Miha-mipoitra tsikelikely ny fahazotoan'ny miozolomana Ethiopiana manohitra ny fitsabahan'ny fitondrana mihamivandravandra amin'ny raharaham-pivavahany rehefa nanao fanentanana an-tserasera ry zareo tamin'ny volana Mey. Ary rehefa tafidina an-dalambe ny fahazotoan-dry zareo an-tserasera dia nanomboka nampiasa hery tamin'ny mpanao fihetsiketsehana ny mpitandro ny filaminana federaly Ethiopiana.
Araka ny nolazain'ireo mpikatroka ao an-toerana manoratra ao amin'ny pejy Facebook Dimtsachin Yisema (Ataovy Re Ny Feontsika) ampiasaina hamelezana an-dry zareo ny daroka ara-batana, ka tafiditra amin'izany ny fanitsakitsahana ny toerana masina ao amin'ny moskean-dry zareo. Manoratra ao amin'ny pejy facebook-ny ny mpanentana miozolomana Ethiopiana sady mpanoratra Merim Bint Islam:
This is how brutal beatings were done on our brother, yesterday in Awuliya.
Addis News Updates @AddisFocus #Ethiopia'n regime's forces unshamefully confiscated over a hundred animals (oxen) from a Mesjid in Addis which was ready for sadaqa.#Islam
Izao no daroka natao tamin'ny rahalahintsika omaly tao Awuliya.
Vaovao farany navoakan'i @AddisFocus noraofin'ny tafi-panjakana Ethiopiana an-keriny ny omby an-jatony tao amin'ny Mesjid iray tao Addis izay efa novononina hanaovana sadaqa [fanomezana]. #Islam
Mampiseho ny fihetsiketsehana miozolomana Ethiopiana tamin'ny avrily 2012 ny lahatsary YouTube eto ambany:
Na dia lazaina ho mahery fihetsika aza ny polisy dia tsy mitsahatra ny mampitony ny namany miozolomana ny mpikatroka ao amin'ny pejy Facebook. Indro ny pejy Facebook Miozolomana Ethiopiana mizara ny naotin'i Ahmedin Jebel izay mivaky toy izao (amh):
ሕዝበ ሙስሊም ሆይ! ሰላማዊና ሕገ መንግሥታዊ መብት የማስከበር እንቅስቃሴያችን ከተጀመረበት ጊዜያት ጀምሮ ላለፉት ስድስት ወራት በሚቻለን ሁሉ ሁከት እንዳይነሳ ጥረናል፡፡ ምክንያቱም ሁከት መነሳቱ መቼም ቢሆን ለኛ አይጠቅመንምና፡፡ የተለያዩ አካላት ሁከት ዉስጥ አስገብተውን ሂደታችንን ለማደናቀፍ የሚቻላቸውን ሁሉ ሞክረዋል፡፡ እየሞከሩም ነው፡፡ መንግሥትም ይሁን የትኛውም ወገን ቢተናኮሰን፣ ቢተኩስ፣ ቢያስር፣ መስጂዶች ቢደፈሩም ምላሻችን የችኮላና ህጋዊ ካልሆነ፣ ይበልጥ አላማቸውን የሚያሳካና ሕዝበ ሙስሊሙን ለአደጋ የሚያጋልጥ ከሆነ ለኛ ዉድቀት እንጂ ድል አይደለም፡፡
Mandritra izany fotoana izany manoratra ao amin'ny Facebook i Abiye Teklemariam:
Activists claim gov't underlings may deliberately stage a fake violent demo. near the AU headquarters to blame it on Muslim protesters.
Lazain'ny mpikatroka fa mety hanao fihetsiketsehana sandoka maherisetra eo akaikin'ny Foiven'ny Vondrona Afrikana ny mpiasan'ny fitondrana mba hanamelohana ny mpanao fihetsiketsehana miozolomana.
Manjavozavo be ihany ny toe-draharaha politika sy ara-pivavahana any Ethiopia noho ny tsaho sy ny honohono momba ny fahasalaman'ny[mg] Praiminisitra Meles Zenawi sy ny fihetsiketseha-panoherana miozolomana miha-mahazo vahana.
Islam no fivavahana faharoa be mpanaraka indrindra ao Ethiopia aorian'ny Kristianisma.