Nahatezitra ireo mafana fo Maoritaniana ny kabary nataon'ny minisitry ny raharaham-bahiny Maoritaniana Hamadi Ould Hamadi [fr] nandritra ny fivoriana farany an'ny Naman'i Siria. Tamin'ny kabariny tao aamin'io fivoriana io, izay natao tany Paris tamin'ny 6 Jolay, nilaza ny minisitra fa “herisetra sy valin-kerisetra” no zava-niseho tany Siria.
Maro ny nandray izany ho fanohanana ny fitondràn'i Bashar Al Assad, ary niparitaka ny bitska tezitra, ny lahatsary manesoeso, mitsikera ny minisitra sy miala tsiny amin'ireo vahoaka Siriana ary ny revolisiona Siriana.
Tsara homarihina fa tsy vaovao izao toetran'ny fitondràna Maoritaniana manohana ireo fitondràna hafa miatrika fitakiana fanonganana izao. Teo aloha ny fitondràna Maoritaniana dia nanohana ny fitondràna Ivoariana notarihin'ny filoha Laurent Gbagbo sy ilay filoha Libiana voaongana Muammar Gaddafi, ary fanampiny koa ny fitondràn'i Zine El Abidine Ben Ali sy Hosni Mubarak.
Fihetsiketsehana maro no efa natao tany Maoritania mangataka ny fandroahana ny masoivoho Siriana avy any Nouakchott sy ny fampiatoana ny fifandraisana diplomatika amin'ny fitondràn'i Bashar Al Assad.
Ny pejy Mauritanie Demain dia nanao lahatsary manesoeso ka nampiasa ny kabarin'ny minisitra, nanimba ny lahatsary tam-boalohany ka nanova ny tenin'ny minisitra. Ao anatin'izany ny minisitra dia milaza fa ny antony nanohanan'ny Maoritania ny fitondràna Siriana dia satria nokaraman'Iran ny filoha Maoritaniana Brigadie Jeneraly Mohammed Ould Abdel Aziz hanohana an'i Bashar Al Assad.
Tah Ould Habib, Maoritaniana mafana fo dia nitsikera ny kabarin'ny minisitry ny raharaham-bahiny:
Naneho hevitra tsy mifanalavitra amin'izany ilay mafana fo, Ahmed Abdallah:
Ary i Elghoutoub Ould Mohammed Moloud dia nanoratra hoe:
Tsy very anjara koa Jamal Khashoggi, mpanao gazety Saodiana, fa naneho hevitra: