· Jolay, 2012

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Jolay, 2012

Kenya: Mau Mau Mpiady Ho Amin'ny Fahafahana Mitondra Ny Raharaha Eny Amin'ny Fitsaràna Britanika

  19 Jolay 2012

Mau Mau telo fahiny mpiady ho amin'ny fahafahana no nitondra ny governemanta Britanika hiatrika ny Fitsarana Ambony ao Londona mitaky fifonana sy onitra noho ny habibiana nozakain-dry zareo nandritra ny fitonfdràna fanandevozan'ny Britanika an'i Kenya. Miraradraraka ireo bitsika mikasika ilay raharaha ho fanohanana ny tolona fikatsahan-dry zareo ny rariny. Mibitsika mivantana avy any an'efitrano fitsaràna i @JeromeTaylor sy @TandemLaw.

Espaina : Solombavam-Bahoaka Niteny Ratsy Ireo Tsy An'Asa An-Tapitrisa

  19 Jolay 2012

Eo am-pivorian'ny solombavam-bahoaka, Andrea Fabra dia nihiakiaka narahan'ny tehaka "¡qué se jodan!" (' 'asaivo mandeha mi.... any ry zareo !) tamin'ireo tsy an'asa espaniola an-tapitrisa tao aorian'ny nanambaràn'ny filohan'ny governemanta Mariano rajoy ny fepetra henjana mahakasika ny fanampiana sosialy ho an'ny tsy an'asa teo amin'ny tantaran'ny demokrasia espaniola.

Korea Atsimo: Nakatona Ny Raharaha Taratasy Hosoka, Fiarovana Ny Filoha?

  19 Jolay 2012

Manjaka ao Korea Atsimo indray ny fanambarana politika sy ny ahiahy, taoriana ny fahafahana nomen'ny mpampanoa lalàna ireo olona voarohirohy tamin'ilay raharaha “taratasy Hosoka” nahabe adihevitra tamin'ity herinandro ity, mandeha ny  resaka fiampangana fa miaro ny filoha izy ireo. Marobe ireo fanambarana miantefa any amin'ny filoha Korea Atsimo Lee Myung-bak, hatramin'izay nilatsahany...

Syria: Lazain'ny Mpiserasera Ho Manomboka Ny Fiafaran'ny Fitondrana Bashar

Malaza ny Twitter mikasika ny fanombohan'ny  fihongananan'ny fitondran'i Assad, taorian'ny fipoahana baomba tao Damaskosy izay nahafatesana olona telo mpikambana ambony ao amin'ny presidansan'i Bashar Al Assad. Arwa Damon avy ao amin'ny CNN nitatitra toy izao: @arwaCNN: nilaza ny tafika ao ‪#syria‬ fa fitaovana napetraka tao anatin'ny efi-pivoriana ilay zavatra nipoaka...

Rosia: Maneho Hevitra Momba Ny Tondradrano Nandrava An'i Krymsk Anaty Aterineto Sy Mivantana Ireo Mpampiasa Aterineto

Tamin'ny 6-7 Jolay, maherin'ny 170 ireo olona namoy ny ainy tamin'ny tondradrano nandrava tany atsimon'i Rosia. Niady hevitra ireo mpitoraka blaogy momba ny mety nahatonga izany loza izany tany amin'ny Krymsk - faritra voa mafy; maro ireo efa any amin'ny maha-mpirotsaka an-tsitrapo na mpanao gazety, ary maro amin'ireo adihevitra amin'ny aterineto koa no mifototra amin'ny ezaka fanavotana.

Sodàna: Bilaogera Mitantara Ny Famotorana Natao Azy Nandritra Ny Telo Andro

  17 Jolay 2012

 Nosoritan’ ilay bilaogera Sodaney Maha Elsanosi  mazava tsara ny famotorana natao azy izay naharitra telo andro tao amin'ny Sampan-draharaha nasionaly misahana ny Fitsikilovana sy ny Fiarovana (NISS), taorian'ny fisamborana azy tao Sodàna. Tao amin'ny lahatsoratra izay tokony hovakiana, Maha, izay tsy iza fa mpanoratra Sodàna ato amin'ny Global Voices ihany, nitantara toy izao: Nandritra...

Ejipta: Naka ny Pop Corn-ny Ny Farao Lehibe

Nandritra ny fifidianana filoham-pirenena farany teo, tsy nankasitrahan'ny Ejipsiana loatra ireo nosafidiany tamin'ny fiodinana farany; nanapa-kevitra ny tsy handray anjara amin'ny fifidianana ny sasany raha nifidy ny kandidà iray noho ny tahotra ilay kandidà hafa kosa maro hafa. Ankehitriny efa i Mohamed Morsi, kandidàn'ny Mpirahalahy Miozolomana, no filoha. Mizara ny heviny ny mpiserasera