambana handefa andian-tafika avy ao amin'ny CEDEAO na ECOWAS na vondrona ara-toekarena ao Afrika andrefana ny Vondrona Afrikana. Ao amin'ny bilaogin'ny fikambanana Toaregy miorina ao Frantsa, Temoust.org [fr], no misy manazava fa:

(…) sur le dossier du Mali, les arguments avancés par Ramtane Lamamra (photo), le Commissaire de l’Union africaine pour la paix et la sécurité, pour un soutien de l’ONU à une intervention militaire dans ce pays n’ont pas convaincu les 15 membres du Conseil de sécurité. (…) L’UA reste très imprécise ; combien de soldats seront envoyés sur place, à combien se chiffre cette opération, quelle sera la mission de cette force militaire ?

… momba ny raharaha Mali, tsy naharesy lahatra ny mpikambana 15 ao amin'ny vaomieran'ny fandriampahalemana eo amin'ny Firenena Mikambana ny fandresen-dahatra naroson'i Ramtane Lamamra, Kaomiseran'ny Vondrona Afrikana misahana ny Fandriampahalemana sy ny Fiarovana, hampiditra an-tsehatra ny tafiky ny Firenena Mikambana ao amin'io firenena io (…) Manjavozavo izay tian'ny Vondrona Afrikana atao; firy ny isan'ny miaramila alefa any, ohatrinona ny mety ho fandaniana amin'izany, inona ny iraka ataon'ilay andia-tafika amin'izany?

Fahafaha-manao Voafetra

Na dia eo aza izany fanombanana izany, zava-dehibe ho an'ny mponina iray miliara ao amin'ny firenena afrikana 53 mpikambana ny manana solontena sy mahita ny tombontsoany arovan'ny fikambanana rezionaly iraisana sy matanjaka, ao anatin'ity tany anjakan'ny fanatontoloana ity. Mila fahafaha-manao izay tsy ananan'ny fikambanana amin'izao fotoana izao izany fanamby izany.

Ny 2012, nahatratra $274 tapitrisa amerikana ny volavola-tetibola naroson'ny vaomieran'ny Vondrona Afrikana . Bitika izany manoloana ny 147 miliara EUR an'ny Vondrona Eoropeana. Ankoatra izany, tsy mbola voaantoky ny fikambanana na dia io tetibola io aza, satria 5 amin'ny firenena 53 mpikambana [fr] ihany no nandoa ny latsakemboka fandoany isan-taona (Libya, Ejipta, Afrika Atsimo, Alzeria ary Nizeria).

Etsy ankilan'izany, araka ny lazain'ny sekretera jeneralin'ny Vondrona Afrikana tenany Jean Ping tamin'ny 2010, avy amin'ny fikambanana vahiny, tahaka ny Vondrona Eoropeana ny 77% [fr] -n'ny tetibola miasa hikirakirana hikojakojana ny fandaharan'asa tahaka ny fandefasana tafika ohatra. Rehefa mahalala izany dia azon'ny tsirairay ihany ny mahavinavina ny fahafaha-manaon'ny fikambanana mahasahana an'i Afrika manontolo.

Na dia mbola tandindonin'ny korontana ihany aza ny kaontinanta, hita kosa fa na eo aza ny tanjona mendrika ananan'ny Vondrona Afrikana dia sarotra ny ahafahany mamaha izany.

ISN logoTafiditra ao anatin'ny asa tohanan'ny International Security Network (ISN) ho ao anatin'ny fiaraha-miasa hitadiavana ny feon'olo-tsotra eo amin'ny sehatry ny fifandraisana iraisampirenena sy ny fitoniana manerantany  ity lahatsoratra (teny anglisy) ity sy ny amin'ny teny Espaniola, Arabo ary Frantsay. Tsidiho ny bilaogin'ny ISN ary efa hita ao ihany koa ity lahatsoratra ity dia jereo ao ireo tantara maro mifandraika amin'izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.